sam.

31

juil.

2010

Filoham-pirenena atsy ho atsy: Mailhol sa Rajaonah ?

Tsy tanteraka ny toky fampanantenana nataon’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka nidina an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey tamin’ ny 2009 izay mifototra amin’ny fitakiana ny fanatsarana ny andavanandrom- piainan’ny mponina mba tsy hahatonga azy ho difotry ny fahantrana sy miaina ao anaty fitaintainandava amin’ny fiheverana ny aniony sy ny ho avin’ny ankohonany vokatry ny nafitsoky ny fitondrana nifandimby hatramin’izay. Nohon’ny herim-bahoaka dia voatery nametra-pialana Ravalomanana, mpanao ampihi- mamba sy jadom-pitondrana. Nantenain-kanova ny fomba fitondram-panjakana Atoa Andry Rajoelina, kinanjo ny fanohizana ny Fanjakana “ continuité de l’Etat “ araka ny fanaon’ny teo aloha ihany no nitondrany ny pôlitikany dia ny fandrobana ny harem-pirenena toy izay manjo amin’ny “bois de rose”, ohatra, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana miharo famonoana amampandrobana, ny fitomboan’ny fanakanan-dalana ataon’ny andian’olon-dratsy, ny fidangan’ny vidim-piainana izay isan’ny mitarika ny firoboroboan’ny halatra sy ny vono olona, ny fiankinan-doha ka isan’izany ny fitavandrana ny fankatoavana iraisam-pirenena hatramin’izao, ka mahalatsaka ambany ny hambompom- pirenena, tahaka iny fandefasana miaramila nanao matso tamin’ny 14 Jolay tany Paris iny, ohatra.............

Ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana nifandimby no notohizan’ny Fitondrana Andry Rajoelina, fa tsy nanova sy / na nanantateraka ny toky fampanantenana nataony teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey izay nahazoany ny fahefana ara-drariny izy. Ny Maputo, Addis-Abeba, sns nampaha ara-dalàna ny fitondrany efa notsipahiny. Rehefa niziriziry nanao ny Maputo, Addis-Abeba, Prétoria sy izay mifandray amin’izany izy dia veriny ny ampaham-bahoaka nanome azy ny fahefana aradrariny, satria tsy ny antony nidinan’ny vahoaka an-dalambe intsony no nifotorany fa ny fanamafisana ny sezany. Izany no fanohizana ny Fanjakana “ continuité de l’Etat “ ho an’ny mpitondra ankehitriny. Dia vao mainka mitombo ny fahantrambahoaka. Tsy misy hirika ahazoana mitaratra vodilanitra vaovao mitondra fanantenana mihitsy ny Fitondrana Andry Rajoelina. Ny fihomboan’ny fahantram-bahoaka aza no mivandravandra rehefa dila ny fetim-pirenena teo iny izay nanaovan’ny Fanjakana fandaniana mihoa-pampana. Ny tsy fananana foto-kevitra mazava tsara itondrana ny tany sy ny Fanjakana fa fiovan- kevitra matetika mampihena ny fitokisan’ny vahoaka, ka isan’izany, ohatra, izao fanekena ny fahatongavan’Atoa Joachim Chissano izao indray mba hamitrana ny raharaha pôlitika malagasy, hono .Tsy tafita mihitsy ny firenena. Aoka hahatsiaro tena ny Filoha Andry Rajoelina fa ny finiavany hanohy ny rafitra nolovana tamin’ny fitondran- janatany ary nohatevenin’ny fanontoloana dia mametraka azy eo amin’ny Tantara ho tomponandraikitra voalohany amin’izao fikororosiana fahan’ny fiainambahoaka amam-pirenena malagasy izao.Mialà ianao Atoa Andry Rajoelina. Araho ny fahendren’ny Jeneraly Ramanantsoa fahiny.Tsy midika kosa izany ho famelana ireo “mouvances” telo hafa hitondra indray ny tany sy ny Fanjakana. Efa nitondra ireo ary dia naloam-bahoaka. Misy aza no nanodinkodim-bolampanjakana ary efa namono olona tambabe “ génocide “ amin’izy ireny. Miandry azy ireny ny fitsarana tsy miangatra, fitsarana ady heloka be vava. Ankehitriny mivondrona ireo antoko pôlitika samy nila ho azy teo aloha. Toraka izany koa ireo ao amin’ny f i rai samonim-pi renena. Samy miankin-doha amin’ny any ivelany ireo. Voaterin’ny tompony mpamatsy vola azy avy handrindra fihavanana ry zareo hangejena indray ny vahoaka malagasy amin’izao 50 taona faharoa izao.Paika aman-tetika hanamafisana ny rafi-pampahatrana izany. Efa ela ny Otrikafo no nanambara fa manana fijery hafa ary lamim-pandaminana ara-piarahamonina amantoe- karena vaovao tsy mitovy amin’ny teo aloha hitondrana ny tany sy ny Fanjakana izy. “Fitiavan-tanindrazana sy Tsy Fiankin-doha amin’ny any ivelany” ary “Fanandratratana avo ny Fiandrianam-pirenena” no ifotoran’ izany. Ho fanafahana ny firenena difotry ny krizy ary milomano ao anatin’ny fahantrana tanteraka, ampanetren- tena no ilazan’ny Otrikafo fa vonona hitondra Fanjakana izy, raha izany no takin’ny vahoaka tia tanindrazana tsy miankin-doha. Raha ity finiavan’ny otrikafo hitondra firenena ity, dia mety hifaninana amin’i Pasitera Mailhol izy. Ka iza amin’izy roalahy ireto ary no hitondra voalohany ny firenena ? B.V

écrire commentaire

Commentaires: 9

  • #1

    Dénise Rabe (samedi, 31 juillet 2010 14:01)

    I Andry Rajoelina ihany no Filoha azo antoka e!

  • #2

    sareraka (samedi, 31 juillet 2010 21:58)

    Pierrot RAJAONARIVELO no efa homanindry zalahy eo raha ny fahitanay vahoaka azy.

  • #3

    mahavita (dimanche, 01 août 2010 09:56)

    raha mpitondra fivavahana aloha na iza izy na iza dia tsara aminy ny mianona amin'io nanirahan'Andriamanitra azy io fa tsy hiditra lalina amin'ny lafiny politika. Raha ny ho mpitondra Firenena indray dia aoka mba ho olona tena mieritreritra sy tena manana ny kolontsaina tena malagasy no hiakatra eo amin'ny fitondrana fa tsy olona mieritreritra amin'ny teny vahiny vao adika teny malagasy ny tiany hazavaina.Ny tiako lazaina dia izao,na aiza ianao na aiza dia ny maha malagasy anao aloha vao ny maha manampahaizana anao fa tsy ,ny mifamadiaka amin'izay.Izay fifamadihana izay daholo manko ny ny nisy teo hatramin'izay hany ka tsy misy mandeha amin'ny tokony ho izy ny ataony fa afomololo fotsiny.

  • #4

    tafika (dimanche, 01 août 2010 13:46)

    voce popoli voce dei
    vive madagascar

  • #5

    jacta (dimanche, 01 août 2010 19:18)

    Io na iza na iza HIMENOMENONA eo, fifidianana ihany dia ny vahoaka no mandany azy, rehefa lany IZY "ataony fitaovana amin'izay ilay vahoaka ,ny paosiny sy ny fianakaviany ary ny akamakama no IMASOANY(ataony)".

  • #6

    sandoka (dimanche, 01 août 2010 21:47)

    miala any ndray ny Pasitera sandoka sy ny PARANOIA-ny!!
    very a adagasikara

  • #7

    rabary (lundi, 02 août 2010 14:21)

    Fifidianana ihany é!!! ireo matahotra fifidianana angeh ireo mitarika lavareny ny krizy ireo é

  • #8

    tsy aritra (mardi, 03 août 2010 18:00)

    Ity zavatra iray ity mba tarafina:"ao amin'ny toka-trano iray dia misy mpivady,ndao atao hoe telo ny zanany ary manana taiza roa sy mpanampy iray ry zareo".Ndao atao hoe samy miasa rangahy sy ramatoa.Inona no zava-misy?Voalohany aloha ny zanak'izy mivady dia any amin'ny sekoly andoavam-bola no ampianariny,ireo taizany any amin'ny sekolim-panjakana.Ny mpisa manao ny raharaha rehetra na antrano na antokotany ary mizaka ny tsy eran'ny aina mazàna.Ao antokatrano indray na dia ny hanina hohanina aza dia iangarana foana ny tena zanaka.Dia mieritreritra ve ianareo fa raha zavatra tokony hahasoa ny zanany dia ilay mpiasa no omeny azy?Dia izay ilay tarafina eo amin'ny Firenentsika,tonga eo amin'ny fitondrana ary rangahy dia "ny fianakaviany sy ny akamakama no solon'ny zanaka sy ny taiza fa ny vahoaka kosa no mitovy amin'ny mpiasa antrano".Dia araka ny hevitrao inona no raharaha handeha amin'izany?Efa hatrany ifotony mihintsy ilay aretina ka anjarantsika no mandinika izay tokony hatao fa raha samy vonona hanova ny rafitra ao anatin'ny toka-tranontsika isika dia mandeha ho azy ny manova ny FIRENENA.

  • #9

    MAHIRATRA (vendredi, 24 février 2012 21:21)

    rediredy sy fandrebirebena ny resaka tahaka izao.Rehefa voakarama na voavidy dia tsy afaka manao jery atrika (fausses analyses).Foronona daholo izao eritreritra tsy misy fahalalàna ny zava-marina na minia tsy ahafantatra ny marina.Tsy fahefana ara-drariny ny any i Rajoelina, tsy fahefana nomen'ny vahoaka, fa fahefana azony tamin'ny fanonganampanjakana, fahefana norobaina (usurpation), nalaina ankeriny (violation).Izay manaiky sy mankato izany fahefana izany dia anisan'ny mpampahory sy mpamono ny malagasy ary mitsentsitra tahaka ny dinta ny harem-pirenena.Mahafinaritra izay te-niteny izany ny filazana ny hoe Mailhol ve ho président! Aza adino fa Mailhol dia mpaminan'ny mpanongampanjakana dia Andry Rajoelina.Mnodikodina vatana amin'ny alàlan'ny fampandihizana no hainy fa tsy ny fitondram-pirenena.Diso paika izy ary matiantoka bevava.
    Aleo Rajoelina, Mailhol ary Rajonah no hifampijery.Mahiratra izao ny vahoaka ka tsy hitsambiki-mikimpy.
    MAHIRATRA

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra