sam.

24

juil.

2010

Nilentika ny sambo: Mibebaka ny mpanao politika

Ela ny ela, ka tonga saina ihany ireo mpanao politika. Nihaona tao anatin’ny sehatra ifanakalozana ny antoko maromaro, andro maromaro izay, nanao ezaka dinika. “Olana politika no atrehana, noho izany vaha olana politika ihany no hahazoana valiny.” Ireto avy ireo antoko politika miara-dia indray ankehitriny: AME, Ampela Manao Politika, Antso-MAMI, Arema, Fihavanantsika, Farimbona, GLM, Grad-Iloafo, HPM-FIDEM, Hasin’I Madagasikara, Iray ny Malagasy, Leader Fanilo, Madagasikarantsika, MAFI, MAMAFISOA, MAMI, MATSILO, MCDM, MDM, MTS, RPM, TGV ary TIM.

Voatery ny fiarahamonin’ny olom-pirenena

Hitondra ny anjara birikiny ireto antoko mitambatra ireto, ka dingana maro no hitondrany izany. Efa nisy ny fifanatonana tamin’ireo fikambanan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena (FMP), ka fepetra vitsivitsy no nangatahan’ireto vao nivondrona aminy, amin’ny alalan’ny taratasy misy sonia niarahana.........

Raha hatao ny dinika, tsara raha maneho mazava ny FMP amin’ny tsy fiandaniany na amin’iza na amin’iza (neutralité, impartialité, objectivité). Eken’ny antoko politika fa afaka mitarika ny dinika ny FMP, ka mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana, dia antsoratra no hanehoany fa tsy handray anjara amin’ireo rafitra isan-karazany hitantana ny tetezamita izy ireo. An-tsoratra no hilazany fa tsy handray anjara amin’ireo f i f idianana i san- tokony hametrahana ny Repoblika Fahefatra izy. Noho izany tsy azony atao ny mivoy na manindry hevitra politika. Ary farany, hataony izay hahamaro an’isa ny antoko politika handray anjara amin’ny dinika ho avy io. Mihevi-tena amin’izay… Asa na tara aloha na tsia ity fifohazana ity, satria efa miharendrika tsy hahitampanafany ny sambo, kinanjo nahatsiaro ihany izy ireo fa manana andraikitra. Araka ny fanazavana nomena, dia nanomboka nifampidinika ny antoko politika. Noho izany, dia hikaondoha izy ireo, anio sabotsy, hikatsahana fifanarahana politika araka izay azo atao hivoahana amin’ny kizo misy ny firenena amin’izoa fotoana izao. Hametraka ihany koa ny hasina maha antoko politika sy ny fombafomba hamahana olana politika any aoriana, izany hoe ainga vaovao eo amin’ny sehatra politika. Hay afaka mifampiresaka ihany! Araka izany, dia tsy voatery ho latabatra boribory no hivoriana, satria efa ao anaty ilay dinidinika ambany tafontrano. Koa amin’ny tapatapan’ny volana aogositra no hifamotoanan’ny antoko politika rehetra, vonona ny hanarina ny firenena, hikorana anaty … lalao fanatanjahan-tena ary dia ny filohan’ny antoko mihitsy no handray anjara. Farany, ezaka tian-katao ihany koa ny hanavahana tanteraka ny fiara-monin’ny antoko politika, ny an’ny olom-pirenena ary ny an’ny Tafika. “Mifamahofaho ireo seho ireo, ka ilàna famaritana mazava.” Handray anjara feno amin’izay dinika hamahana ny krizy ireto antoko politika ireto, ary mivonona dieny izao. Ny fikaonan-doha hatao anio no hamoahana ny tolokevitra any amin’ny dinika isan-tokony, indrindra fa ny dini-pirenena. Marihana fa solontenan’ny antoko hatrany no nanao sonia ilay taratasy antsoina hoe “Manifeste des Partis Politiques.” Raivobe

écrire commentaire

Commentaires: 8

  • #1

    jacta (samedi, 24 juillet 2010 08:53)

    Maninona raha ovaina amin'izay ny lalanan'ny ANTOKO POLITIKA:mizara ROA ihany (ny mpitondra sy ny mpanoitra).Mzava tsara amin'izay ny fomba fiasa.Amin'izay koa afaka miasa, manao zavatra ny mpanoitra fa tsy mamingana fotsiny no ataony !(jereo ny antoko mpolitikan'olona any IVELANY azo alain-tahaka...)

  • #2

    NY HENDRY (samedi, 24 juillet 2010 09:05)

    Tsara rehefa mahay mifandamina fa TANDREMO FOTSINY ny cinema fa mandalo ny MPANDAMINA IRAISAMPIRENENA dia mody HENDRY NY SASANY fa vao dila dia RAIKITRA INDRAY NY SAKOROKA

  • #3

    rajery (samedi, 24 juillet 2010 12:28)

    Eh,maha te hidera anie ny FAHENDREN'ny MALAGASY rehefa ho hendry izay izy ireo.Dia isaorana Andriamanitra fa handroso hiala amin'ny krizy amin'izay isika mianakavy e!Raha ny fanahiana aloha dia tsy misy fa tombanana tsy ho azon-tsampona ny dia.Olon-kendry sy olona niova fo ireo daholo ve hanaonao foana e?Dia tsofina rano ianareo hahaleo hahalasana mba hiadanan'ny ambany lanitra ry ireto a!Mba tena ny tombotsoa avon'ny Firenena tokoa no ho katsahinareo sy izay hahasoa ny taranaka ao aoriana tsy hiverenan'ny krizy toy izao intsony e.

  • #4

    rambelo (samedi, 24 juillet 2010 18:13)

    raha ireny olona mikivorivory ireny ilay lazaina fa mpanao politika dia diso tanteraka izany ny hevitry ny teny hoe fanaovana politika sy ny mpanao politika eto amintsika gasy. Raha ny tokony ho izy anie dia manana antoka sy fototra mafy any amin'ny vahoaka izany mpanao politika izany e!Manana projet de société, mahay sy vonona handray anjara amin'ny fifidianana, manana foto-kevitra ijoroana: ohatra hoe manao sosialisma dia tsy afaka hiaina amin'ny politicien liberaly. raha mitonona ho demokraty dia tsy tokny ho konservatera na nasionalista,ny antsika eto mpandraharaha sy mpanao afera no lasa manao politika dia io fa tonga ny olana. zay moa satsy zai?

  • #5

    Dénise Rabe (samedi, 24 juillet 2010 23:42)

    Dia resy tanteraka lehiretsy i Valomanana a!

  • #6

    sareraka (dimanche, 25 juillet 2010 10:24)

    Nanomboka tamin'ny 1991 io fanaovana politika tsy manjary io e.Inona moa no mba projet de société and-Ndremanjato sy ny forongony tamin'ireny?

  • #7

    NY HENDRY (dimanche, 25 juillet 2010 11:51)

    Aza dia mamalan-kira re ry Dénis Rabe a!!! tadidio rehefa mifandamina tsy misy resy sy mpandresy izany fa ny tombontsoa ambonin'ny firenena no resahina FA KOSA REHEFA OMENA NY VAHOAKA NY SAFIDY ZAY VAO MISY "HEVITRA "RESY NA MPANDRESY

  • #8

    rajery (dimanche, 25 juillet 2010 20:01)

    Mila tezaina sy ampahafantarina tsara ny tena dikan'ny hoe "politika"ny vahoaka Malagasy fa tsy hataon'ny olona sasany ho tohatra fiakarana eo amin'io fitondrana io sahala amin'izay nisy teto hatramin'izay.Ny tsy mampandroso antsika anie dia izay tsy fahampian'ny "fahalalana ho an'ny rehetra"izay dia araraotin'ny sasany e!Ny toe-tsain'ny mpanao politika koa tokony ho fehezin'ny antoko fa tsy mifehy antoko.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra