ven.
30
juil.
2010
Tsy misy fiantrana, fa izay meloka, dia tsy voavela ny helony. Izay no tsapa mandritra ilay dinika santatra atao isaky ny distrika. Tsy ho voadinika ao mantsy ny fampihavanam- pirenena, sy ny amnistie. Midika avy hatrany izany, fa tsy ho isan’ny mpandray anjara amin’ny filatsahan-kofidiana izy ireny. Ta h o t r a h i f a n i n a n a amin’ireny ve no antony nanipazana ankolaka mialoha ny tsy tokony handinihana izany fampihavanam-pirenena sy ny amnistie izany? Eny, tsy ho gaga ny maro, raha tsy mbola navoaka ny fonja ireo mpanao politika sy mpanao gazety izay midoboka any am-ponja hatramin’izao, nefa tokony mba handray anjara amin’ny ady hevitra amin’ity dinika santatra ity. Tsy misy finiavana ny tena hametraka politika madio eto. Hita taratra, fa mbola miankin-doha amin’ny FAT ireo mpikarakara, matoa nanipy teny toy ireny ny filohan’ny FAT ny alahady lasa teo nandritra ilay fandaharana manokana nataony tany Mahajanga. Hanaiky izany ve ireo mpandray anjara, sa mba hametraka ny hazon-damosiny hibanjina ny tena ho tombontsoam- pirenena? Ny ankolafy telo, sy nyhery velona hafa dia mitsipaka ny fanomanana ity dinika santatra ity, ary nikopaka fantsy mafy ireo ambara ho ray aman-dreny mijoro ho manana loko politika. Dia ho hita eo ny vokany, satria tsy misy marina tsy hipoitra eo amin’ny raharaham-pirenena toy izao. Sa izay tokoa no tonga amin’ilay eson-teny hoe ianareo no te-hidoboka any ? Vainafo zanany