lun.
26
juil.
2010
Nivondrona hono ny mpanao politika ! Sady nanaitra no tsy nahagaga ihany, satria tsy iza ny ankabeazan’ireo olona mandrafitra ny mpikambana ao anatiny fa dia ny nanohana ny hetsika 2009 ihany ary mpanohana mahafatra-po ny FAT anisan’ny nampikatso ny dinika rehetra natao teto sy tany ivelany, ankoatra ny TIM ( ?). Saingy efa ho rendrika ve ny firenena, tsy ahitam-panafana noho ny afitsoky ny mpanao politika ihany, ka dia indro izy ireo indray no indro manolotanana hanavotra azy tampoka. Dia ho inona indray no hevi-baovao hoentin’izy ireo ? Soa aloha fa tonga saina izy ireo, saingy tsy efa “ilay hira hoe tara na ambadik’I Sahondra”, hoy ny tenin-jatovo ve ?. Ny ahiana fotsiny dia ity: fitondrana FAT efa ela no tokony nikoha noho ny nahiny toa ampango tra-maraina, ka inona no tanjona kendrena amin’izany, ny mpanelanelana avy amin’ny SADC rahateo eto an-tanindrazana ankehitriny. Ka ny hamondron-kery hamikirana amin’izay mety ho fanavotana ankamehana ireo nitondra ny firenena amin’izao toerany izao ve ? Asa lahy, fa ny hanongotsongoina ny maty dia tahotra ny hanirim-belona ! Ravony
Rehefa zohiana anie ny resaky ny Basy Vava dia ny tsy hisian'ny fandrosoana eto amin'ny firenena mihitsy ny tanjony e! mampahalahelo satria ny vola tokoa no mibaiko ireto mba mpanoratara ato aamin'ny Basy Vava ka tsy maintsy izay hevitr'i dada ihanay no tanterahana. Soa fa hebdry ny Filoha hajaina Andry Rajoelina ka tsy ho azonareo rebirebena eo!
Tsara rehefa mivondrona ny mpanohana ny FAT dia mba mivondròna koa izay tsy manohana amin'izay hita ny mpomba sy ny mpanohitra dia mora ny hirosoana amin'ny dinika sy ny fifidianana manaraka rehetra.Tsy mila mivadibadika intsony fa rehefa mpomba dia mpomba rehefa mpanohitra dia mpanohitra.Dia samia mandrafitra ny projet de société itondrany ity Firenena ity avy ny roa tonta dia samy efa hanomboka hiasa eny anivon'ny vahoaka dia anjaran'ny vahoaka no mitsara izay tiany hitondra ny Firenena avy eo.Mba ialàna amin'izay ilay politika maloto mividy vahoaka sy mizara vola etsy sy eroa fa asa no ifampitsarana.Efa mandroso ny dia fa aza hatsatsoana intsony e!Ho afaka ny krizy ry zareo a!
Ny basy vava ve no maniry ny tsy hisin'ny fandrosoana sa i Rajoelina miziriziry tsy mety hifampi-dinika amin'ny mpanelanelana?
