jeu.

29

juil.

2010

Ministeran’ny Jono: Midongy fiara ireo very seza

Avereno ireo fananampanjakana! Tsy fananan’olontokana na fananam-pianakaviana ireny, ka ilaina ny famerenana izany amin’ny ministeran’ny Jono. Io no nambaran’ny tale kabinetran’ny ministeran’ny Jono Mpanjato Raharinosy momba ireo fitaovana mbola dongian’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny ministra teo aloha Alain Andriamiseza. Tao anatin’izay volanavitsy nanesorana ireo tompon’andraikitrateo aloha, niainga tamin’ny ministrasy ireo mpiara-miasa aminyakaiky, dia mbola mandrayny karamany izy ireo hatramin’izao.......

Ny 20 jolay lasa teo, no nivoaka ny taratasy fandraisan- karama ho an’ireo mpiasa ireto. Ny olana anefa, dia misy tsy tonga maka izany karama izany, satria mbola misy ireo fitaovampanjakana any aminy. Isan’io ny fiara Toyota 4x4 double cabine laharana 0257 TAL, sy ny Toyota camionnette 3969 TAK T…simple cabine, ary ny Velomoto MAK 50QT19 miloko fotsy. Ny Renault safrane IN 2304 TAB dia mbola tsy naverina ihany koa. Ny solosaina, dia mbola tsy voaverina ny fitaovana lasan’izy ireo, araka ny nambaran’ny talen’ny kabinetra ihany. Efa eo andalam- pikarakarana ny antontan- taratasy amin’ny fangatahana ny hamerenan’ireo olona ireo ny fiara ny ministera amin’izao fotoana izao, ary mety ny tahotra hamerina ireo fananam-panjakana ireo angamba no tsy mahatonga ny sasany amin’ireo mpiasa 16 very seza tsy mbola naka ny karamany volana Jolay hatramin’izao. Ekena fa misy fotoana mbola ahafahan’ny ministra na mpiara-miasa aminy akaiky mandray ireo tombontsoa isan-karazany, saingy ny fitaovana toy ireo kosa, dia rariny raha averina, satria asam-panjakana no atao, ary miasa amin’ny asam-bahoaka ny fitaovana. Tsy efa mba ampy ve izay fotoana nampiasana ny fitaovana toy itony izay, satria mbola ao anaty krizy anie i Madagasikara e. Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    tsy aritra (jeudi, 29 juillet 2010 14:57)

    Misaotra ny talen'ny kabinetra maha sahy mitaky ny fitaovam-panjakana toy izao.Raha izay mahazo fahefana ve hidongy fananam-panjakana daholo dia ho aiza ny vahoaka?Mino aho fa isaky ny Ministera misy toy izao daholo fa tsy misy sahy mitaky ny mpandimby toerana satria akamakama.

  • #2

    Rabary (jeudi, 29 juillet 2010 15:12)

    Nefa de io Taleny Kabinetra eo io no tena manao ny ataony satria izy sy ny ekipany no mitaky vola @ ireo Société any Majunga mpanjono toa ani Somapheche handoa Hotel sy depensendrei isankarazany @ Hotel La Piscine fa de natsikafony Chef de Region zao izy mody....

  • #3

    tsy aritra (jeudi, 29 juillet 2010 18:24)

    Eh,hay ianao tale kabinetra mpihatsara-velatsihy,izay no maha voa eto amin'ny Firenena eto,avy manao ratsy eroa ilay olona dia mody manao tsara etsy dia mbola mitetika ny hahazo toerana.Soa fa fantatra,ialào ny olona toy izany fa mampidi-kizo Firenena.

  • #4

    be basy (lundi, 23 août 2010 20:43)

    hahahahaha! voa zay! Tsy tany mahajanga ihany fa tany Sainte marie ihany koa dia velon-taraina ny tompon'orin'asa iray fa noteren'i Telen'ny kabinetra, Mpanjato Raharinosy (izay tsy iza fa gadra lava izay niara voarohiroy tamin'i Pety Rakotoniaina tamin'ny resaka halatra 4x4) handoha 50Mio

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra