jeu.

29

juil.

2010

Mamelà ny helony, fa tsy fantany izay nataony

Nandadilady nihaona tamin’ilay nampangaina ho mpandray kolikoly sy mpanimba ny firenena malagasy ny FAT. Tsy iza io olona io, fa ingahy Chissano, izay lehilahy nahafoy tena, niditra amin’ny fandaminana amin’ny samy raharahan’ny malagasy. Izy ihany koa etsy ankilany no mitarika ny vondron’ny mpanelanelana aty Afrika. Nanao ranolava ny fahatongavan’ny f i tondrana tetezamita sy ny mpomba azy, nandom-baravarana tao amin’ingahy Chissano. Izay dinika tao, tsy olana, fa ny maha-menatra sy manalabaraka ny firenena dia ny fiampangana ity vahiny ity, ho isan’ny mijabaka be loatra amin’ny raharahan-tokan-tranon’ny malagasy. Nokilasiana ho isan’ny olona mandray kolikoly avy amin’ny filoha Ravalomanana izy, satria nitaky ny hametrahana fanjakana tan-dalàna ho eken’ny sehatra iraisam-pirenena........

Natao ny fomba rehetra hahakivy ity vahiny ity, mba tsy hahatongavany eto, ary nisy mihitsy filazana, fa hanao hetsika raha vao migadona eny Ivato i Chissano. Ankehitriny anefa, dia ireo nanatona azy ireo ihany iretsy farany, na dia nisy aza ny nisintaka haingana tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Ratsy sa tsara ny dinika niarahana tamin’io vahiny io? Nanome vola azy ihany koa ve ianareo be vava ireo raha nifandresy lahatra amin’ny hivoahantsika amin’izao krizy izao? Mamela ny helony ry Chissano, fa tsy fantany izay nataony, ary ny hevitra izay naroson’ny fikambanana na mpanao politika na fitondram- panjakana tao aminy, dia soson-kevitra ihany, fa isika ihany anie no malailay fonosana amin’ny fitarazoan’ny dinika e. Dia ho hita eo ny tohiny, fa tsy nisy kapoka na sazy, tamin’izay hevitra natolotra tamin’ity vahiny ity, koa raha izany, nahoana no tsy isika samy isika no manetry tena, hifandamina haingana, sao tara loatra? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    MARAVO (jeudi, 29 juillet 2010 08:31)

    Tsy omen-tsiny i Rajoelina, fa ny atidohany anie ao @ fitombenany no misy azy fa tsy ao @ lohany e!

  • #2

    RAWERA (jeudi, 29 juillet 2010 09:36)

    Izao aloha no mahagaga sy mahatalanjona e.
    rehefa misy ny sitrapo tsara, finiavana tsara dia lazaina hoe MPANDRAY KOLIKOLY. Hita eo amin'ny sehatra rehetra eto Madagascar io. Sao dia marina ary ilay filazana hoe: IZAY TENA MANAO AZY IO IHANY NO TENA MITENY SY MIDRADRADRA e? ambava omana ampo mieritreritra fa olompahalalana no heverina hivantanin'ny teny.
    Ny ahy ry zareo dia hataka lava io an. Isika samy malagasy no any mahavaha ny olantsika fa aza mandrevirevy kanefa tsy efa izany raha tsy misy ny FANETRETENA - FINIAVANA ary FITIAVANA. Ndeha hanao ny dinika santatra mba hanehoana ny hevintsika fa aza manao fangalapiery na entim po diso toerana ka hanao hoe: ANDRY ZALAHY IO. AOKA RE MBA ASIANA FATAHORANA AN'ANDRIAMNITRA ITY RAHARAHA ITY E. ARY JEREO NY MANODIDINA ANAO. FAHANTRANA MITOHOKA AMIN'NY VAVORONAO IO VE DIA HOY IANAO HOE ALAO HO ANY. Samia maka ny tandrifiny ry Olombe a.
    Aoka re ny fifampiandaniana e aoka ny fifampiantsina. Mitady ny ady antrano ve nareo sa inona e? Aza maniry izany, satria tsy hitondranao ho aiza izany. Ny vola ve????? aoka re. Mbola ho ela vao hangidy. Hitondranao ho aiza koa? Ny voninahitra ve? Hitondra anao ho aiza? Manoava na miezaha manoa ny marina e fa sady handry fehizay ny tany ary hiadampinaritra ny malagasy hahazo ny tena najara masoandrony.

  • #3

    jacta (jeudi, 29 juillet 2010 17:39)

    Ny antony tsy idiran'ny sasany amin'ilay DINIKA dia mazava: tsy nahazo toerana, rehefa tsy hanao tsy avelao any anga izireo ihany no gasy amin'ny tanana ny vahoaka reraka sy sepotra.

  • #4

    sodofafana (jeudi, 29 juillet 2010 21:00)

    Tsy ady toerana na ady seza izany io ra jacta ah! zavatra azo ambara sy azo antoka dia DINIKA PETATOKO io satria tsy voasolo tena ao ny tena vahoaka Malagasy maro anisa , tadidio fa vahoaka maro no mbola ao andamosin'izany président RATSIRAKA sy ZAFY ALBERT izany ary indrindra fa mbola mamim-bahoaka izany président RAVALOMANANA izany hatramin'izao.Koa raha tsy mandray anjara ao ireo olona ireo dia fandaniam-bola sy fandanian'andro fotsiny io dinika io.Izahay aza manahy fa ADY SY KORONTANA no iafaran'io.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra