sam.
24
juil.
2010
May kila tsy nisy noraisina ny trano hazo fonenan’ny mpivarotra saribao iray etsy Mandrangobato II Anosibe. Ny alarobia tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro no nambaran’ny tompontrano fa misy maimbo raikina any ambadiky ny trano any. Narahana setroka nidonaka avy hatrany izany ka nanaitra ny mponina manodidina. Teo vao niantso vonjeo ka samy nandany ny rano tao an-tranony ireo teo amin’ny tokantrano manodidina. Tsy tana ny afo satria trano hazo, feno saribao amin’ny gony ity may ity. Nisy moto ihany koa tao ambany rihana, fa araka ny vaovao nomen’ireo nanatri- maso dia ny tany ambony rihana no nisian’ny fahamaizana voalohany. 10 minitra monja dia tong any pompier ka nahafehy ny afo tsy nihitatra tamin’ny trano mifanolobodirindrina aminy.........
Ny ao ankaviany dia trano hazo, toerana fivarotana fanaka sy manao ny asa momba ny hazo rehetra. Ny eo ankavanany kosa dia trano fivarotana maromaro. May avokoa ny entana rehetra afa-tsy izay saribao amin’ny gony vitsivitsy. Potika ny fahitalavitra sy ny fitafiana rehetra. Araka ny fanadihadiana ihany dia voalazan’ny sefo fokontany eny an-toerana fa fifampikasohana herin’aratra no nahatonga ny loza. Misy anefa ny olona nahita ankizy nilalao afo, nandoro hazo sy taratasy tamin’io fotoana io ka ahiana ho izay no fototra. Niray saina avy hatrany ny mponina teo an-toerana ka niara-nisalahy tamin’ny famonjena sy famoahana ny entan’ny mponina teo amin’ny manodidina. Betsaka ny entana potika tamin’ny fibatana azy. Tsy nilaozana mpanararaotra koa anefa teo k a nahaverezan’ny entana sasany. Efa nisy ny tetik’asan’ny CUA teo aloha nanafoana ireny tranohazo anaty tanàna ireny, mba hialana amin’ny loza tahaka izao saingy ny rindrina anoloana ihany no biriky fa ny ao anatiny trano hazo. HERY A