sam.
24
juil.
2010
Mitohy ny fanadiovana sy fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana, tontosain’ny CUA. Mbola eny anatin’ny firaisana faha 4 eny no maresaka amin’izao fotoana izao. Goavana amin’ireny ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany. Voatery esorina ireo mponina nanangana trano sachet amin’ny sisin’iny lakandrano iny. Trano 80 tafo eo ho eo, ahitana mponina miisa 800 mahery no noravana. Niteraka savorovoro izany ka saika niafara tamin’ny fandoroan’ireo olona ny fitaovan’ny minisiteran’ny asa vaventy. Manohy ny fitarainany sy ny fitakiany ny mponina teo, indrindra fa nandre ilay tenin’ny minisitry ny mponina hoe tokony noheverina aloha ny nametrahana ireo vahoaka mahantra ireo vao noravana ny fonenany........
Vahoaka nampahantraina ireo araka ny ambentin-teniny matetika. Dia nahazo ny anjarany koa ilay fokontany be mponina mahantra indrindra eto Analamanga dia ny fokontany Angarangarana sy Mandrangobato II izany. Noraofin’ny mpiasan’ny CUA ny entana teny amoron-dalana tamin’ny alakamisy maraina. Ny alarobia tolakandro tokony ho tamin’ny ora tany no nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny CUA, notarihan’ny manamboninahitra Kapiteny iray. Noravana ireo trano hazo noheverina fa tsy manara-dalàna. Ny tolakandron’io dia nivondrona ny mpivarotra amoron-dalana ka nitondra sora-baventy hanonganana ny sefo fokontany. Ireto mpivarotra manao grevy dia anisan’ireo 90%n’ny mponina hianjadian’ny fahantrana ao amin’ireo fokontany ireo. Very asa nandritra ny krizy ny ankamaroany. Tsy maintsy hanatevindaharana ny mpivaro-tena ireo vehivavy, ary hanamafy orina ny andian-jiolahy efa mirongatra ireo raim-pianakaviana tsy mahita asa. Ireo no teny ventesin’ireo mponina tratry ny fandaminana ataon’ny CUA. HERY A
Raha nytokony ho izy,misy aloha ny fampiresahana sy fifanarahana(kaomina sy ny vahoaka),vao mandeha ny asa fanadiovana...Tsy fantatra ny tena zavamisy marina? NY VAHOAKA foana no minjaly amin'ny zavatra toizao.Ny fokonolona afa MAHATRA!
