ven.

30

juil.

2010

Tsy momba ny atsy sy ny aroa

Tsy momba ny atsy sy ny aroa, tsy mitongilana, tsy manana antoko na olona tohanana…Teny Malagasy afaka manazava ny « neutre » na ny « neutralité » izany. Azo ambara ho mazava tsara ireo teny gasy ireo, izay midika ho fisian’ny zavatra roa samihafa dia ilay « atsy » sy « aroa » ka eo afovoany no misy ilay olona na zavatra na teny ambara, ka tsy mikasoka sy tsy mifandray tendro amin’ireo mihitsy. Izay indrindra no tadiavin-dRamalagasy ankehitriny. Efa leon’ireo mpanao politika « atsy » sy « aroa » ireo ny Malagasy ka mila olom-baovao izay antenain’izy ireo fa tsy homba na iza na iza. Toa tsy misy mihitsy anefa izany ary toa tsy hisy mihitsy angamba. Fiteny malaza koa ireo rehetra ireo tato ho ato mikasika an’ireo fijoroan’ireo « ray aman-dreny » sy « fiarahamonim- pirenena » ary ireo olon-tsotra izay milaza azy ho tsy momba ny atsy sy ny aroa. Sarotra ny manaporofo izany, indrindra ka raha endrik’olona efa fantatra hatrizay teto amin’ny tontolon’ny politika Malagasy na tontolon’ny raharaham- pirenena no ao anatin’izy ireny. Mahiratra ange ny Malagasy ka mahita sy mahatsikaritra izany e !...........

Hatao ahoana tokoa moa ny hino izay voalazan’ny olona efa toy izao sy toy izao tany aloha. Tsy mahalala afatsy fitsarana ivelany ihany mantsy Ra-Malagasy very fanahy mbola velona noho ny krizy mianjady aminy. Hany ka maro no mbola mihevitra fa tsy hahatafavoaka amin’ny krizy akory izany, satria amin’izy ireo dia tsy voahaja tanteraka ilay tsy momba ny atsy sy tsy momba ny aroa. Koa raha toy ny mitady « gisa mainty » ny mikaroka ireo olona na vondron’olona tsy momba ny atsy sy ny aroa ireo dia soso-kevitra ihany ny anay amin’ny tokony hakana solontena iray na roa avy isaky ny hery velona rehetra, ny hery politika rehetra, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo tsy voatanisa etoana ka mihevi-tena fa manana andraikitra goavana amin’ny famoahana antsika ao anatin’izao krizy izao dia atambatra ho iray mba hikarakara ny fampihaonana isan-karazany sy fanelanelanana maro samihafa amin’ireo tsy mitovy hevitra sy tsy mitovy firehana politika. Mety hahasolo an’ilay « neutre » sy « neutralité » angamba izany. Atsipy ny tady any an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.

écrire commentaire

Commentaires: 5

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 30 juillet 2010 11:32)

    Ho anay aloha dia zavatra mahasoa ny firenena ity dinika santatra ity ary tohananay hatramin'ny farany. Asakasak'ireo tsy mandray anjara. Io manko arakaraky ny tsy fandraisanareo anjara no vao mainka hampahalava ny tetezamita entinay koa tohizo ny tsy fandraisana anjara, fa vao mainka mampitombo ny fahefana hanananay mpankafy ny HAT izany!

  • #2

    sareraka (vendredi, 30 juillet 2010 16:11)

    Ié tohizo sy ataovy eo ny dinikareo ry Denise a!Hirariana ny amboletra sy ny mokondohanareo hahavaha ny krizy e!Izahay ve moa mahay inona fa araka ny fijerinay vahoaka dia mila mifanaraka ireo mpanao politika vao miravona io kanefa raha voavahanareo irery dia bravo Denise Rabe ary mety fidianay ho filoha mihintsy e!

  • #3

    beloha (vendredi, 30 juillet 2010 18:27)

    mety dol ze kozy miainga eto kanefa aoka ho tadidintsika fa litizin'r8 sy ilay donto kely ity afera ty. Ka miresaka amin'ny donto moa rey olona dia miara-donto aminy eo raha vao mihanahana. tsy mora aloha izany entin'ny adala sy kentrina izany e! miara-domelina tokoa ve nefa sa mba tsy te-hiteny ny ankamaroan'ny ol? Tsy miteny fa miandry ny tournan X.

  • #4

    NY HENDRY (vendredi, 30 juillet 2010 19:39)

    Toa efa tena DISIKA LOAKA loatra izy ity teny ifampiherana e!;dinika santatra e!! dia inona indray ny manaraka REHEFA TSY I R8 SYI BOAY KELY no mifanaraka tsy ho tafavoaka mihintsy ny bolina KA ALEO MIFANARAKA @izay mety hitondrana ny TETEZAMITA SYNY FIFIDIANANA AO ANATIN'NY FOTOANA FOHY diamilamina io FA TSY LANY ANDRO MIKABARY ENY AMORON-DRANOMASINA FOTSINY

  • #5

    rabary (lundi, 02 août 2010 16:51)

    Aleo hitohy @zao foana dia ho hitantsika eo zay valaka é,mamangy @ fahoriana ho an'zay nanohana an'io DJ tsy manana niveau io akory nefa tsy mba lasa kalabe!!! hi!hi fanararaotana izao fa mibànaka é mino aho fa miara-mihinana bois de rose aminy daholo nareo teny @ 13mai sady tafa tafa dôlo isika ety ambany tanàna ,,dia ataovy betsaka ny tahiry amin'zao nareo lasa favy zao... mila lazon'ady ny miady amin-dRavalo fa tsy fananana basy FIS sy CApsat fotsiny dia hoe inn!!! mazotoa é

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra