mar.

27

juil.

2010

Fanokafana Radio sy tele: Mibanaka ny « Licence »

Izao no fanararaotana. Natao toy ny mizara vatomamy ny fanomezana fahazoan- dalana (licence) hanokatra radio na télé nandritra izao tetezamita izao. Heno fa nanomboka tamin’ny andron’ingahy Augustin Andr imananoro, ni tohy tamin’ny fitondran-dramatoa Nathalie Rabe, dia nahatratra 70 ireo radio sy télé nomena izany fahazoan-dalana izany. Heno fa ireo fangatahana hanokatra radio sy télé noheverin’ny ministera ho laharampahamehana no navoaka aloha hatreto. Dia gaga ny saina hoe ireo 70 ireo ve dia isan’ny laharampahamehana avokoa? Inona no antony nihazakazahana namoahana ireo “licence” ireo maika toy izao ? Tsara ny milaza fa efa maherin’ny 250 ny radio manerana an’i Madagasikara, ary mbola vitsy kosa ny fahitalavitra. Ny gazety an-tsoratra kosa raha ny eto an-drenivohitra, dia maro azo isafidianana, ary mbola zakan’ny fahefamividin’ny mpanjifa ny vidiny.....

Niato io fanomezana alalana hanokatra radio sy télé io nandritra ny andron’ny fitondrana teo aloha, noho ny hateren’ny mari-drefy azo ampiasaina indrindra eto an-drenivohitra, saingy toa ny mifanohitra amin’izany kosa no hita amin’izao tetezamita izao. Ny tsy azo lavina aloha dia hampitombo ny vola hiditra amin’ny OMERT, ilay sampandraharaha miandraikitra ny fizarana ny mari-drefin’onjampeo, amin’ny alalan’ny haba (redevance) fandoa amin’ny fampiasana ny mari-drefy ireo radio sy télé vao nahazo alalana hampita sary sy feo ireo, raha mangarahara ny fitantanana. Ary azo antoka manomboka izao fa afaka manatsara ny fitaovana hiasany sy ny kalitaon’ny asany ny OMERT ka tsy hisy intsony ny fifangaroana na fifanitsahan’ny onjam-peo satria hitombo ny vola miditra aminy. Dia tahaka izany koa ny hahazoany mitily ny tanjaky ny onjam-peo tsirairay ka ahazoany manasazy ireo izay mihoatra ny 500 watts araka ny lalàna velona mbola manan-kery mikasika izany momba ny onjam-peo tsy miankina. Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 6

  • #1

    123 (mardi, 27 juillet 2010 08:20)

    Tsy aleo ve bobaka de samy milaza ze vaovaony eo ?

  • #2

    jacta (mardi, 27 juillet 2010 09:00)

    Mbola malalaka ny lalam-barotra matoa betsaka ny manokatra RADIO sy TELE.Rehefa FAHITY ve tsy hikatona! (Nylalana mifehy no atao mazava.)

  • #3

    Dénise Rabe (mardi, 27 juillet 2010 09:18)

    Izay ilay hoe tena demokrasia. Tamin'ny andron'i Valomanana dia ny fanidina Radio sy Tv no nanjaka. Izao kosa dia malalaka ny fitenenana. Misaotra leisy ry Andry a! Mahery ialahy e! Manohana tsy misy fepetra an'ialahy ny vahoaka e!

  • #4

    Radio (mardi, 27 juillet 2010 12:38)

    lé izy anie raha radio natao ho fialam-boly sy
    fanomezam-baovao tsy olana e!
    Fa toa zary lasa hifanopàna sy hifampitsikerana
    ary hanaovana émission tsy misy fotony

  • #5

    sareraka (mardi, 27 juillet 2010 15:05)

    Ka io licence zaraina be dia be io anie misy fepetra manaraka azy e,tsy maintsy olona mankatoa sy mpomba an'i Rajoelina vao mahazo fa tsy hoe izay mangataka akory.Aoka hazava izay!

  • #6

    sodofafana (mardi, 27 juillet 2010 20:53)

    Mazava ho azy ry sareraka fa radio fozaorana
    daholo ireo ah (sans qualité).

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra