ven.

23

juil.

2010

Sareraka: Tsy mety amintsika ny « scrutin de liste »

Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hivaha ny krizy. Tsy maintsy mizotra any amin’ny fifidianana ny Malagasy mba hijoroan’ny fanjakana mifototra amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika fahefatra. Nilaza anefa ny mpikambana iray amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Yvon Randriazanakolona antsoina hoe Sareraka, fa “tsy mety amintsika Malagasy ity “scrutin de liste” ity. Raha ny tokony ho izy dia mba lany amin’ny taha 50% mahery hatrany ny olom-boafidy rehetra”. Aminy koa anefa dia “tsy tokony hatao ankamehana mihitsy ny lalam-pifidianana. Ilaina ny adihevitra lalina mikasika izany”. Tsy mankasitra mihitsy ny hevitra efa vita lasitra mialoha ny tenany fa ny fiarahamidinika sy fiaraha-manapaka ihany no izy. Rehefa tsara ny lalam-panorenana dia mizotra ho azy ny fampihavanampirenena. Takiany koa mba any ifotony no hanombohana ny fifidianana fa tsy manomboka any amin’ny filohampirenena, araka izay dradradradraina etsy sy eroa. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 7

  • #1

    jacta (vendredi, 23 juillet 2010 08:30)

    Ho horoitina ho 20 taona indray ny TETEZANA LAVA? amin'izay MISAOSY foana.

  • #2

    brx (vendredi, 23 juillet 2010 09:02)

    Inona koa mba fantan'i Sareraka amin'ny scrutin sur liste? Raha tsy ihirana mandany jiro.

  • #3

    jacta (vendredi, 23 juillet 2010 09:25)

    Ny marina dia izao matoa ny firenena sasany manao an'io SCRUTIN SUR LISTE IO , dia satria io no metimety kokoa raha betsaka ny antoko politika amin'izay ao anaty antoko- politika daholo no milatsaka ho fidiana.

  • #4

    MICHEL (vendredi, 23 juillet 2010 09:59)

    miteniteny fahatany i sareraka rehefa nahazo vola be .LERY NO TENA MPAMADIKA?MODY MIANAKENDRY .mNALABARAKA NY FOKO NIAVIANY

  • #5

    sareraka (vendredi, 23 juillet 2010 14:58)

    aleo mijanona amin'ny hira mivazavaza ihany fa tsy mendrika anao akory lé mi costard e
    tsy manova ninoninona akory fa mijanona ho foza ihany

  • #6

    NY HENDRY (vendredi, 23 juillet 2010 20:19)

    Izay anie l teneneniko hoe FENO MPIKARAMA AN'ADY ny politika eto e! Tsy manana antoko hiarahana indray lery de hoe:miteniteny foana ntsssss

  • #7

    deba (dimanche, 25 juillet 2010 19:45)

    Mila alamina mihintsy aloha ny rafitra politika eto amintsika,tokony ho 2 ihany amin'izao voalohany izao dia ny mpitondra sy ny mpanohitra ary tsy mila mivadibadika intsony fa samy manana ny projet de société ny avy ny andaniny sy ankilany ka dia mampandroso vahoaka sy miasa no atao fa tsy ny maimaika hahazo fitondrana fa mba ahandry tantana amin'ny vahoaka.Apetraka tsara aloha io izay vao resaho alefaso amin'izay ny"SCRUTIN SUR LISTE" sy izay FIFIDIANANA any.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra