mar.

27

juil.

2010

Fifidianana hokarakaraina: Efa diska loaka e !

« Tsy manaiky ny hampitarozahana ny fotoana tetezamita intsony izy, ary tsy mila tetezamita vaovao hafa intsony koa fa tsy maintsy faranana haingana ny rafitra tetezamita”. Izay no nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny tafa nataony tamin’ireo mpanao gazety mianadahy tany Mahajanga ny alahady hariva teo. Raha adika tsotsotra izay voalazany, dia tsy maintsy faranany amin’ny faran’ny volana desambra 2010 ny “tetezamitany”. Dia mazava araka izany fa tsy maintsy hisy fifidianana hotanterahina ivoahany amin’ny krizy politikany. Saingy karazam-pifidianana inona no tiany hatao ahazoana miditra amin’ny repoblika vaovao nikirizany hajoro rehefa narodany ny teo aloha ?

“Ry zalahy” no diso…

Efa naneho sori-dàlana namariparitra datim-pifidianana i Andry Rajoelina hatrany amin’ny volana desambra 2009, taorian’izy nidongy tsy nandeha tany Maputo III.....

Ny 20 martsa 2010 no nolazainy tamin’izany fa hanaovana fifidianana ilay nantsoiny hoe “antenimieram-panorenana”. Nitsefotra iny. Taorian’ny “teny ifampierana” natao teny Ivato ny 4 sy 5 martsa 2010 indray dia voatondro fa ny volana mey no hatao io fifidianana io. Nony niverina avy tany Pretoria indray rehefa nambarany fa tsy nahomby ny fihaonana natao tany niaraka tamin’ireo filohan’ny ankolafy politika telo, dia nangatahiny namoaka ny datin’ny 12 aogositra 2010 hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka indray ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana (CENI). Dia izao isika eto izao, satria mbola nahemotra amin’ny fotoana mbola tsy fantatra indray izany. Dia mbola nitsefotra ihany. Ny antony ? “tsy sanatria tsy fahamatorana araka ny filazan’ny sasany, hoy izy, ny fihemoran-dava (…) fa noho ny fanelingelenan’ny sasany, indrindra ny avy any ivelany”. Marihina fa na ilay saika hatao ny 20 martsa, na ny fitsapan- kevi-bahoaka tokony natao ny 12 aogositra ho avy izao dia efa samy namoahana didim-panjakana niantsoana ny mpifidy avokoa.

Dia inona indray ?

Rehefa voatsipaka ny tolo-kevitry ny CENI, ary tsy raikitra indray ny fitsapankevi- bahoaka saika hatao. Tsy mbola nahavita nandrafitra volavolan-dalam-panorenana hodinihina tany amin’ny “dialogue national” rahateo ny vaomiera manokana (CCC) najorony hanao izany. “Ny resaka moa tsa ho lany”, koa dia nahita “fika” hafa indray. “Aleo miainga avy any amin’ny vahoaka ny rafitra hamolavolana ny zavatra rehetra hatao, toy ny lalam-panorenana mba tsy ambara ho fanapahan- kevitr’olon-tokana”, hoy ny filohan’ny FAT. “Nomeny alalana ny ray aman-dreny najoro (Mijoro azafady !) sy ireo firaisa-monim-pirenena hikarakara izany”, hoy ihany izy. Fifidianana solombavam- bahoaka ho lasa “Antenimieram-panorenana no nikirizany mafy efa ho _ volana mahery, dia niova ho fitsapan-kevi-bahoaka indray. Ka amin’izao izy tapa-kevitra ny hamarana ny tetezamitany izao, dia inona indray no fifidianana hatao atsy ho atsy hamaritany daty vaovao? Fifidianana filohan’ny Repoblika sa mbola fitsapan- kevi-bahoaka ihany, sa Antenimieram-panorenana mety ho lasa mpifidy vaventy hifidy izay ankasitrahany ho filohan’ny Repoblika faha-IV ? Efa manomban-ko avy ny oramitraho ka sao dia tsy hisy fifidianana mihitsy amin’ity safo siaka mampandry adrisa lava ity e ! Rakoto

