jeu.

29

juil.

2010

Loha-nono mihinjitra: Fahafinaretan’ny lehilahy

amin’izao ny loha-nonon’ny vehivavy, nefa koa mety hihinjitra vokatry ny filany ara-nofo. “Thélotisme” no iantsoana izay fihinjiran’ny nonon’ny vehivavy ara-boajanahary izay. Safosafo kely malefaka, hatsiaka na rivotra mandalo, oroka somary maharitra … antony mampihinjitra ny nonom-behivavy avokoa ireo. Voalazan’ny fikarohana fa mahalasa adala ny lehilahy ny fahitana izany. Ny toe-javatra rehetra mampangorintsina ilay olona dia mahatonga ny nonony hihinjitra avokoa.......

An-kavitsiana ihany anefa ny vehivavy sahy mampiseho ny nonony mihinjitra izay, tarafina ety ivelan’ny fitafiany, noho ny hasarotan-kenatra sy ny fitandroana ny fifanajana. Ireo mahasahy mamoaka indray dia heverin’ny hafa ho vehivavy mitady lehilahy. Ny azo antoka aloha dia manaitra sy mahafinaritra ny lehilahy ny fitazanana ny loha-nonon’ny vehivavy rehefa mihinjitra. Efa mivoatra manaraka izay ihany koa ny teknolojia amin’izao fotoana. Efa misy, ohatra, ny tatinono namboarina manokana hamoaka azy. Fahafinaretan’ny lehilahy ny nono mihinjitra, saingy tsaratsara kokoa hatrany raha ny lehilahy efa natokana hahazo izany, toy ny vady ao an-trano, no hotolorana izany fanomezana tsy ialam-bola izany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra