dim.

01

août

2010

Mpanao SÔSISY

Toy ny mahazatra dia niaraka ary i Mamazily sy Bebert mpaka sary, nitrandraka indray ny vaovao mety hahaliana anao. Anisan’ny sakafo tiako ny sôsisy, asiana anandrano,tsaramaso, voajobory… Io vokatra io moa dia vita amin’ny tsinay kena, sy sesika voatoto, ny anarany fotsiny no mody miova fa mitovy ihany ny fanamboarana azy: ao ny chipolata, pur porc, à l’ail, volaille, boudin, …. Sy ny sisa e! Samy manana ny tiany. Ka indro ary atolotray anareo ny fikarakarana rehetra alohan’ny hahavitan’ny sôsisy lava bé. Nifametraka fanontaniana ihany anefa izahay hoe: “dia ahoana ity?” Izay saro-drikoriko aloha dia aza mijery e!

écrire commentaire

Commentaires: 22

  • #1

    jacta (dimanche, 01 août 2010 19:02)

    Akory atao io ny zavamy, rehefa te hihina ka mihinana dia manaiky na inona fiaviany na inona fisehony. Manaova saosisy any an-trano dia ataovy tsinain'AKOHO iny no mety misy any an-trano(vonoy ny akoho) vita.

  • #2

    ben (lundi, 02 août 2010 12:31)

    tsy hihinana sôsisy ntsony za!!!

  • #3

    Mpivaro-kena (lundi, 02 août 2010 15:36)

    Aiza ré zany ry zalahy e!
    Izao no fiainantsika e, mitovy amin ny cassoulet mbazaha ihany io fa lé norme fotsiny ny tsy hitovizany. Andrahoy tsara fotsiny dia lasa izao e!

  • #4

    Dénise Rabe (mardi, 03 août 2010 09:10)

    Fahiny dia tsara sady nadio ny saosisy malagasy! Fa avoa tongo teo amin'ny fitondrana ingahy Valomanana dia lasa gaboraraka ny zavatra rehetra teto amin'ny firenena. Soa fa tonga i Andry hanarina izany rehtra izany ary mahatoky azy ny malagasy rehetra!

  • #5

    Zo R. (mardi, 03 août 2010 15:03)

    Efa ela no nahitako anio fanamboarana saosisy io fa tsy hoe Ravalo na i TGV. Andrahoy tsara fotsiny dia rehefa avy mihinana miborosy nify dé basta

  • #6

    maman'i tssssss (mardi, 03 août 2010 15:16)

    akory daolo!
    io ndrindra nefa no tena mapatsiro azy, sa aona Jacta?.aza eritreretina fotsiny d mande o azy e.
    fa io kosa lo tsy misy idiran'i dada sy bandy kely zany io ry Dénise a.
    mazto daolo.fa milay lo site ry mamazily a

  • #7

    gazety tsotra (mardi, 03 août 2010 20:56)

    Fa inona no hidiran'i R8 @ saosisy masisonareo hat @ izao fotoana izao?
    En 2002 espérance de vie gasy= 45 ans
    En 2009 Esperance de vie gasy= 62 ans
    Ravalo ihany no antenaina hampandroso fa ny hiafaran'ny gasy dia na mihinana maloto aza dia tsy maninona fa fafana fotsiny dia vita dia rehefa marary maty dia hoe i R8 no nahatonga izany. TOKONY HIVAOTRA @ IZAY FA TSY LAOZANA MOHOSONA EO

  • #8

    drole (mercredi, 04 août 2010 07:28)

    tsy hitanareo ngah ilay mpanao feana ganagana tao toulouse?
    hitako ny sary fa izany piscine no adaboaka ao ny feana ganagana dia tsy sasana fa maloto be iny no andrahoina.
    nitory ny mpiasa dia nigadra ilay millionaire...
    ity nge tsy maloto fa jerena malaoto satria eny an'ony e.mais bon...
    ra tsy ihinana sosisy nareo postéo aty amiko hinananako azy. c'est bon...mmmmm

  • #9

    jo (jeudi, 05 août 2010 01:09)

    Tsy ihinana sosisy intsony eee!! Mamparikoriko!!!

  • #10

    mouks (jeudi, 12 août 2010 13:21)

    zao indrindra no mampatsiro reny sosisy reny e, le tavela tsy voasasa tsara ao,hihihihi,taipiraka ...............hahaha,efa samy nihinana daolo fa aza miala ilany eo daholo e

  • #11

    tax (jeudi, 12 août 2010 16:23)

    aza ampidirina politika ny saosisy e!
    io izy io
    vavakisoa misy sira io ka asak"izay mihinana azy.misy milay anie ireny saosisy ireny e!
    de inina indray ry Mamazily sy Bebert ny reportaga manaraka?
    tena mahaliana fa tohizo

  • #12

    Hay ve (mardi, 17 août 2010 14:02)

    Hay va re ka toy izao no fanaovana ireny saosisi ireny e, tsy noho ra8 kosa aloha na tgv fa ny toe-tsaina sy ny fari-piainana e. Ovay oa ny fomba fijery.

  • #13

    matsiro trop (jeudi, 18 novembre 2010 15:32)

    Efa mangotraka rangaha de efa mety an, tsy hisy hinankanina mintsy ra vao be eritreritra be , na de vola raisina io ary anie efa taiza e! mofo hoanina reny moa zany de madio be daholo ny tanana mitazona azy?nefa ary reny tsy mangotraka?

  • #14

    hajaexport (vendredi, 21 janvier 2011 17:27)

    hoatra ny saosisy mihitsy ilay DENISE RABE raha hoatran'izao no fanamboarana saosisy hoatran'ny tsy hinana saosisy tsony a ka

  • #15

    Poizina (vendredi, 28 janvier 2011 15:51)

    Hihihi!! de sosisy zao marina le Denise Rabe !!!!

  • #16

    zakö (mardi, 15 février 2011 16:00)

    tsy homena tsiny ry zalahy fa noho ny fitsitsiana io, raha ireny fitaovam-pitairizana toton-javatra lavalava samihafa @metatra maroamro ireny no entina eny amin'ny pompen-JIRAMA dia hoatrinona indray ny facture. Samy mifehy tenda sy paosy ary kibo dia OK.
    Aza maka lagy fotsiny fa ataovy izay mety

  • #17

    lorence (lundi, 07 mars 2011 16:14)

    ok jany jay matamy homana fa jay marikoriko mipetraka fa panao sy mpivarotra saosisy tsy hiforce anao , anareo gne te critika saosisy malagasy eo gasy mihaina amin ijay misy

  • #18

    gh (mardi, 08 mars 2011 13:05)

    efa impiry ianao raha ao tana mihinana mloto dre tsy soasisy avao ro fagaha misasa mraina gne panao hotely sy vary mitsagana, tsilalanao gne voretra ao madagora , zaho alo mataotra rano mangatsiaka kah fafao fotsiny ary hoy jay namako jay tao andranomanalina mpanao hotel vary masaka tsiambarako toerana

  • #19

    tsy mahita (jeudi, 14 avril 2011 14:20)

    fa ahoana no ahitana ilay sary fa zahay tsy mahita mihitsy, lay commentaires fotsiny no mipoitra eo

  • #20

    NAVAL (samedi, 28 janvier 2012 14:38)

    Za kou ts mahit anle sary

  • #21

    Rof Rock (samedi, 17 mars 2012 11:34)

    Ra8 ve tsy efa namany Maty eh?izay olona mieritreritra ny hiverenaniny de mieritreritra oe hitsangana ny maty jiaby

  • #22

    ernest (samedi, 07 avril 2012 09:06)

    ino gny iasanareo saina @ zao afaky keli2 dra mety ho sinay namboa no hanovandreo so6 satria amizao fa tsy misy sasy mpitondra.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra