sam.

24

juil.

2010

Chissano:Hidinika amin’ny mpanao kolikoly ve ny FAT ?

To n g a n y amb a r a ho mpanao kol i kol y ! Mitomandavana ny fandraisan’ny filoha Mozambikana teo aloha, sady filohan’ny vondron’ny mpanelanelana eo anivon’ny SADC ireo ankolafinkery samihafa. Etsy amin’ny Carlton Anosy no handraisany ireo vondronkery ireo. Ny hanampy amin’ny famahana ny olana no tena anton’dian’ity lehilahy manana ny maha izy azy ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity. Tsy voafingan’ny fankahalàna naparitaky ny fitondrana sy ny mpiray donak’afo aminy izy, fa nasesiky ny fitiavana ny filaminana sy ny fifankatiavana. Omaly no nisesika nihaona taminy ireo avy amin’ny vondron-kery samy hafa toy ny mpanao politika sy ny fiaraha-monina sivily, izay ho raisiny avokoa.......

Mihaino, dia mandinika, fa tsy manao jadona. Izay no tanjony, satria an’ny malagasy ny famahana ny olana eto an-tanindrazany. Ny manitikitika ny maro, dia ny hoe, hihaona amin’io ambara ho olon-dRavalomanana sy mpandray kolikoly io ve ny avy ao amin’ny FAT? Ny mahalasa fisainana, dia mbola nomen’ny fitondrana FAT haja ihany izy io, tamin’ny fiaran’ny ministeran’ny raharaham-bahiny nitsena azy teny Ivato ny alarobia lasa teo. Toa menatra ny vava be natao angamba ireo nankahala sy nanoso-potaka azy, ka mety hihaona aminy ihany? Dia ho hita eo, fa na ny fanatongavany tampoka teo aza, dia efa zava-dehibe, satria ilaina ny fidiran’ny hery vahiny toy izao, rehefa tsy mahavita azy isika samy isika. Na izany aza, aty amin’ny malagasy ny baolina, fa tsy any amin’ny vahiny. Vainafo zanany.

écrire commentaire

Commentaires: 8

  • #1

    jacta (samedi, 24 juillet 2010 08:35)

    Ity zavatra ity manahirana: tany aloa notereny ny gasy ,izao tsimaintsy ataonareo, ankehitriny mody milefaka indray satria tsitafa .Inona indray mpaika manaraka eo?...

  • #2

    rajery (samedi, 24 juillet 2010 12:12)

    Hirariana mba samy ho raisin'i Chissano avokoa izay rehetra mangataka fihaonana aminy fa hamaha ny olana amin'izao krizy izao no ahatongavany ka mino sy manantena izahay vahoaka madinika fa hivoaka tsy ho ela ny sori-dalana ialana amin'izao krizy mandreraka be izao.Izahay efa mba te hiadana na dia miala amin'ity tsy fandriam-pahalemana ity fotsiny aza aloha.Avy eo manaraka ny sisa e!Sa ahoana?

  • #3

    Dénise Rabe (samedi, 24 juillet 2010 23:40)

    Ny HAT dia tsy maniry velively ny ho raisin'ingahy Chissano, fa ingahy Chissano no niangavy an-tanan-droa horaisin'ny HAT. Koa aoka hazava tsara ny resaka ry Basy Vava a!

  • #4

    tsy aritra (dimanche, 25 juillet 2010 20:57)

    Ilay olona iray eto dia tsy mahay afatsy ny manindrahindra an'i TanoraGasyVendrana fotsiny no tena ataony.Tsy mbola nahitana hoe antony mitombona anefa hanaovan'ilay olona iray izany hatramin'izao fa anjambany.Ny manaratsy gazety koa talentan'ilay olona iray.Tsy zakan'ilay olona iray mihintsy raha vao manonona sy miresaka hoe"valo".Ary maromaro ny tsy mitovy fijery amin'ilay olona iray ato noho izy manao bontolo toa an'i TanoraGasyVendrana.Ilay olona iray dia anisan'ireo lazain'ilay olona iny fa"mpomba ny fahefana jiolahimboto"ary toa jiolahimbavy mihintsy ilay olona iray raha ny fanehoan-keviny.Tian'ilay olona iray ny hijanonan'i Madagasikara ato anatin'izao krizy izao maharitra raha ny fahitana ny voalazany satria tsy te hifampidinika amin'ity vahiny tonga ny lehibeny fa sao mivaha ny krizy.Averiny ombieny ombieny ny hoe:"vive Rajoelina".

  • #5

    Dénise Rabe (lundi, 26 juillet 2010 14:29)

    Efa miakatra indray io ny tambavin'ny forongon-dRavalo, ka manomboka miteniteny foana. Eny e! Sahala amin'ny dadany ihany ry zareo ka! Mbola tsy miova mihtsy an! Ka na vendrana izahay na jiolahimboto na jiolahimbavy araka ny filazanareo azy, anay aloha ny fahefana sy ny fitondrana, ary tsy avelanay ho azon'ny forongon'i Valomanana intsony io na handeha mbaniny lohany aza izy ireo.
    Ny tena mahatsikaiky anie dia ity e: vendrana hono izahay dia afaka nanongana ilay mpanao jadona tsy mifaditrovana toa an'i Valomanana. Izany hoe vendrana lavitra noho izahay zany nyTIM sy ny GTT ary Valomanana.

  • #6

    koto (lundi, 26 juillet 2010 14:51)

    ô rey olona a! nareo ve de tsy mahay afa-tsy ny mifanaratsy sy ny mifanebaka e! mba re tonga saina f'aza de variana @ zany, diniho kely ange e! mahantra be ane tsika e! nareo aty andrenivohitra mety tsy mahita ny fahantran'ny olona aty ambanivohitra aty, fa de faly miady an-trano toy izany fona, tsy tsapanareo ve fa ireo olona ambony ireo n'iza, n'iza de manankohanina fona isan'andro, fa isika valala be mandry ahoana? zany no tokony hojerena akaiky raha tena tia tanindrazana sy tia namana fa tsy variana miady an-trano toy izao§ faly ane ny mpanao politika mahita antsika miady vava toy izao e!
    ny ahy de tsotra fotsiny mba dinihonareo olona ambony sy milaza ho tia tanindrazana fa tena mahantra ny gasy, maro ny tsy manan-karotsaka, mandry fotsy, ka ny mahamaika raha tena tia tanindrazana nareo dia, afaho @ zao fahantrana zao ny vahoaka fa de mijaly.
    misotra tompoko!

  • #7

    tsy aritra (lundi, 26 juillet 2010 19:10)

    Koto a,izay indrindra anie ilay ilana ady hevitra fa tsy hoe mifanaratsy araka ny fijerenao azy e!Koa ny lehiben'ilay olona iray sy ny forongony miziriziry tsy mety hihaona amin'i Chissano hamahana ny olana eto M/kara koa inona no krizy ivaha amin'izany?Tian'ilay olona iray sy ny forongony hitohy izany ny krizy ka hiha-mahantra hatrany ny Malagasy,ka tsy sakafo intsony no hohaniny fa ahitra maintso,tsy rarahian'ilay olona iray sy ny forongony izay mandry fotsy any e,koa ahoana ary hoy ianao no hatao?Mila maneho hevitra fa aza atao hoe mifanaratsy e!

  • #8

    TALBOT (mardi, 27 juillet 2010 08:40)

    tokony tsy apidirina @ resaka krizy sy ny famahana azy ny profeseur sy ny amiraly fa reo koa ny tombotsoany sy ny sezany no mahamay azy ka na iza eo dia tsy hanaiky foana reo ra tsy hoe izy mitsy ngah no president. tokony i andry sy ravalo no miaraka mamaha ny krizy fa tsy ny pijampy train

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra