jeu.
29
juil.
2010
Tandrametaka hatrany. Io no azo hilazana ny fiainam-pirenena eto. Nahamenatra ny nandre, fa ny talata teo vao nokarohana avokoa ireo olona handrafitra ny fivoriana amin’ilay ambara hoe dinika santatra natao nanomboka omaly. Tetsy amin’ny firaisana faha-efatra, dia ny talata teo vao nahafantatra ireo olona fa handray anjara amin’ilay dinika santatra. Nokarohana ihany koa izay fikambanana afaka hameno ny banga, ary lasa lavitra ny resaka ara-bola. Nandritra io fivoriana diso aoriana loatra io, no nilazan’izay tonga, fa misy vola ve sa tsy misy? Matoa atao amin’ny telo hariva, dia tsy misy sakafo angamba any, ary isika no atao hameno ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena. Mila tambin- karama isika satria tokony hisy vola io. Ireo no nanakoako nandritra ity fivoriana ity. Dia lasa ny saina hoe, izany ve ny olona entina hiady hevitra amin’ny famahana izao krizy izao? Toa atao isan’olona fotsiny ireo, fa ny ho vokatra mandritra ny roa andro mety hoe fa voahomana. Hanao ahoana re izany raha fifidianana no atao e ? Imasomahita
Vahao aloha Rajo ilay olana vao manao dinika a!Tsy misy raha manjary anie eo raha tsy ny vay mihintsy no potsitra e,aza sarotsaronana ao io fa mitombo ny aretin'ny Firenena.Hita hoe te hitondra bol irery ianao nefa efa nilaozan'ny toetr'andro izany.
