sam.

24

juil.

2010

Asakasakareo !

Hoy Ramaroson izay ilay mpihira malaza io : «Horakoraka anjaran’ankanga, kalokalo fanaom-boromanga, asakasakareo tsy hitranga!». Dia tadidy koa ilay teny nalaza hoe : « Midimidira ny akanganay, tsy hita hatry ny ela ka tonga indray ». Nahoana moa no tsy ho tsaroana ny fahendren’ny teo aloha rehefa sendra ny trangan-javatra toa miverimberina loatra ity firenena malagasy ity ? Ka ho avy àry ve ianareo hanatrika sy haneho hevitra amin’ity dinika santatra ity e? Ny olona avy any ampitandranomasina, efa saika nafoy amin’ity fanelanelanana ity indray, no tonga tamin’ny ora tsy nampoizina. Fa mahay zavatra Andriamanitra: i Litakely mihitsy no be siasia sy matimaty amin-draha tiany, tahaka ny kalalao nilomano amin-dronono. Mandom-baravarana indray mantsy ny safidy sy ny tetika tokony hararaotina mba handresena lahatra ny mpiray donak’afo fa tsy maintsy mandefitra kely: mba mihorirana re raha tsy te-ho sahirana e! Iza moa no afaka hanambara fa hoe: tena sambatra sy mahita tombony amin’izao manjo ny firenena malagasy izao? Raha tsy te-hanenina ny mpanao politika rehetra mbola manampanahy dia tokony hanilika avy hatrany izay olona (inoana fa vitsy an’isa) mbola te-hitazona ny firenena ao anatin’izao krizy izao. Raha i Zandrikely no tia an’izao dia aleo izy hiala fa tsy lasa izany e!......

Ramose no mankafy ny fijalian’ny malagasy marobe dia avelao hitsapa fahoriana any an-tanin’olon-kafa any fa mandreraka fotsiny! Raha ny Deba no misakana ny tsy handrosoan’ny saretin’i Gasikara, dia tsara tso-drano fa efa be anie no vitany tamin’ny tanindrazantsika ity e! Raha ny Profy mahay mandidy no manao bemarenina tsy tia fahasitranana ho antsika eto, dia dingano any lehiretsy fa maha-be resaka fotsiny a! Raha ry tonton Sôla miampy an-dry Debakely, ry Ikotofetsy sy Imahakà, mpanao ny kajikajiny no mibahan-toerana dia azy ny azy fa ny fifidianana ve no tsy efa hirosoana e! Raha ilay Praiminisitra teny an-dalambe, afaka nanofa trano am-bolana vitsy tao Mahazoarivo no mbola mila kisa sy mila vaniny dia ataovy veloma fa taraiky isika e! Mbola azo tohizana lavabe io fa ny andraso andraso ,hono, mahariva andro, ary ny andao andao koa mahavery entana. Fotoana izao hijeren’ny mpanao politika izay tena tokony hirosoana marina amin’ny FIFANARAHANA. Hifanarahana fa tsy tokony hisy henjehina amin’ny fanehoan-keviny ny olompirenena, tsy hisy ny fahefana rombahina amin’ny tery setra sy an-dalam-be, henjehin’ny lalàna velona ny mpanararaotra ny fahefana nomen’ny vahoaka azy mba hahazoany tombotsoa manokana, faizina mafy ny mampiasa ny bebaoty ho amin’ny fitiavan-keliny. Miandry fifidianana sy manao ady hevitra any amin’ny lapam-panjkana any ny vitsy an’isa. Rehefa tsy ifanarahana ireo hevitra vitsikely ireo dia aza manofy atoandro sy manisa kintana, fa ny omaly tsy miova ihany io. . Aza miseho masoandro akory raha hanao toetry ny mpamosavy malemy. Aza mitomany voalavo maty koa, fa mbola hiakatra ny any an-tsaha. Ary ambonin’ireo rehetra ireo dia diso sy manan’adidy izay minia mangina kanefa mahatsapa ny tsy rariny, sy tsy te-hiaina fahalovana. Teneno anay! Aza afenina ny marina, fa teneno amin’izay. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    rajery (samedi, 24 juillet 2010 12:00)

    Tsy misy ahiana intsony ny firosoana ho amin'ny FIFANARAHANA fa ny fandaminana ny hanatanterahana azy sisa e!Hendry anie ny Malagasy rehefa mazava ny fitsipika e!Mba hikapa hahita ny tonony ary handidy ahita ny vaniny amin'izay anie izay rehetra hitondra izao tena tetezamita izao hiadanan'ny ambanilanitra fa ho vita hatreo ny krizy ka samy hahazo ny anjara tandrify hiadanany ny olom-pirenena tsirairay.Ho ela velona ny Malagasy tia-fahendrena.

  • #2

    beloha (samedi, 24 juillet 2010 18:02)

    de hosora-menaka ny vavanao sy ze sortanao rajery ah. be fanantenana tokoa ianao e? famisy tsy faly hivahan'ny krizy ane e! zay ngamba no dikan'io asasasakareo io?

  • #3

    Dénise Rabe (samedi, 24 juillet 2010 23:36)

    Andry Rajoelina ihany no filoha tena mahay sy mamim-bahoaka e! Tena tsy asiana ady hevitra intsony io! Reraka eo fotsiny ialahy isany ry Basy Vava a! Ary ho lany eo fotsiny ny volan'i Valomanana hanakaramana an'ialahy isany, fa i Andry kely mahavita azy indray dia ho Filohan'ny Madagascar hatramin'ny farany.

  • #4

    tsy aritra (lundi, 26 juillet 2010 19:39)

    Andry Rajoelina ihany no FATn'olona tena mahay MAMPAHANTRA VAHOAKA sy mamiTA-bahoaka e!Tena tsy asiana ady hevitra intsony io!Reraka eo fotsiny ialahy isany ry Basy vava a!Ary ho lany eo fotsiny ny volan'i Valomanana hanakaramana an'ialahy isany HILAZA NY MARINA sy ny TSY RARINY ataon'izao tetezamita sandoka izao,fa i Andry kely TSY mahavita azy indray dia TSY ho filohan'i Madagasikara na oviana na oviana.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra