mer.
28
juil.
2010
Vonona hitondra fanjakana ny Otrikafo Raivobe Taitra tamin’ny torimasony kely indray ny antoko Otrikafo, tarihan-dRajaonah. Noho ny toe-javatra maromaro mampisalasala ny fisainana angamba no nahatonga ny famoriana mpanao gazety, omaly. « Aoka hahatsiaro tena ny filoha Andry Rajoelina » hoy ny fanambarana. Araka izany, ny finiavany hanohy ny efa nolavin’ny vahoaka teo aloha ihany, dia ny fanamafisana ny rafitra nolovaina tamin’ny fanjanahan-tany, miampy n y f a n o n t o l o a n a , d i a « hametraka azy eo amin’ny tantara ho tompon’andraikitra voalohany amin’izao fikororosoan’ny fiainam-bahoaka sy ny firenena Malagasy izao. »
« Mialà ianao Rajoelina » Tsy nahatanteraka ny fampanantenana nataony fony nitondra ny vahoaka nidina an-dalambe, teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny filohan’ny Fat, hoy ny Otrikafo. Nitaky ny fanatsarna ny andavandrony ny mponina, kinanjo difotry ny fahantrana sy miaina anaty fitaintainandava. « Nantenain-kanirina, kinanjo nampivandravandra ny Fat ». Fandrobana ny harem-pi renena, f i tomboin’ny fanakanan-dalana ataon’ny andian’olon-dratsy, f idangan’ny vidim-piai - nana, halatra sy vono olona........
Manginy fotsiny ny tsy fananana hambom-po intsony ka tonga hatramin’ny fandefasana ny miaramilamalagasy hanao matso tany Parisy, ny 14 jolay teo. « Tsy manana foto-kevitra mazava tsara i tondrana ny tany sy ny fanjakana ny filohan’ny Fat, fa fiovan-kevitra matetika no hita. Manjary mampihena ny fitokisan’ny vahoaka azy. »
Vonona ny Otrikafo
Na ireo vondrona mpanao politika, na ireo fiarahamonin’ny olom-pirenena, ni tambatra, dia « samy miankin-doha amin’ny any ivelany. Voaterin’ny mpamatsy vola azy avy ireo handrindra f ihavanana, hahafahany mangeja ny vahoaka. » Ary satria efa manana fijery sy lamim-pandaminana ara-piarahamonina sy toekarena ny Otrikafo, tsy mitovy amin’ireo teo aloha, hitondrana ny tany sy ny fanjakana, dia « vonona izy hitondra fanjakana ». Raha izany no takian’ny vahoaka. Tanjona tokana: hialana amin’ny fanagejan’ny any ivelany an’i Madagasikara. Amena !
Tsy ANDRY RAJOELINA irery no miala; inona moa izao no mba nataon'ny OTRIKAFO hanao inona? tsy vitan'ny vava intsony izy ity fa efa an-tenda ny FAHATRANA SY NY KERE ary ny FANDRIAM-PAHALEMANA. Mijaly loatra ny valala bemandry.
Ireto Otrikafo ireto anie tokony hiditra ao amin'ny mouvances telo (Valo-Zafy-Didy) e! Ao amin'ny mouvances telo manko no andefasana ireo antoko politika lany andro sy tsy misy ilan'ny fiaraha-monina malagasy intsony, satria efa naloan'ny rehetra!
Ilay hoe "vonona hitondra fanjakana"aloha ry otrikafo dia tsorina fa tsy zakanareo io,ny vaha olana amin'izao krizy izao apetraka raha misy.Avoahy ho hitan'ny rehetra amin'ny asa aloha ilay lazainareo hoe"manana lamim-pandaminana ara-piarahamonina sy toe-karena"dia ho hita eo raha maharesy lahatra anay vahoaka,fa tsy vitan'ny resaka intsony anie izao krizy mianjady aminay maro an'isa izao e!Raha misy asa mahavaha ny krizy ataonareo dia "vive OTRIKAFO" fa na ny presidentiel aza tanterahanay vahoaka ny ahazahoanareo azy.
EEEEEE!!!!Tsy lasa baina ny adinareo a!F'angaha ity fitondrana ity kilalao e?Mihetseha aloha ho hitan'ny olona dia azo ekena fa mahavita fa ny fahavononana anie samy afaka milaza fa manana e,ary izaho aza mba vonona fa tsy haiko ilay izy ko.
ianareo izay niteny teo angamba de efa nahazo maminy tamin'ny fat avokoa eeee!sa nahazo 4*4;ianareo mahafantatra ny fahantran'ny vahoaka dikany dia mbola mitovy aminay ianareo mitrongy vao homana miheritrereta kelye!ampiho zahay raha tena tia tanindrazana ianareo
Itony koa rehefa gaigy tsy miteny fa ...
