ven.
23
juil.
2010
Safidy fa tsy an-tery. Misy ny vehivavy mahazo fahafinaretana rehefa kitikitihin’ny vadiny ny nonony. Misy kosa ireo rikoriko. Faritry ny vatana anisan’ireo mitondra ho amin’ny filana ara-nofo ny nono. Mila fihetsika malefaka raha hanafosafo sy hanaitaitra azy fa tsy ho entim-po be fahatany. Ny tsy fahafantaran’ny lehilahy ny fomba fanaovana azy mazàna no tsy ankafizan’ny vehivavy sasany azy loatra. Andramo ny milalao ny nono amin’ny rantsana mandomando avy notsentsafina. Atomboka amin’ny manodidina aloha vao manantona tsikelikely ny lohany. Afaka miteraka fahafinaretana ho an’ilay vehivavy ihany koa ny fikitihan’ny vadiny ny nonony amin’ny volomaso, amin’ny lela ary hatramin’ny filahiana.....
Mibontsina tanteraka ny nono rehefa alefa mandehandeha moramora eo amboniny ny filahiana, amin’iny izy mihenjana iny. Azo alefa eo anelanelany ihany koa. Maro ny fitaovana azo ilalaovana ny nono, ankoatra ny vatana. Ao, ohatra, ny vaingan- dagilasy. Somary atete eo amboniny, arahana lelaka kely avy eo. Tena manaitaitra ilay hatsiakan’ny vaingandagilasy mifandimby amin’ny hafanan’ny ativava. Fitaovana iray azo ampiasaina ihany koa ny volon’akoho, na volomborona. Iny no anafosafoana ny vatany manontolo, mialoha ny hijanonana ela eo amin’ny faritry ny tratra. Mety hahasolo ny volom-borona ny borosy fandokoana. Asaina manao kisarisary eo amin’ny tratra mihitsy rangahy, ka izy ihany avy eo no mamafa azy amin’ny lelany. Hitantsika amin’izany fa azo atao tsara mihitsy ny mandany fotoana milalao nono. Tsy voatery ho firaisana ara-nofo hatrany no ifampizaran’ny mpivady, eo amin’ny resaka ara-pananahana, fa azo atao ny miova kilalao hafa, miala amin’ny mahazatra. Famelombelomana ny fitiavana avokoa izany.