sam.
31
juil.
2010
Ny fikarohana nataon'ny mpikaroka Malagasy Ramarovahiny Jean Giuliano Nicol, avy ao amin'ny JC Phytopharmacie ihany aloha hatramin'izao no voaporofo fa hahomby, tohin'ny andrana nataony tamina marary tatsy amin'ny Nosy Maorisy taona vitsy lasa izay. Tsy inona io fa ny tetikasa JMAR voka-pikarohana hitsaboana ny aretina sida.
Nidirako am-ponja ny fikarohana nataoko hoy ity mpikaroka ity satria voampanga ho nangalatra tetik'asa izy. Mpikaroka ihany no nitory azy dia andriamatoa Zaranaina.
Am-bolana no nijanonany tany am-ponja saingy nivoaka ny didim-pitsarana ny 16 jolay teo, “tsy azo raisina” ny fitoriana satria tsy mitombina ny vesatra niampangana azy.....
Tsy manaiky lembenana Ramarovahiny fa hitory an'i Zaranaina izay raisiny ho nanasoketa sy nanala baraka ary nanakantsakana ny tetik'asany.
Ankoatra izany dia manam-pikasana ny hanohy ny fikarohana Atoa Ramarovahiny, izay tsy maintsy mbola handalo dingana maro. Misokatra ho an'ny rehetra izy eo amin'ny fanatanterahana ny tetikasa. Olona miisa 200 mitoindra ny otrik'aretina sida no heverina hanaovana ny andrana faharoa. Mila milina fanisana viriosy na ny “compteur de charge virale” ny fanohizana ny tetikasa, izay tsy mbola misy eto Madagasikara. 5tapitrisa hatramin'ny 8 tapitrisa dôlara izany. Izay no nahatonga ny andrana natao tany amin'ny nosy Maurice satria any no misy io fitaovana io. Nambarany fa raha toa ka tsy hisy marimaritra iraisana eto dia tsy maintsy hanohy ny asany any ivelany izy.
Tsy hitsahatra hampita ny fivoaran'ny raharaha sy ny voka-pikarohana ity mpikaroka ity, aorian'izao fampahafantarana izao.
"MAHERY NY VOLA" io ihany no fototry ny ady satria iza no ho tompon'ny SIDA ! Amiko tokony hanelanelana ny FANJAKANA satria ny vokatra azo avieo mahasoa ny MALAGASY ary rehareha hoan'ny GASY.(Atosika,ampiana izy roalahy dia hita eo izay MARINA).Asa omena firenen- kafa indray ny fahaizan'ny tena?
Mahavariana ny fihetsinky ny mpitondra fanjakana teto hatramin'izay ka hatramin'izao ny amin'ny tsy fanomezan-tanana ny mpikaroka toy ireny. Raha hita fa hitera-bokatsoa hoan'ny firenene Malagasy tokoa ny fikarohana ataon'izy ireo dia inona no manakana ? Sa ve tsisy ihinanany ilay tetik'asa dia tsy mahataitra azy ireo ?!
