ven.

23

juil.

2010

Mahalala olona ambony

Mahalala na mahafantatra olona ambony. Efa hatramin’ny andron’ny fanjanahantany no nisian’izany fomba fiteny izany. Nahafantatra ireo governora, indrindra fa ireo lehibena mpanjanaka fahiny. Zava-droa loha hatreo ka hatramin’izao no tena misongadina ao ambadik’izany. Ny voalohany dia ny fanaovana ho biby fampitahorana ireo olona ambony fantatra ary ny faharoa kosa dia ny fanaovana azy ireo ho mpanelanelana amina raharaha iray, izany hoe aferafera e! Mazava ho azy fa resaka kolikoly no tena mibahana ao anatin’ireo. Fahalalana olona ambony, tamin’ny fotoan’andron’ny fanjanahantany no nahasamborana an’ireo Malagasy tia tanindazana niady sy nikaroka ilay tena fahafahana ho an’ny Madagasikara voazanaka......

Nolovain’ireo taranaka taty aoriana izany ary nifandimbiasana tao anatin’izay repoblika telo nifandimby izay. Zovy no tsy nahalala ireo tantara maro nampivandravandra izany fahalalana olona izany fony ireo fitondrana nifandimby ireo. Nanjaka ny kibebe nataon’ireo zanaka na havana mpitondra ambony fony fitondrana Ratsiraka. Izay rehetra nirian’izy ireny toa azony mora foana. Teraka ihany koa teto ny antsoina hoe : « Itsimatimanota », dia ireo tsy mety voasazy mihitsy na dia mandika lalana aza. Ny tena nampalahelo teto dia mivadika ny rasa ka ireo sarangan’olona tsy mahalala olona indray no zary tafiditra eny am-ponja, tsindraindray. Nodimbiasan’ny fitondrana repoblika fahatelo izany. Toy ny teo aloha ihany, na dia tsy nanao izany mivantana aza ireo filohana andrimpanjakana dia nisy tamin’ireo mpitondra sy mpaka ranondranony no nanabe sandry tetsy sy teroa. Tafapaka hatraty amin’ny fitondrana faramparany tamin’ny repoblika fahatelo izany. Be dia be ireo feo nandeha sy mbola mandeha mandrak’ankehitriny mikasika ny « razzia » nataon’ireo mpitondra tamin’izany. Tao ny nisy porofo, tao koa anefa ireo resaka nandeha. « Ny hitsikitsika anefa tsy mandihy foana fa ao raha » ary « ny teny, hono, raha fohy manana elatra ». Izany rehetra izany no tena anton’ny fitolomana teny an-kianja nandritra iny taona 2009 iny. Indrisy anefa fa toa zary « mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny tondroin’ny tanany ary hafa ny handehanany ». Nibobobobo tsy nisy toy izany ny fanaovana ramatahora na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra ka hatrany ambanivohitra lavitr’andriana any. Ny tena loza dia efa lasa lavitra izany ankehitriny raha ampitahaina tamin’ireo teo aloha. Ankehitriny mantsy dia niova ho raha tsy mahalala olona tsy tafavoaka velona mihitsy, n’inon’inona kasaina hatao. Tsy saro-tadiavina ny porofo fa manadihady kely na manongilan-tsofina etsy sy eroa ihany dia mahafantatra izany raha tsy mbola niharany.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tsy aritra (vendredi, 23 juillet 2010)

    Isika Malagasy no mbola tsy masaka ara-potokevitra ka mora ambakaina sy mora amidy amin'ny resaka.Raha vao hoe fihetsiketsehana an-dalambe tsy rony tsy ventiny eo dia tsy maintsy misy ambadika foana ao(fanonganam-panjakana)fa tsy misy hoe fijerena ny tombotsoam-bahoaka izany eo.Efa in-3 anie izany no nisy hatramin'ny nahazoana ny fahaleovan-tena e!Ny voalohany 1972,ny faharoa 1991 ary ny fahatelo 2009.Ny 2002 tsy atao hoe fanonganam-panjakana satria fitakiana valim-pifidianana marina ny tamin'iny.Dia dihiho tsara ny tantara fa isaky ny misy krizy eto amin'ny Firenena dia mihendaja hatrany ny vola Malagasy ka fahasahiranana sy fahantrana no aterany avy eo.Dia isika samy isika no mifanome tsiny hoe :"ry ianona no nahatonga anio e"nefa dia samy tompon'andraikitra ny tsirairay.Raha misy mpanao politika mamory vahoaka dia aza misy mankeny anie raha tsy rava maina ao ny tsena e,omeny vola kely isan'andro ny sasany dia lasa mivarotra tanindrazana,ny sasany mody hoe izahay tsy ao anatiny fa mandalo dia mba mijery nefa dia hita izao fa liana matoa mandany andro eo,te hanakarena tampoka sy manantena mana milatsaka avy any andranitra ny ankamaroany fa tsy hisasatra saingy mbola mipetraha ho nofy aloha izany hatreto.Ataon'ny olona fitaovana dia matimaty foana amin'ny tsy tokony hahafaty,mba jereo anie raha misy havan'ny mpitarika politika na mpitarika politika maty amin'ireny fanaovana rodobe mamonjy lapam-panjakana ireny e,ilay olona tsy mahalala ny atao hoe"zone rouge"no vita matavy ao,ry zalahy ary aoriana ary mamporisika fotsiny sy mialokaloka.Ny maha tonga ny Malagasy tsy masaka ara poto-kevitra ihany koa dia ny fandraisana andraikitr'ireto fampielezam-peo sy gazety misy eto an-tanàna,tsy mba misy fitaizana moraly loatra ao amin'izy ireny fa resaka manaitra ny vahoaka aha-lafo ny gazety haingana no be.Mbola lavitra ny atao hoe FANDROSOANA isika amin'ny lafiny rehetra mihintsy.Mandroso amin'izay fiheveran'ny olona tsirairay azy ny malagasy fa tsy ilay tena fandrosoana mendrika.Samy mila fanabeazana daholo na ny mpitondra na ny entina fa tsy ny hoe manan-karena akory no tanjona sy izay no atao hoe fandrosoana,ampahany ihany izany.Koa manomboka izao dia enga anie mba samy handray izay tandrify azy handrosoan'ny Malagasy tsy vaky volo fa tsy ny ho an'ny tena ihany no atao ao andoha fa ny ho an'ny hafa ihany koa.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra