sam.

24

juil.

2010

Firaisana ara-nofo: Ilaozan’ny lehilahy lavitra ny vehivavy

Maro ny fanontaniana manitikitika ny saina mikasika ny fiainana ara-pananahana. Namoaka ny vokatry ny fanadihadiana nataony ny Daily Best, gazety mpiseho any ivelany. Nivoitra tamin’izany fa tsy mitovy ny fomba fanaon’ny olona tsirairay, izay misy ifandraisany amin’ny kolontsain’ny fireneny. Rehefa natao, ohatra, ny fanadihadiana tamina firenena miisa 26 eran-tany dia izao no hita. Ny 70%-n’ny Frantsay no milaza fa tsy mahavita firaisana ara-nofo afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro ihany. Ny 25% amin’izy ireo ihany no afa-po amin’ny fiainany ara-pananahana. Mitana ny laharana voalohany ny Nigérians, satria ny 67%-n’ny olona any amin-dry zareo no mahatsiaro ho afa-po. Any amin’ny vodilaharana any kosa no ahitana an-dry zareo Japonais, izay tsy misy afa-tsy ny 15% ihany no mahita fahafinaretana sy faly amin’ny fiainany ara-pananahana. Mi s o n g a d i n a i h a ny koa ny fahasamihafana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Voalaza mantsy fa manatombo hatramin’ny 16% ny tahan’ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny lehilahy, raha ampitahaina amin’ny an’ny vehivavy. Mahavita firaisana ara-nofo in-66,5 isantaona ny lehilahy iray amin’ny ankapobeny raha 57,2 no vitan’ny vehivavy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra