jeu.
22
juil.
2010
Hiangonan’ny fanakianana hatrany ny antoko AVI amin’izao fiainam-pirenena izao. Potika hatrany izay olona nisisihany iarahana na notohanany teo amin’ny lafiny politika, ary na ireo antoko politika hafa na koa ireo mpikambana ao amin’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) miray donakafo sy mpiray dinidinika aminy ankehitriny aza dia efa nisy nilaza fa ny politikan’izy ireo sy ny torohevitra omen’ny filohan’ity antoko politika ity an’ingahy Andry Rajoelina, no mampihitsoka an’i Madagasikara ao anatin’izao krizy izao. Ny antoko AVI « As a Vita Ifampitsarana », nivadika ho « Akaiky ny Vahoaka Indrindra » ary niverina ho « Asa Vita Ifampitsarana » indray tamin’ny kongresy farany nataony tetsy Ampefiloha tamin’ny taon-dasa, no tiana ambara amin’izany.....
Izany tokoa an !
Efa namotsipotsitra io hoditr’akondro atsipin’ny AVI matetika, ka mahatonga an’i Andry Rajoelina miverindàlana amin’izay fanapahankevitra rehetra raisiny na izay efa nataony sonia io ohatra, ry Ravololomanana Lalatiana, ny mpikambana sasany ao amin’ny FAT sy ireo lohandohana mpanao politika na « mpanao gazety » mpanohana izao tetezamita mbola tsy ankatoavin’ny rehetra izao. Tsy efa saika namoy io toeran’io tokoa moa ingahy Andry Rajoelina, tamin’ireny raharaha momba ny “convention d’Epinal” nokononkononin’ny filohan’ny AVI tany Paris, volana vitsy taorian’ny nanandratana azy tetsy Mahamasina ireny ? Saingy rano natondraka an-damosin’ny gana avokoa izany, satria vao mainka aza mbola ireo olon’ity antoko ity ihany no mahazo vahana eo anatrehan’ny filohan’ny FAT. Ary dia omen-toerana « ambony » avokoa, raha mitaha amin’ireo antoko hafa samy mpanohana azy. Ary dia tsy misy mahozongozona azy ireo amin’izany, fa mba nanao ahoana moa ny nihafaran’ireo notohanany ?
Ny lasa tsy fanadino
Tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanànan’Antananarivo, tamin’ny taona 1998. Nandrotsaka olona hofidina ho ben’ny tanàna nifaninana tamin’Atoa Ravalomanana ny antoko AVI. Nandany vola sy lany fatotra amam-pondrana ilay kandidà natolotr’izy ireo tamin’ny fiatrehana ny fandaniana rehetra (fanotàna biletà, fampielezan-kevitra, sns…). Ny andron’ny fifidianana anefa, rehefa hitany fa tsy hay tohaina ny haharesy ny kandida natolony, dia notsohan’izy ireo teny amin’ny birao fandatsahambato ny biletàn’ny kandidany, fa ny hahamaro an’isa azy tao amin’ny mpanolotsainan’ny tanàna sisa no notetehiny. Fa inona no nihafaran’ilay kandidà natolony ? Toy izany koa tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny 2001. Nisisika mafy ny hifaninana tamin-dRavalomanana Marc izy, saingy nisintona ny filatsahany nony farany, ary nomen-toerana ho mpanolotsaina manokana tao an-dapa sy notendrena ho masoivoho mpivezivezy (ambassadeur itinérant). Tsy nahafa-po azy izany ary dia nilatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika izy tamin’ny 3 desambra 2006. Be ny rehaka sy ny fanaratsiana ny filoha tamperin’asa nafafiny, izay noheveriny ho mpifanandrina mivantana taminy, nandritra ny fampielezan-kevitra. Vavolombelon’izany ny mponina tao Ambohidratrimo. Saingy 4,22% ny isam-bato azony, fa tsy tafita tany amin’ny fihodinana faharoa araka ny nitetehany azy ny tenany. Roa taona taorian’izany, rehefa nisisika mafy nanohana an’i Andry Rajoelina izy dia iny niaraha-nahita iny ny nihafaran- dRavalomanana Marc, filoha voafidim-bahoaka. Tsy vahiny tamin’ny nanonganan’ny depiote an’i Zafy Albert tamin’ny 1996 ingahy Ratsirahonana, nefa anisan’ireo nahatafakatra an’i Zafy ho filohan’ny Repoblika. Sady praiministry ny tetezamita izy no filoham-panjakana rehefa nanaiky niala ingahy Zafy Albert. Ary dia mbola nilatsaka hofidina ho filoha indray, kanefa sady efa mpitantana ny tetezamita, saingy tsy naharesy an’i Zafy Albert sy Ratsiraka.
Hihafara toy ireo notohanany koa ?
Mbola mitetika ny hamerin- desona ve ny AVI ? Asa, fa mbola mety aminy ny lalan-dririnina. Anisan’ireo mpiketrika ny fanonganampanjakana, nandrafitra ny didy hitsivolana teny amin’ny CAPSAT namindrana ny “fahefana” ho an’i Andry Rajoelina ny lehilahy, ary tombanana fa anisan’ireo mpahay lalàna nandrafitra ny “lalàna” nanonganana ny solombavam- bahoaka sy ny loholona (samy voafidim-bahoaka ary endrika isehoan’ny demokrasia), ka anisan’ny nahatonga izao tsy fankatovana ny tetezamita tsy manaraka ny fenitra demokratika izao. Ireo solombavam-bahoaka efa naongan’ny lalàna narafiny tamin’ny volana martsa 2009 aza no mbola nisolantsolana nisolotena ny “parlemantera” gasy tany Seychelles andro vitsy lasa izay. Fehiny, olona tsy ho lany amin’ny fifidianana mihitsy ireny hoy ny mpanara-baovao, ka zarany aza misy tetezamita mitarazoka toy izao hahazoany mahazo toerana. Ary tombanan’ny maro fa tsy maintsy ho toy ireo “filoha” notohanan’ny antokony notsiahivina teo aloha ireo ihany no hiafaran’ny filohan’ny FAT atsy ho atsy. Satria ireny no asa vitany nitsarana azy. Rakoto
Tsy mahagaga raha io rangahy io e ! nareo ve tsy nahita fa izay nivadihany nidoboka daholo.Ireny sy ry Ndrema dia mivelona amin'ny politika maloto.Nahazo milliard maro izy izao teo tamin'iny fanonganam-panjakana iny dia mangina indray aloha.Afaka dimy taona indray rehefa lany ilay vola dia iny indray mitady soavaly ho taingenana.Dia toy izany no mba asa fivelomany.Assa raha mbola hahatratra ny dimy taona manaraka fa raha izao aloha dia tsy ho lasa lavitra mihitsy i Mcar raha mbola ireo no eto.
Tsy misy firenena rendrika zany eo ry Basy Vava! Fiainana mandeha normal be io ka rendrika a rendrika! Ialahy isany sy ny forongon-dRavalo no rendrika fa tsy Gasikara veliveky!
Marina tsy misy azo iadian-kevitra ny voalazanao ry aina.Na ho tratry ny 5 taona manaraka aza izy ireo dia tsara raha itadiavana "merc" tsy hanaovany io fanaony io intsony fa potika ity Gasikara ity amin'ny politika malotondry zalahy.
"Izay tsy nanota taminareo no aoka hitorabato azy".Mahaiza mifamela isika Malagasy dia hiadana sy handry fehizay ny zava-drehetra e!Efa vonona ny hibebaka eo anatrehan'Andriamanitra ny vahoaka sy ny mpitondra Malagasy ka tapakevitra fa tsy hifanenjika sy tsy hanao ampihimamba ny harem-pirenena intsony fa hijery ny tombotsoan'ny daholo be amin'izay amin'izao ho avy izao,fanapaha-kevitra maha te hidera sy soa fianatra no aseho manomboka anio hoy izy ireo,vita hatreo ny fangejana,ny fanagadrana,ny fanenjehana olona amin'ny lafiny rehetra,ny fifanaratsiana.Tonga olom-baovao ny Malagasy anio ary hitohy izany ho lovain'ny taranaka faramandimby.Tanteraka amin-tsika ankehitriny ilay hoe:"Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony".
Ié tsy rendrika fa saingy tsy afa miroso leisy ny TGV baininy à,zà alou de mamporisika hatrany anareo teny @13 Mai hanohana hatrany ny soavaly be tongotra saingy manana basy sy mahay mampirevy saingy raha ny hoe hanilika an'i Ramose dia ééé hi!hi!hi!i rangahy mitsikitsiky io ndray mahay mamotika ireny fa raha ny hampandroso dia nofy é ... mba ampianaro ihany ny ankizy mba tsy ho ambakain'ny oul fotsiny é
Izaho manokana aloha dia mitovy hevitra @ingahy mpanao gazety fahiny Gilbert t@ heviny @fomba hivoahana @izao krizy izao ( TSARA FA TARA satria raha nahandry ny fitoampifidianana vao namoaka programa fatsy nanohana izao sakoroka izao !!!!) ny momba an'ilay lohahevitra dia mazava toy ny masoandro be lohatoana fa IO SY NY AKFM SY NY MFM NO ANTOKO NAMELO-JANA-BARATRA NAMOTIKA ITY FIRENENA ITY t@alalan'ny FIKARAMAN'ADY POLITIKA MALOTO TETO @ firenena kaizany no hilazako hoe :AOKA HAHAY HIJERY TENA NY TSIRAIRAY DIA HIJERY NY MANODIDINA ARY KOA HAHAY HISINTONA LESONA mba tsy ho latsaka@izao kizo mahazo ny firenena izao
Toa misy marina ny voalazanao rajery,aleo tokoa mifamela sy mihavana rehefa tsy misy afaka manao "elimination physique" e!Hitabataba sy himenomenona eto f'angaha misy miraharaha an'izany ry zalahy AVI na AKFM na MFM.Ny sosy sy ny politika maloto ihany ny azy.Mila elimination ireo.
Tsy atao hahagaga fa ny AVI ange no tena nanapotika an'ity firenena ity maiaraka amin'ny Alain Ramarosona .Eo dia samy mianakendry avokoa izy mianakavy rehefa nangalatra ny fananapirenena, niaraka tamin'ny milisy
ianao Ranôrbera aza dia mianakendry eto amin'ity firenena ity intsony fa tena mahasosopaty.Ny nataonarehetra ,enga aniea ka hiveriana aminao avokoa ,indrindra ireo zava-doza vitana oteto amin'ny firenena.Mba mihinana ny vola be efa azonao hatramin'izao fa avelao ny fianarakendry .tsy hisy hanaiky anao intsony eo .Azo?
ô Denise AH ! môlka ve ianao io no tsy mahalala ny fisian'ny krizy? sa dia efa voaozona hiborosy an'niralavasanga lava izao .Mba menatra re ianao fa azaa dia manaotao fahatany io .sa ve ianao niara-nisaosy tamin'le banD y kely io amin'ny bois de rosE sy ny vy be be any soalala?miteniteny fahatany
IO rangahy io dia mpitady tombotsoa gaigy lahy fa tsy misy fijerena tombotsoan'ny firenena izany ny azy,izy sy Ndrema dia lasitra iray ka tokony fongorana tsy ho ao amin'ny Fitondram-panjakana intsony.Maty antoka mintsy ny Firenena raha toy ireny daholo ny mpanao politika!Mba jereo anie rehefa fifidianana raha maha sahy milatsaka ho fidiana e,efa fantany fa tsy ho lany tsinona(Ratsirahonana 10% nefa nampiasa fahefam-panjakana,Ndrema >4% no mba azony)fa ny manongam-panjakana sy mitaingina ny mpanongam-panjakana dia talentan'izy ireo.
anga tsy mba afaka hilatsaka ho fidina ko za satry mba avy sipan'i vadin'i andry
