jeu.
29
juil.
2010
Lasa resaky ny «be fanantenana» sy ny “tsy mahatoky maty, raha tsy avy mandevina” ny zava-misy ara-politika iainan’ny Malagasy hatramin’izao. Aoka tsy hanantena poak’aty ireo be fanantenana amin’ity dinika atao mitsitokotoko etsy sy eroa ity. Alefaso lavitra ny saina mba hisian’ny arofanina tsy hianjeràna avy eny ambony eny, fa loza no hitranga raha tsy mitandrina. Hiandry ny tapatapaky ny volana aogositra indray izany vao ho fantatra ny hanaovan’ny OLONA antsika ? Sanatria toa faty entin’alina… Ny vaha-olana dia ho an’ny samy gasy koa nahoana ianareo no mialangalana ? Ary ny ezaka tianareo hatao mba hamahana olana dia efa voahilika teny am-piandohana. Ny an-tanam-botsotra, ny nantenain-tsy azo. Miroso hatrany ny di-doha hanao ny dinika, tsy misy teny ieràna. Ny mifankatia tsy mifamarafara, ady no hiafaràny. Dradradradraina fa dinika samy malagasy no atao. Koa maninona no misy malagasy mihiaka ny tsy fandraisany anjara?......
Aza iniana hadinoina fa tamin’ny 31 martsa 1992 dia niafara tamin’ny fitifiran’olona ny fikirizana nataon’ny hery velona mba hanao ny forum nasionaly tamin’izany. Fotokevitra mahakasika ny fanjakana federalista anefa no tsy nitoviana tamin’io. Ankehitriny dia zavatra mbola any an-kibon’ny omby, ary tsy foto-kevitra fa fombafomba fanatanterahana dia efa mahabe resaka. Mbola eny ivelan’ny dinika ny sasany amin’ireo mpanao politika, ary tondroina avy hatrany ho be vinany. Raha ady hevitra politika ve no misy manohitra sy tehilaza ny tsy fihetezany dia samborina gadraina? Angaha moa misy antenimieram-pirenena azo hanaovana ady hevitra eto? Angaha tena ara-dalàna manainga ny olom-pirenena mpandray anjara amin’ity dinika mitsitokotoko eto amintsika ity? Dia hanaiky izay tinapaky ny mpidinika indray izany ny mpitarika ny fahefana ankehitriny? Resaka anie izany fa tsy misy fifamatorana na amin’iza na amin’iza e! Aza maika sy te-hihodinkodina maharitra toy ny kilalao tandrimon’ankizy isika. Tsy ny famoriana olona marobe amin’ny alalan’ny fivoriana etsy sy eroa no hadika vilana fa tena fandraisan’anjaran’ny malagasy rehetra. Ny andrandraina dia ny fitoniana sy ny fanampian’ireo fikambanana iraisam-pirenena. Izany dia misy fepetra mialoha tsy maintsy hifanekena alohan’ny hirosoana amin’ny dinika. Tsy ny mifampiresaka no ratsy fa ny zavatra horesahana sy ny antony hiresahana no voarirarira isan’andro vaky izao. Tantara lavabe no tsy maintsy hozakain’ny taranaka fara-mandimbin’i Madagasikara. Tsy maintsy hisy fery ateraky ny firosoana anjambany amin’ny fampijoroana Fanjakana peta-toko tiana hitohy, ary tsy hanam-petra eto. Rehefa manangana trano ve dia tsy hiala nenina amin’ny fototra tiana hametrahana azy? Ny mponina hanangana ny trano ve dia samy hanao izay tiany sy maha-diavolana azy? Tsy aleo manangana indray ny tilikambon’i Babela? Dia miady sy mifanaritaka ihany avy eo? Rombo? Gidra? Sakoroka? Rotaka? Ianareo ve lehiretsy tsy mba leo ? Ony RAMBELO
Tsy mankaiza ny dinika santatra karakarain'ny FAT, tsy hahazoana fankatoavana iraisampirenena.Asan'izay Malagasy vendrana marivosalosana manaiky karamain'i RADOMELINA GAIGY TSY VANONA. Tsy naharesy lahatra ny GIC i Lafrantsa mpamono olona hatramin'izao. Rehefa voatery mampiasa hery eto ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena dia atao kitoza matavy hodorana eny @ 13 May i Radomelina gaigy .
Ilay raharaha tokony handroso fa ity Rajo ity mihintsy no tsy mahay mandray andraikitra fa manilika izany any amin'ny hafa.Tsy aleo ve Rajo miala moramora rehefa tsy hanao ianao na ataovy toy ny fomba niakaranao teo ilay raharaha mba handroso fa aza ahilika any amin'ny hafa.Ianao anie no misora-tena ho mpitondra eo ka dia vahao ilay olana ry Rajo fa aza ahilika a!Raha izaho no teo dia za no namaha an'io fa tsy nahiliko any aminao ohatra.
RAJO ange nanao dia nolazaina fa tsy mety...izao asaina ataon'ny rehetra tsy mbola mety ihany ilay atao satria maro ireo tsy mahazo SEZA. Inona ary no tadiavina indray tsy afa nantsoina daholo ve! REHEFA TSY MIDITRA MANAO ILAY DINYKA DIA MANGINA no fahendrenafatsy ampahoriana ny vahoaka (ela loatra ny tantara).
Ka ny tsy mampety an'ilay izy anie ra-jacta mila olona neutre no mitarika azy fa tsy ry AVI pastera e.Nga dia lany olona neutre eto e?Rehefa tinareo atao kitranoantrano ilay izy dia ataovy ero ny anareo fa io tsy hivaha izany raha tsy izay no tafapetraka e!!!!MAZAVA?
Rajoelina: OK
Valomanana: KO
Mbola manana ny VALEUR'ANY izany Pdt RAVALOMANANA, Pdt RATSIRAKA ary Pr ZAFY izany radénise ah!tsy misy zavatra manjary eo raha tsy eo ireo.Tsy kilalaon-jaza ny mitondra firenena ka tsapatsapaina sy andrakandramana lava izao.
