sam.
31
juil.
2010
Sehatra iray ifanaovan’ny olon-droa fangalam-piery amin’izao fotoana izao ny fandrosoan’ny “internet ”. Saika henika azy avokoa ny boaty manokana amin’ny mailaka an’ny tanora. Tsy ny tanora samirery ihany koa fa na ny efa mahazo taona aza dia roboka. Na eo aza ny rivo-pitiavana entin’ny “internet” dia tsy misy mahaleo ny mivantana ihany aloha hatreto. Tsy vitsy ireo olona diso fanantenana vokatry ny fifandraisana amin’ny olontiana anaty “internet”. Tsy misy fihaonana mivantana fa soratra sy sary hatrany no ifandefasana. Mandeha eo avokoa ny fampanantenana sy ny toky fitaka ary ny fampandriana adrisa isan-karazany. Misy amin’izy ireny mihitsy aza no efa manan-tokantrano, nefa mamitaka ny hafa, milaza ho mpitovo......
Maro ihany koa ny vehivavy miandrandra lehilahy bôgôsy, manan-katao, be tambitamby, marani-tsaina, be fitiavana ary mitsiriritra izany, mihevitra ny hahita azy amin’ny « internet ». Rehefa tonga tokoa ny fotoana hihaonana vao mivarahontsana fotsiny eo. Mila miatrika ny zava-misy ny tsirairay fa tsy mijanona any amina tontolo feno nofy entin’ny kiresadresaka anaty rivotra fotsiny hatrany. Hafa kokoa ny fihaonana mivantana, indrindra amin’ny fotoana voalohany. Hafa mihitsy ny fahatsapana ny fidoboky ny fo, ny fanamboloana ny fofony, ny fandrenesana ny feony. Matotra kokoa ny fifanakalozana sy ny fifampizarana rehefa mivantana no nifankahalalana. Mampivelatra kokoa ny fifandraisana anaty fiarahamonina rahateo ny tsy fijanonana lalandava ambadiky ny solosaina.