mar.

27

juil.

2010

Tsy « vodihazo » intsony

Lany andro eo am-pitadiavaa ny « tsy misy » ny ankamaroantsika Malagasy ankehitriny raha mbola mihevitra fa tsy maintsy ho vahana izao olana politika eto Madagasikara izao. Hay moa, rey olona, efa miasa tsara sy mahita tombony ny mpitondra manana ny fahefana amin’izao fotoana izao? Hadalàna ny an’ireo rehetra mihevitra fa tsy mampandroso ny olana diavin’ny firenena. Tsy maninona raha mijanona sy milona amin’izao krizy politika izao isika satria izao ihany tokoa no tena mampandroso, sady hahavitàna ezaka maro isankarazany amin’ny fitsinjovana ny mpiara-belona. Araka ny efa navoitra teto hatramin’izay dia tokony hitarina lavareny izao fitondrana izao mba hanefàny an-tsakany sy an-davany ny tetik’asa marobe. Tokony ho ravàna daholo ny adi-hevitra tsy hihinanankanina, ravàna ny antoko politika sy ny fikambanana mitonona fa hanatsara ny fiainam-bahoaka. Tsy mila handaniana mondron- kery izay fifidianana. Tadidintsika tsara fa tsy fanekena ny vokatry ny fifidianana hatrany no nitarika ny fanonganana fanjakàna teto amintsika nandritra ireo fihetseham-bahoaka rehetra nisy teto. Ny tokony hifanarahana sy hifandovàna eto dia ny fakàna ny fahefana eny am-dalam-be ihany. Rehefa mahavorivory “vahoaka” dia mitaritarika azy ireo hanao fanimban-javatra sy handika lalàna tsotra izao. Ampanantenaina “ronono an-tavy” amin’izany ireo marivo salosana, tsipahina sy hatao z’inona ny vondrona iraisam-pirenena.......

Tsy ilaina intsony ny mpanao politika fa afaka mitarika sy mitondra fanjakana daholo izay mahavita fahagagana na tantsaha, na mpandraharaha, na mpanao gazety, na mpianatra, na mpiasa, na mpanao fitaterana, na mpitsabo, na mpanankanto, na iza na iza e!...Dia inona indray no ilàna fifandroritana amin’izany? Inona no ilàna mpanelanelana sy fandaminana? Inona no ilàna fampihavanana sy famelan-keloka? Izay migadra sy mandositra any rehetra any dia aleo ho any e! Inona indray no hamakiana loha amin’ny vontoatin’ny fifanarahana eo amin’ny samy mpiara-monina? Atao matanjaka tsara ny fampiasan- kery amin’ny tsy mitovy hevitra. Tsy tokony hitabataba sy hanao angoan-tenda intsony ny mahita vilany mitongilana fa manome vahana fotsiny ny fampielezana tsaho sy vaovao tsy marina. Efa mety sy mahomby ny vokatra azon’i Madagasikara ary tsy “vody hazo” sy mitaredretra, araka ny filazan’ny mpanao fitaterana azy intsony. Mirona mankany amin’ny mangarahara ny fitantanana ka hitombo amin’izay ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Hitombo ny fahalalahana eo amin’ny tsena fifanakalozantsika eto antiny, ka hihamora ny vidim-piainana. Hanao dingana lehibe amin’ny fampandrosoana sy ny fotodrafitrasa mivaingana amin’izay e! Dia tsy miadiady intsony fa hanaiky izay ataon’ny manampahefana, tsy misy ilàna ny safidim-bahoaka intsony fa ireny ihany no niteraka ady lavareny teto. Tsy maintsy hamerina sy hanonitra ny nangalariny daholo koa anie e! Amen! Amen be! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra