ven.

30

juil.

2010

Marary ny sosialy: « Aiza ary ho aiza ianao ry Malagasy ? »

Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran- tany ho an’ny mponina ny hetsika karakarain’ny ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy hatramin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao. “Marary ny sosialy”. Navoitran’ny ministra Nadine Ramaroson izany, nandritra ny fikaonan-doha nokarakaraina tetsy amin’ny hotely Carlton ny talata teo. Fikaonan-doha izay niarahana tamin’ny mpikarakara sosialy rehetra ny maraina ary ny mpandraharaha ara-toe-karena ny tolakandro, nikarohana izay fomba rehetra hoentina manatsara ny fiainana aratsosialin’ny mponina.

Heloka bevava sosialy: Malagasy maro an’isa no miaina anaty fahantrana amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo migalabona amin’ny harembe. Nofaritan’ny ministry ny mponina ho heloka bevava sosialy ny fampahantrana ny Malagasy, vokatry ny fitiavantena sy ny fitiavana hanankarena avy amin’ny fitsetsefana. Lazaina fa mahantra ny Malagasy nefa tany manankarena i Madagasikara......

Mila mihetsika ny rehetra, hiaraka hanova sy hanatsara ny sosialim- bahoaka, izay fototry ny fampandrosoana ny firenena. Dimy volana teo ho eo izay ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy niarahana tamin’ny vovonam-pikambanam- piarahamonina sivily, nandrafitra ny “dina velirano sosialy”, natao ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. “Rariny raha asongadina ny sosialy”, raha ny filazan’ny ministry ny mponina. Anisan’ireo firenena nankato ny “pacte international des droits sociaux, économiques et culturels” tamin’ny taona 1976 ihany koa i Madagasikara, saingy tsy mbola nisy lalàna fampiharana izany nivoaka hatramin’izao. Mila asa mivaingana ankehitriny ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka, ho fanomezana hasina azy. “dina velirano sosialy”, izay haroso ao anatin’ny “Dinika santatra” sy heverina hampidirina amin’ny lalàmpanorenana ny Repoblika faha-IV. Natao hamatotra ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka ity “dina velirano sosialy” ity. Ilaina ihany koa ny fandrindrana asa eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny ministera, araka ny navoitran’ny ministry ny fizahantany sy ny asa tanana. Mandra-piandry izany aloha dia “aiza ka ho aiza ianao ry Malagasy ? ”. Toy izao no valinteny voaangonay. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Mbelo (vendredi, 30 juillet 2010 19:18)

    ...Ouais,ouais...tsy hitako izay mampitaraina @zao koa.Izao anie ilay nitolomana eh!Samy manao izay tiany izao.Samy mahazo manao 4'mi koa zany

  • #2

    sareraka (mardi, 03 août 2010 18:31)

    Koa iza no nampahantra toy izao ny vahoaka e?Nga tsy Rajoelina sy ry Nadine Ramaroson sy ny forongony....Aza mihatsara velatsihy e.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra