sam.
31
juil.
2010
Zatra tolorana fotsiny ny ankizy sy ny tanora Malagasy amin’izao fotoana izao ka tsy mahavita maneho fikarohana fahalalàna ho azy manokana ka mba ahafahany mifehy ny fanjohin-kevitra hiatrehany ny fanadinana. Raha ny fanandinana BEPC vao nolalovan’ny zaza malagasy teo no iverenana kely, dia sahirana ny tanorantsika amin’ny famaliana sy famoronana fehezan-teny tena mahalaza ny valiny manakaiky kokoa ny tena marina. Tsikarika izany tamin’ny taranja Malagasy, Frantsay, ny Fahalalana ny zava-boahary sy ny toetany, ny tantara sy Jeografia......
Tamin’ireo taranja siantifika mila kajikajy kokoa indray dia misavoritaka fotsiny ao andohan’izy ireo ny raiki-pohy isan-karazany ka tsy misy mahafolaka tsara ny tokony hampiasàna izany, hany ka mivilana any amin’ny tsy izy ny valim-panontaniana atolony. Raha ny salan-taonan’ireo mpiadina kosa anefa dia midina hatrany izany satria misy voatavo tsy mifandraka vao roa 12 taona niatrika ity fanadinana ity. Raha izany no hitarafana ny fahombiazana dia kely mahay indray izany ny tanorantsika? Mahay fa tsy mahafolaka ny fahalalàna sy fahaizana ananany hiatrehany ny fanadinany. Firifiry amin’ireny tanora ireny moa no mahafehy tena mba hitsidika tranom-boky? Hijery sy handranto fahaizana amim-pahalalàna amin’ny aterineto? Be loatra koa ny elanelana amin’ireo tanora any ambanivohitra sy ny ety an-tanan-dehibe. Lalina loatra ny hantsana manasaraka ny zanaky ny mafy ady sy ny manan-katao. Dia azontsika an-tsaina amin’izany fa maro an’isa sy mbola betsaka ny zaza malagasy donton’ny fiainana an-davanandro ka zara raha manan-ko lazaina rehefa tojo ny fanadinana iraisana. Raha mbola tsy mifototra amin’ny zava-misy iainan’ny tanorantsika ny rafi-pampianarana eto dia mbola hihadonto hatrany ny zaza malagasy. Tsy hahay hitondra sy hahafolaka ny fiainana fa hijanona fotsiny amin’ny famolavolana mpiasa madinika any amin’ny orinasa isan-karazany. Tsy ho mpitantana fa ho tantanana. Dia aza gaga raha tsy hahay hiady hevitra sy hikarojava- baovao fa hampiasa sandry sy be manaiky fotsiny. Na izany aza dia mirary fahombiazana ho an’ireo efa nahavita ny fanadinana sy ireo mbola hiatrika izany atsy ho atsy. Ny valala aza, hono, tsy azo raha tsy handrina ilika e!, ary tsy nisy nahay tany ankibon- dreniny fa na ny mitantsotro aza hianarana. Ony RAMBELO
henjana kooa ity Ony Rambelo ity raha hanoratra amin'ny fomba hafa tsy de mahazatra an! tena donto ny tanora ankehitriny raha atao ny kaonty e! tsy manana fahalalana hiatrehana ny fiainana: hany ka miandry mana hianjera avy any an-danitra. Asa raha azon'ny mpitondra ny tena tian'ity Rambelo ity ho lazaina?
NY ankizy ve no donto sa ny mpanao sy mpandrindra ary ny tompokevitra ao amin'ny fampianarana no tsy mahita ny tena tokony ho izy?
Amiko tsy misy olona donto izany. Ny olana dia:
- tsy fantatra tsara ny toetsin'ny ankizy tsirairay: andrikitr'iza izay?
- tsy mahavoa ny mpiaroka eo amin'ny ankapobeny fa baikon'ny vola sy politika: Banky iraisampirenena, FMI, Filohampirenena...
- tsy afaka mivelatra tsara ny mpampianatra: karama kely,tsy misy fiofanana azo antoka, tsy misy politikampampianarana tena mifanaraka amin'ny filan'ny malagasy;
- ny vola no mibaiko ny fianarana hatao: ohatra ny mamampahaizana amin'ny fambolena ohatra dia olona tsy mahalala izany ho fambolena izany no betsaka manao izany fianarana izany fa zara raha misy
zanaka tantsaha inona no vokatra hantenaina amin'izany rzhzfa tonga ny fotoana ilana azy, mamorona ONG fotsiny, lasa mpiasa birao sa angady koa ny sitialo...
An'isany ireo fa mbola maro fa aza ny mpianatra no atao hoe tsy mahay. Ny mpitondra nifandindy no tsy nahay voaloahany eto.
Omeo ny hasina sahaza azy ireo Mpampianatra ireo fa ireo no ho avin'ny Firenena.
Misy fiovana tokony hatao eto ary fotoanany izao nefa... ny olondehibe tsy mahazaka resy no tena olana eto ka dia io miverimberina io ny olana iainantsika. Raha mahay maka lesona ny mpanao politika
fa tsy mpanao "bizna" dia hiverina hahay ny mpianatra: satria milamina tsara ny FIrenena.
Ny "programme fianarana" eto madagasikara mitsy no tsy dinamique sy varié e! Terena fotsiny hoe io ny angalana diploma dia io no atao tsinjery masiso... Normal raha mety hoe 12 taona dia afaka Bacc.
Fa afaka ny hiatrika ny fiainana marina vé izay 12 taona nahazo Bacc???
Ny programme hoe pratique sy sur terrain tsy misy, voyage d'études e! blabla! mandany vola fotsiny nefa revy fotsiny no atao any.
Tsy misy ny programme ohatra hoe misy fianarana parascolaire: mécanique, cuisine, éducation civique ...sns
Ka ataoko angamba hoe "miha tsy mivaky loha, kamo sy tsy tia karokaroka ary mpandray vonona fotsiny ny ankizy amin'izao" nohon'ny fampianarana sy mpampianatra tsy "mivôtra" mitsy
Mivarilavo ny fampianarana malagasy, maro ary tena maro ny antony: ny firenena tsy milamina,ny programa fampianarana tsy mandeha amin'ny tokony ho izy izany hoe tsimisy rafitra mazava,miovaova araka ny mpitondra eo(betika gasy betika vazaha ny fampianarana);sahirana ny mpianatra. Manampy an'ireo ny mpapianatra tsy ampy any ambanivohitra, sekoly torak'izay koa. NDAHALO(malaso)manampy trotraka,mivangogo andrenivohitra ny mpapianatra,tsy miditra an-tsekoly ny any amin'ny tany lavitra Andriana."AHOANA NO LAZAINA FA MIHA-DONTO NY AN-KIZY ANKEHITRINY" tsy fidiny aminy...
Mampalahelo tokoa ny zaza Malagasy,ny Malagasy mintsy satria dia fampianarana natao hanompo no eto,tsy hatao mahagaga koa anefa fa olona toa tsy manana niveau bacc akory dia mipetraka @ sezan'ny filoha HI!HI! di mi-salut an'io ny be bokota sy kintana ary ireo heverina fa mba nandia fianarana ambony eto @firenena tena loza é ka inona no azo antenaina eé
Aza misaina toy izany, fa raha ohatra ianao mahay io mba manadrama hoe mamory olona raha hahazo tanana ila.Ianao aza tsy mahay manoratra teny malagasy akory sady mihinana vary amin'akotry (Français sy malagasy miaraka) mampalahelo.Ianareo ireto no tena fanetriben'ny Firenena sady tsy vazaha no tsy Malagasy.
mba sendra nandalo teto aho no nahita ity lahantsoratra ity. Misy fahamarinana ihany ny voalazan'ny mpanoratra, ihany hoy aho satria ny fomba fampianarana sy ny rafi-pianarana eto amintsika mihintsy no mila miova. Lasa toy ny fampianarana any @ anjerimanontolo ny fampianarana na dia any @ ambaratonga ambany aza. Tsy dia mifantoka loatra @ tena fahaizana ny taranja ny fampianarana fa toa atsipy fotsiny, indrindra @ taranja fifehezana ny teny na mila famaliana @ fehezanteny (Malagasy, Frantsay, Anglisy. taranja siantifika toy ny fandalinana ny zava-boary, ny 'philosophie' etc...). Ny antony voalohany dia ilay fomba fampianarana ihany, eo ihany koa anefa ny tsy fahampiana fototra @ fitaovana afahana mivelatra sy mandalina izany eny anivon'ny kaominina tsirairay toy ny boky fampianarana na fianaran'ny ankizy ary ny tranom-boky('bibliotheque, espace de lecture') manampy izany.
samy miaky sy maatsapa ny reetra fa miha-donto ny ankizy e! fanatatra koa fa samy manana ny lazainy hoe donto. Ny sasany dia ny famorian'olona no atao hoe maranitra? ny teny vahiny? ny teny gasy? Ny dont resaana eto anefa dia tsy ireny, fa hoe mahay miatrika ny fanadinana sy ny fiainan-ko aviny ve ny tanora? sa tsy zany ry mpanoratra?
Raha mamaky ny lazaiko ery ambony ianao dia tokony hijery tsara hoe inona ny olana eto Madagasikara?
Lazaiko fa fandrefesana ny tiana hatao ny fanarahan'olona ny hevitra aparitakao.Manaraka asa ianao na niaina teto antoerana ihany na minia mikipy na tena tsy tehahalala fotsiny izao, fa raha tsy ny
farimpiainan'ireo mpampianatra ireo no miakatra,ny filamianana no manjaka,ny tenindreny no ampiasaina ary ny Malagasy amin'ny ankapobeny no manana farimpiainana ambony tsy hiakatra izany ny
farimpahaizana.
Raha ny fahitako anao (izay vao hita) dia tena olona tsy nahalana,tsy mahalala ary tsy hahalala izany hoe fahasahiranana izany.Rehefa sahirana ny ray amandreny dia misy fiatraikany any amin'ny
fianarana izany satria tsy mitobina ny sain'ny mpianatra, dia inona vokatra avy eo? Omena tsiny ve ny mpianatra, amiko aloha dia ny mpitondra no olana voalohany satri tsy mahalala ny tena zavamisy
marina. Nahoana hoy ianao no ilazako izay? Tsy hisy fandrosoana izany eto raha mbola olona tsy afaka ny hampiseho ny tena maha Malagasy azy ny mpitondra, ary izany dia manomboka eo amin'ny fomba
entina miserasera dia ny fampiasana ny teny Malagasy izany.
Efa saika tapitra hitako daholo ny toreana eto Madagasikara, hatrany amin'ny lavitra indrindra (be dahalo, be dia tongotra...) ka izay ny fahitako azy.
mba mahaiza mamaky tsara ihany koa ramahiratra fa tsy mijery vilana nefa milaza fa mahiratra. Donto ny ankizy. Izay no zava-misy. Ny antony nahatonga izany dia itoviako hevitra aminao.
tsy ny tenin'olona no ampiasaina dia oe mahay
ary tadidio fa donto mila mikaroka ny ankizy, fa tsy ailaka fotsiny amin'ny sasany ny hahavendranana
ianao tsy niaina fahoriana toy ny tamin'ny andronay, taratasin-t ciment io no nanoratana, kapa fingotra no nentina nianatra;
jero tsara iny nanjo an'i lesabotsy am hiran'i fanih iny.
donto le zaza kanefa nisafidy ny hitaingin-tsarety fa leo. de avela eo saria kely karama le ramose?
asa ze any antsainao any. donto oa.ary mila miezaka na iza na iza mpitondra antsika, na iza na iza mampianatra, na iza na iza manao ny programa ? AZO?
Marobe ny olana sedrain'ny mpianatra no mety mahatonga azy toy izao lazaina hoe donto izao.Ny programam-pampianarana miovaova,ny fahantrana isan-tokonam-baravarana,ny mpampianatra misy manao halasafay fotsiny,ny boky na bibilioteka tsy misy...koa tsy mahagaga raha mivaralila ny fahaizana.
Ny zavatra iainana mihintsy no mila hamboarina , tsy ny any am-pianarana fa hatrany an-trano dia eny @ Fiaraha-monina . Mila mifanaraka ireo dia milamina ny toe-tsaina ny ankizy mianatra.Ny tena Olana koa dia ny rafim-pampianarana koa no ovana foana ze misy mpitondra mifandimby eto . hany ka tsy mimpetraka tsara ny zavatra tiana hatongavana. Eo ihany ny fandrosoana zay mahatonga ny ankizy kamo hampiasa saina eo @ calcul ohatra misy ny tel amchine à calc de kamo ny ankizy hampiasa saina, atao fitaovana hanaporofo ireny fa tsy fitaovana ilaina raha mbola mpianatra aty @ classe secondaire ...
Amiko manokana dia eran-tany io olan'ny ankizy io. Raha jerena ny fahatrana eto amintsika dia toa hoe io no tena fototra tsy mampahay ny ankizy, nefa raha tazanina ny fisian'ny tanora sasany maharaka
tsara ny teknolojia ankehitriny dia mbola mametra panontaniana ihany hoe : toa vao mainka tsy mampahay ny ankizy ity izy ?
Raha manao jery todika ny tany aloha fotsiny anefa, tsaroana fa na ny calculatrice aza anie ka tsy azo nampiasaina fa ny atidoha no milina tena nanodina ny fahaizan'ny malagasy, feno hipoka hatrany
ny t rano famakiam-boky : na ireo ankizy mianatra na ireo ankizy mikaroka. Izao anefa inona no tsy eo ampelantanan'ny mpianatra ? ary inona no tena vokany eo amin'ny lafim-piainany rehetra ? vao
mainka tsy mahafehy ny fandrindram-piainany ny tanora maneran-tany fa tsy ny zaza malagasy ihany. Dia vaky volana ianao hoe tena miha donto ny ankizy ankehitriny ! raha any amin'ny toerana misy
famakiam-boky, hary fitaovana izao aza (ho an'ilay nilaza hoe tsy misy ny tranom-boky eto amintsika) dia lazaiko fa malahelo ianao hoe zaza roa no hitanao ao, nefa andro tsy fianarana, olon-dehibe
azo isaina no any @ faritra natokana ho azy ireny, nefa fotoana tsy fiasana na vakansy. Noho izany, ny toe tsain'ny ankizy mihitsy no tena voa fa tsy mifantoka amin'izay tena tokony hifantohana. Na
izy manana na izy mahantra, na izy amin'ny tany mandroso na izy amin'ny tany mahantra.
Amiko dia ity fanovaovana lava ny rafitry ny fampianarana ity no tena fototra, samy te hiseho ho dadany daholo izay tonga eo na aiza na aiza.
Faharoa, tsy omena ny hasiny sy ny lanjany sahaza sy tandrify azy ny mpanabe hatrany @ garabola izay miantoka tanteraka ny ho avin'ny taranaka aty aoriana, nefa izy ireny koa mba mitady ny hanana ny
tsaratsara kokoa hatrany, inona no homeny raha tsy manana izy ?
Fahatelo, raha tena samy tia ny taniny amiko ny mpitondra misy hatraiza hatraiza, dia any amin'ireo tompon'ny ampitso ireo ihany no lakile voalohany. Ampandeferiny avokoa izao sy izao tsy
hahatongavana eny @ volana rehetra ity.
Ny sasany aza moa dia lany andro lava mitaky ny zony, nefa anaovan'ny ankilany be marenina. Dia mifampirirotra lavareny eo, dia iza no lasibatra ?
na te hahay sy te hianatra aza ny tanora, lasitra toy izany no hamolavolana azy ?
Ratsy ny vokatra aty aoriana, dia mbola lasibatry ny hoe zaza donto ny ankizy ?
Tsy mahafehy ny asany ny tanora mahavita fianarana, mivangongo ny manampahaizana tsy an'asa noho ny rafitra misy sns... dia manontany tena ny tanora sy ny ankizy ary tsy homena tsiny : atao inona ny
fianarana raha ho chômeur aho avy eo ?
Fehiny, ny politika @ lafiny rehetra mihitsy no tsy mamely,
Jereo fotsiny, atao inona fiara maro mitobaka eran-tany ity sns marobe, izao vao misahoataka daholo @ resaka fiarovana ny tontolo iainana, efa tara loatra ! Koa raha mba nolaniana tany @ fanatsarana
ny fampianarana sy ny fitaizana ary ny fitsaboana ny vola sy fahalalana teo ampelantanana, angamba mba ho hafa ahay ny tany.
Ny tena marina dia tsy misy valeur ho an'ny olona intsony izany resaka izany fa samy nirefarefa tany @ hoe izay itoeran'ny vola no tompon'ny hery sy tanjaka ka tsy maintsy andrianin'ny olona sy
tompoiny, ka na ny ray aman-dreny aza dia roboka ery nandefa hianatra haingana ny zanany mba ho tafavoaka haingana dia hiasa haingana dia hanambola haingana, na dia hita aza fa misy lesoka ihany
ireny kely mahay ireny, satria ny fiainana tsy diplôma fotsiny !
Hany ka na te hiverina ilalana aza ankehitriny noho olana maro naterak'izany hevitra diso rehetra izany izay mitondra eo, dia ny toe-tsaina mihitsy no efa voa ka mandova ratsy ny mpianatra ary tsy
mahagaga raha toa ka toa lasa dondrona sady donto tokoa ny ankizy ankehitriny !!!!
