sam.
31
juil.
2010
« Manome tosika ho an’ny dinika hifanaovan’ny samy Malagasy ny tenako, ary maniry ny handraisan’ny rehetra anjara amin’izany. Entiko any amin’ny fivorian’ny SADC izay rehetra vokatry ny fihaonana natao teto, ka ho hita eo ny fanapahankevitra momba an’i Madagasikara ». Midika ve io teny nataon’ilay mpanelanelana vahiny io fa manome tso-drano ny dinika santatra izy? Tsapany ve fa tsy mandray anjara daholo tokoa ny hery politika eto amintsika ? Samy afaka mandika izay azony handikàna izany, fa ny tsy azo lavina dia fiandrandràna ny sehatra iraisam-pirenena ihany no tena antony hanaovana ity dinika samy malagasy ity. Inona no antony hilazan’i Zandrikely fa manaiky izay tapaka mandritra ny dinika izy? Maninona no Ingahy iny no nanambaràny izany fa tsy ny malagasy rehetra? Manonofy antoandro izay mihevitra fa tena fivoahana amin’ny krizy no fototry ny dinika atao. Paik’ady io. Paik’ady hanangolena ny mpanelanelana sy ny sehatra iraisam- pirenena mba hanamafisana ny fahefana efa ananan’ny mpitondra ankehitriny.........
Firifiry ny tetika natao handrebirebena ny mpiray tanindrazana sy ny vondrom-pirenena mpiombon’antoka amintsika hatramin’izay herintaona sy tapany izay ? Iza no tsy nahatsiaro ireo voambolana isan-karazany teto izay? “Feuille de route”, fampiharana ny satan’i Maputo, fifidianana, antenimieram-panorenana, conférence régionale sy nationale, teny ifampieràna, fitsapan- kevi- bahoaka, sns… Dia tonga eo amin’ny dinika santatra. Fa mbola io isika mivandravandra sy mitanatana vava miandry ny tapaky ny volana aogositra indray, satria ataotao fahatany izy ity fa mbola miandry ny hevitry ny any ivelany hatrany io. Dia inona indray no atao, satria tsy nahazo izay fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena indray ity fikonokononantsika samirery ny olantsika ity? Ho lany olo-marina, olo-kendry sy olo-manga no hiafaràn’ity tanindrazantsika ity. Tsy hisy sahy hiteny sy hanitsy intsony fa ho lasa mpitan-damba fotsiny. Dia izany tokoa ve no fahombiazana mampirehareha ny mpitondra? Hiandry fahatongavan-tsaina avy aiza? Efa mazava fa DISO PAIKA ireo mitonona ho mpitondra, ka andrasana fotsiny ny kiribiby ataony. Efa tsinjo mialoha fa tsy ho afa-bela kanefa dia avela hanadala ny saina amam-panahin’ny mpitazana? Tsy mitovy ny vato am-pelatanan’ny mpifanandrina rehefa mifampihinam-bela izy ireo. Ny vitsy vato no lazaina fa mampihinana, ary dia aripany tokoa rehefa anjarany amin’izay no mitarika ny lalao : Vato miisa 5 sy 22 ve dia hifandanja hoy mpitazana ? Tadidio fa rehefa tsara paika ny ankilany, dia resy hatrany ny mihinam-bela, tsy afa- bela. Dia io ny tetezamita fa mihinam- bela, tsy mety ho afa-bela. Atao daholo izao paika rehetra izao fa dia resy! Resy tompoko rehefa mbola tsy mahadingantatatra ihany hatramin’izao. Hanoko vato indray! Tsy mety ho leom-boan’anana, sanatria toa manao lalan-kitan-kisoa… Ony RAMBELO