mer.
28
juil.
2010
« Teny zato, kabary arivo, fa ny marina iray ihany », hoy ny fahendren’ny razantsika. Fa oha-pitenenana fandre matetika koa ny hoe : « fandanian’andro toa kabary ambony vavahady » sy ny hoe « safo siaka mampandry adrisa », na koa ny hoe « matoritoria fa hanaterako hena ». Mandalo ao an-tsaina avokoa ireo oha-pitenenana mitory ny fahendrena Malagasy ireo raha nanaraka ny resaka nataon’ingahy Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra ny harivan’ny alahady teo. « Toa vitany an-kabary avokoa ny fahasahiranana lalovan’ny firenena nandritra izay enina ambin’ny folo volana izay, noho ny krizy politika, ary kabary ihany dia mahavaha ny olana niseho teto », hoy ny mpanara-baovao. « Tetezamita tsy miandany no hatao » izao, araka ny nambarany, rehefa avy nanome endrika tetezamita roa hafa ankoatran’io izy. Lesona izany rey olona ! Tahaka ny hoe efa nisy tetezamita niandany voatery tsy maintsy najoro teto Madagasikara hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena izay. Nambarany mantsy fa « …ny Malagasy ihany no afaka mamaha ny olan’ny Malagasy sy mahalala ny tantarany ». Dia teraka ny fanontaniana any an-tsaina any satria anisan’ireo Malagasy tena mahay ny tantaran’i Madagasikara ny filohan’ny fahefana avon’ny Tetezamita, ary nanambara fa « ny Malagasy mahalala ny tantarany »......
Fanontaniana manao hoe : « dia fitondrana tetezamita toy inona izany no notarihin’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel teto, taorian’ny nanomezan’ny filoha Tsiranana Philibert azy ny fahefana feno ? Ary fitondrana tetezamita nanao ahoana no notarihan’ny Jeneraly Gilles Andriamahazo taorian’ny namonoan’ny sasany ny Kolonely Ratsimandrava Richard, tamin’ny 11 febroary 1975, sy izay notarihin’ny praministra Razanamasy Guy Willy tamin’ny 1991 ? Izay notarihin’ingahy Ratsirahonana Norbert taorian’ny nanonganan’ny namany an’ingahy Zafy Albert tamin’ny 4 septambra 1996 no tsy dia nazava, satria, na dia nanambara aza ny lehilahy fa tsy hilatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika, dia nilatsaka ihany ary nifaninana tamin-dry Ratsiraka Didier, Zafy Albert, Razafimahaleo Herizo, sns tamin’ny fifidianana saingy na dia sady praiministra no filoham-panjakana aza dia mbola tany amin’ny laharana faha-efatra ny isam‑bato azony. Ny handinihana ny tantara, hakana lesona ! Toa « tantara hafa » no tena fantany satria ny zava-nitranga tany Frantsa tamin’ny 1986 noho ny fihoaram-pefy nataon’ny CRS sy ny daroka nataon’ny polisy mainty hoditra iray tany Los Angeles tamin’ny 1991 no fantany kokoa nentiny namely bontana ny fanakihanana nataon’ny Masoivoho Frantsay ny tokony handravana ny FIS. Ny marina dia tsy mihevitra velively ny hametraka tetezamita iaraha-mitantana izany ny tenany, koa na iza na iza hikaro-bahaolana hahatongavana amin’izany mba hialana amin’ny krizy politika miverimberina, dia « henoy izany ry hazondamosiko », … fa toy ilay nomen-tanan’ondry na soloina hofany aza tsy tiany, hoe fitenenana. Sa ahoana ry Vondron’ny fiaraha-monim-pirenena sy ry mpanao politika ? Any aminareo izao ny baolina ka ho hita eo izay hafitsokareo ! Tsy ho toy ilay ganagana nitety asa kosa eo, fa ny hanina azo, ny tratra tsy mangana !
Tsy misy rarahian'ny vahoaka izay TETEZAMITA tany aloa elabe tany, ny marina dia izao: minjaly,rereka, noana,ketraka ny vahoaka. Samy diso; tia tena, mpameno ny paosiny avakoa ny mpanao politika saika izy rehetra ireo.Noho izany TSY MATOKY an'ireo intsony ny vahoaka na inona na inona tenenin'ireo politika ireo.
Fanodikodinan-dresaka rano fotsiny no nataon'i Andry FATn'olona tany Mahajanga.Tsy vaovao amin'ny fomba firesany akory ny maro.Raha tena tia tanindrazana dia vahaolana ialana amin'ny krizy no tokony nazavainy sy hataony fa tsy fanilihana andraikitra any amin'ny hafa.Izy no mitondra ny tetezamita dia izy izany tompon'andraikitra tsy maintsy mamaha ny krizy.Rehefa tsy mahavaha ny olana na tsy te hamaha dia mialà eo amin'ny maha filohan'ny tetezamita fa aleo ataon'izay afaka hamaha ny olana.
Resaka elabe izany FA NY TENA FAMAHANA NY OLANA dia ny FIFAMPIDINIHANA MIARAKA EO @ MPIFANANDRINA MIVANTANA DIA Andry sy R8 AJORO NY tetezamita NUTRE araka ny filazan'i Andry dia AJORO NY RAFITRA HANAO NY FAMPIHAVANANA SY NY TENA FAMOHAHANA NY MARINA nandritra ny TETEZAMITA nandalo teto (aleo io rafitra io no hanampiana ny lalam_panorenana ) AJORO HAINGANA NY CENI "tena izy" AROSO haingana ao anatin'ny fotoana fohy ny FIFIDIANANA FILOHA andraisan'ireo mpanao politika be vava ireo ho mahazo vahoaka TSY MISY HANAVAHANA n'iza n'iza
Tena afa-po tokoa ny be sy ny maro tamin'ilay valan-dresaka miezinezina nataon'i Andry. Ireny ka teny Filoham-pirenena hendry sy mendrika. Faly sy ravo ny vahoaka malagasy tsy vaky volo nihaino azy. Toa satry foana hihaino ilay izy na mandram-paharainan'ny andro aza! Misaotra anao ry Andry mahavita azy!
de henoy fona izy ry Dénise Rabe fa in no tokn ilazana an'zany eto a!
