jeu.
29
juil.
2010
Ela loatra izay tetezamita izay kanefa ny firenena miha miditra any anaty kizo. Marina fa efa misy ihany ny fiarahana ezahan’ny mpanao politika sy ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Marina ihany koa fa mizotra anatin’ny dinika santatra ny eny amin’ny distrika, kanefa tsy ahitana mangirana izany rehetra izany, noho ny fitadiavan-tseza manjaka amin’ny maro. “nanao sonia ny fanambaran”ny antoko politika izahay, kanefa tsy ankatoavinay ny hevitra mifanipaka amin’ny tondro zotran’ny antoko MAMAFISOA” hoy ny mpandrindra nasionaly, ny profesora Rakotonindrainy.......
Atsahatra ny tetezamita
Tsy natao hitadiavan-tseza ny tetezamita, fa hitadiavambahaolana amin’izay tsy nety teo aloha. Araka ny anarana entiny, dia mitady ny hametrahana ny “fihavanana” sy ny “soatoavina” eny anivon’ny fiarahamonina, hampirindra azy sy hirosoana amin’ny fampandrosoana, dia tondro zotra mazava no efa nentiny hatramin’izay niforonany izay. “Foto-kevitra tokana no ijoroany, hoy ny filoha mpanangana, ny masoivoho Rajemison Rakotomaharo: antoko demokraty sy liberally, mahatsapa fa manana adidy eo amin’ny fandraisana anjara mikasika ny fanomezana hevitra mba hivoahana amin’izao krizy izao. Maneho hevitra izy ary mamaly ny antso hikaraoham-bahaolana. Tsy mijanona amin’izay fa mitady hevitra ihany koa hamaranana ny tetezamita, mba tsy hitombo indray ny fotoana very.”
Tondro zotra mazava
Hevitra telo no entin’ny MAMAFISOA amin’ i zany. Voalohany, karakaraina ny dinika nasionaly, anatin’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra. Koa iangaviana, araka izany, ny tsirairay tsy hihemotra fa hiditra amin’ny loabary an-dasy. Io dinika io no hamoahana ny tolotra Lalàmpanorenana. Faharoa, tsy atao taran’ny faran’ny volana septambra ny fitsapan-kevibahoaka. Ary farany, mialoha ny faran’ny taona 2010 no hotontosaina miaraka ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Ireo rehetra ireo, raha fehezina, dia tsy hitadiavana intsony izay olona na rafitra hafa indray hitondra ny tetezamita, fa izay hananganana haingana ny Repoblika Fahefatra no laharam-pahamehana. Raivobe
Sao dia lasa petatoko fotsiny izay atao amin'ity fanenjehana fotoana ka vao mitsangana 1 taona ohatra ny repoblika faha 4 dia hidina eny andalam-be indray ny efa zatra manao izany.Tokony asiana lalàna mifandraika amin'izay fidinana andalam-be izay ao amin'ny lalam-panorenana.
Mahonena,mijaly, noana(kere) ny vahoaka tsy aleo ve izay fomba ivoahana amin'ny KIRIZY malaky no ketrehina, malaky dia ny FIFIDIANANA ihany; avy eo manatsara izay tsy mety(atao araky ny lalana misy sy manan-kery).