écrire commentaire

Commentaires: 19

  • #1

    TALBOT (mardi, 27 juillet 2010 08:30)

    raha mbola eo i Ratsiraka sy Zafy dia tsy hilamina io,tokony ho ANDRY SY Ravalo IANY FA TSISY Idiran'iretsy roa zay manararaotra ny krizy mba ahazoana place fotsiny!, ra tsy teo reo dia efa ela no nilamina i Madagascar
    patrick

  • #2

    jacta (mardi, 27 juillet 2010 08:44)

    Rehefa tsy mahatsapa ny tokany hatao ny mpanao politika rehetra tsimisy akanavaka(hanao fifidianana malaky dia ny vahoaka no minjaly!).Ny mpanao politika misy hohanina foana fa ny vahoaka madinika tsy misy hohanina,atao FITAOVANAfotsiny.

  • #3

    Dénise Rabe (mardi, 27 juillet 2010 09:19)

    Milay leisy ilahay ry Andry a! Ren-tany ren-danitra fa lehilahy matotra sy hendry ialahy a!

  • #4

    sodifafana (mardi, 27 juillet 2010 10:35)

    Talbot-dénise
    Tokony hesorintsika eo andry rajoelina fa izy no fototr'izao rehatra izao.Dedaka nefa tsy mahavita a
    azy, ny zavabitan-DRAVALO IHANY NO TAVANINA.

  • #5

    Dénise Rabe (mardi, 27 juillet 2010 12:44)

    Dia andraso eo tokoa i Paoly ry sodifafana raha i Valomanana no antenainao!

  • #6

    tsy aritra (mardi, 27 juillet 2010 14:58)

    I Andry Rajoelina anie ry sodifafana mazava tsara ny mission ny e:"handrava ny tsy handraisan'i Madagasikara ny Sommet de l'union Africaine"ary fantatsika fa ny Frantsay no nanohana azy tamin'io.Tsy hampandroso ny Malagasy mihintsy akory izy na hanatsara ny fiainam-bahoaka izany fa vita io "mission"ny io ary mipetraka eo izy dia manararaotra mi-bizna indray fa zara ary tafakatra eo.Dia io izy hitantsika rehetra io,inona no mba hainy amin'izay fitondram-panjakana?

  • #7

    sareraka (mardi, 27 juillet 2010 17:07)

    Raha nanaraka tsara ny resaka tany Mahajanga ianareo dia nilaza Rajoelina ary mbola namerina fa tsy hilatsaka ho fidiana filoha,marina ny anao ry"tsy aritra"tena handroba fotsiny izany ilay boay io fa mazava ny resany.Tsy hitako koa izay tena zavatra vitany nisongadina raha lazainy fa vita ny tetezamita.Nahavita inona ary ilay tetezamita?Nahavita nampahantra vahoaka sy nandroba firenena tokoa izany.

  • #8

    Baba kool (mardi, 27 juillet 2010 19:54)

    Rehefa tsy mahita vaha olana leitsy Rajoelina dia mialà fa tsy mahamenatra anie izany ê ! Efa nilaza ialahy fa tsy hilatsaka ho fidiana koa inona indray no hijanonana eo ê ! Amin'izay anie ialahy ho tadidin'ny olona hoe iny ilay zalahy sahy nanapa - kevitra na dia tsy nety aza ny natao.

  • #9

    Dénise Rabe (mardi, 27 juillet 2010 21:00)

    Manohana anao tsy misy fepetra ny vahoaka manontolo, ry Andry! Raha ny hevitray vahoaka dia tokony hilatsaka ho fidina ianao satria ianao irey ihany no azo itokiana amin'ny mpanao politika, kanefa moa ekenay izay fanampahan-kevitray! Fa raha i Valomanana kosa aloha no mitady hiverimberina eo, dia ho sanatria anie izany!

  • #10

    sodifafana (mardi, 27 juillet 2010 21:17)

    Mampalahelo ahy ianao ra dénise, efa vita anie ny
    mission ny rajoelina eh, adinony ianareo, tsy mbola takatrareo ihany ve izany?

  • #11

    ritsoka (mercredi, 28 juillet 2010 09:21)

    ry denise rabe koa ngamba niara nihinana t@ radomelina dia manohana azy ery !ary tsy izany vahoaka izany no manohana an'ilehio fa olom-bitsy izay voky miaraka aminy fotsiny.manaova sondage eny tanà raha tsy 5% ihany no manohana ny FATy!alahelon'olona nge irebny bois de rose ireny e!

  • #12

    aloka (mercredi, 28 juillet 2010 09:47)

    paoly ny any anaty slipon'ny maman'iDenise Rabe, tsy maintsy misy farany ny hagegenareo

  • #13

    tia jery (mercredi, 28 juillet 2010 15:21)

    tsy fantatro aloha fa nisy nampanantena ny vahoaka fa 2500 ar ny menaka e ! 500 ar ny vary e ! 200 ar ny mofo e ! mofo sady ratsy no pokaty. herintaona mahery izao, aiza izany ? izany anie no miantraika mivantana amin'ny vahoaka e ! raha ilazana ianareo ny fanodikodinam-bolam-panjakana, ireny mivoaka gazety ireny fa mbola betsaka no tsy fantam-bahoaka. ny fanodikodinana fananam-panjakana, fa tsisy mahita ve izany e ? ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra tsisy mahita ve izany e ?

  • #14

    rolf (mercredi, 28 juillet 2010)

    zany programa fifidianana, fitsapan-kevim-bahoaka, efa betsaka ny resaka vita fa izao, tena ny resaka no betsaka vita.nolazaina daholo fa hoe aleo ho eo aloha hojerena ny zava-bitan'izay mpitondra mitady toerana. herintaona izay, hita io ny zava-tsy vita, anjaranao malagasy io ny mandinika hoe ekenao ve ny fandaniam-bola nefa tsisy zava-bita ho anao akory ?

  • #15

    NY HENDRY (mercredi, 28 juillet 2010 16:37)

    Ray aman-dreny NAJORO V NO atao hoe :tsy mitongilana na niraisana dia toa MBOLA MISITERY IZANY ZANAKO ny fivoahana @krizy

  • #16

    tsy aritra (mercredi, 28 juillet 2010 18:16)

    Rehefa tsy mahavaha ilay krizy ialahy Rajoelina Andry Nirina dia mialà eo fa aleo hamahan'ny avaram-pianarana azy fa hainy io.Ny mi-bizna bois de rose sy Soalala mety tsy ho hain'ny avara-pianarana fa raha resaka fijaliana sy fahorim-bahoaka toy izao kosa dia hatokisanay ny avara-pianarana fa hainy io.

  • #17

    deba (mercredi, 28 juillet 2010 18:36)

    Ilay famahana krizy tena ilàna fahaizana ary izay no tsy ahavitan'i Andry Rajoelina azy satria izy tsy misy fahaizana na kely aza,teny frantsay no misy rirany kely fa midehadehaka sy mirehareha fotsiny ary matimatim-boninahitra dia izay.Mialà eo dia aleo ataon' A/toa Raymond Ranjeva ny famahana krizy fa mijaly izahay ambanilanitra amin'ny ataon'ialahy Rajoelina lehiben'ny FATn'olona.

  • #18

    faly (mercredi, 28 juillet 2010 20:10)

    Ny amerimberenan-dRajoelina hoe"tsy hilatsaka ho fidiana"anie dia mazava e,voalohany te hiseho izy hoe neutre amin'io tetezamitany io,faharoa sondage,fahatelo lainga.....fa jereo raha misy fifidianana eo fa hilatsaka ilay vendrana io.

  • #19

    deba (mardi, 03 août 2010 19:26)

    EEE!Dia tena RAJAKOM-BAZAHA ilay RAJOELINA rey olona a!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra