jeu.
22
juil.
2010
Mahery Andriamanitra ! Io no nambaran’i Bonaventure, izay lehilahy, saika nifindran’ny herin’ny dadabeny tamin’ny sikidy. Tany amin’ny faritra Manelisoa Ambohimandry no nitrangan’io taona vitsy lasa izay. Narary teo am-pandriana ity lehilahy ity, ary nentin-javatra niala tamin’ny tany ny tongony. Soa anefa fa tsy nanitsaka ny tany ny faladiako, hoy izy, fa raha tsy izany, dia vitako tao anatin’ny indray mi-pi-maso ny lalana fito kilometra any ambadiky ny tendrombohitra any. Ny loza, dia niha-nalemy teo am-pandriana aho, ary tsy nahahinan-kanina. Nivavaka andro aman’alina aho, ary tsy naharesy ahy ny herin’ny fanahy ratsy. Ilay dadabeko, dia mpisikidy nikoizana, ary mahita ny ho avy. Maro ny olona naka fanafody gasy tao, ary talohan’ny nahafatesany, dia nitady olona namindrana ny fahaizany io sikidy io izy. Rehefa tsy nahavoa ahy ilay herin’ny maizina, dia ny zanako lahy kely 11 taona indray no saika nidirany. Any ampianarana io zanako io, dia tsy mahavita lesona, fa varimbariana izany hoy ny mpampianatra azy. Rehefa tonga any an-trano izy, dia nanambara fa lasa lavitra be ka tsy afaka nianatra. Ny tenany anefa, dia tao am-pianarana ihany. Rehefa matory izy, toa ingain-javatra izany, ary nifamonjena mihitsy. Afaka avokoa anefa ireny, satria ny fandehanako nivavaka no nahafoana izany rehetra izany. Mivavaka ao amin’ny fiangonana Apokalipsy aho hoy i Bonaventure, ary namindran’i Pasitera Mailhol hery, ka afaka manala devoly amin’izao fotoana izao. Izany no atao hoe herin’ny fanahy masina, ary tsy te-hiherika izany resaka sikidy izany aho mandrakizay. Nanangona Raleva zokiny
Itony indray ilay habobo fitantaran-dry Maihol sy ny forongony! Dia iza koa ny hino izany, ankotran-dry Basy Vava?
Raha azonao ampitaina any amin'i pasitera Mailhol ra-Bonaventure dia teneno izy tsy hieritreritra ny ho alain'ny vahoaka Malagasy hitondra am 2013 fa raha misy fahaizany na tena irak'Andriamanitra izy dia tsy ny fakana fahefana na fangetahetana ho mpitondra no andraikiny fa "asaivo mivavaka izy na mametra-tanana na asaivo mamindra hery araka ny voalazanao izy"amin'ireto mpanao politika Malagasy tsy mety hifanaraka ireto mba "HIFANARAHANY" dia hahazo fahendrena sy hampiadana ny ambanilanitra amin'izay izay Mpitondra eo.
Manomboka izao koa ianareo rajery sy radenizy dia efa manaova propagandy mba tsy hahatonga an'i pasitera Mailhol ho filoha amin'ny 2013, sao mba mety mahery noho ny Andriamaniny ny anareo dia ho hita
eo izay tena Andriamanitra e.
dia Izay no ivavahana, sa ahoana?
Ary za ve no ts mihaino tsara sa ny sofiko no mila fandiovana lalina fa hotrany tsy niteny hoe haka fahefana izany izy fa hotolorana ny fahefana.
Ny hoe tolorana fahefana sy ny hoe maka fahefana eto dia mitovy,jeu de mot io fa matoa mieritreritra ho tolorana fahefana dia efa te handray izany mba tsy ilazana hoe te haka.
na inona na inona no filazan'i Maihol, refa tsy sitrak'Andriamanitra no hitondrany eo dia tsy
tanteraka izany, fa ny tokony ataony dia ny
mampiditra ny ondry very ao am-balan'ny Tompo ary
mitondra am-bavaka ny mpitondra rehetra sy ny
vahoaka rehetra eto Madagasikara mba hiadana sy
ho finaritra, ka hanana filaminan-tsaina tanteraka.
Ary mba ho tonga amin'ny vahoaka malagasy tsy vaky
volo ny fahafahana, tsy hisy hitanondrika intsony
na hisentosento noho amin'ny tsy fananana sy ny
ngidin'izao fiainana izao
Nga Maihol ry ravo mpanao fahagagana a?Mbola olombelona nofo sy rà anie io e!Izy aza mpitandrina nefa maniry te hitondra Firenena!Asa fa raha ny voalazan'ny Baiboly Apokalipsy ngamba mety izany?Fa raha ny Baiboly niditra teto 160 taona lasa eo ho eo izay aloha dia manavaka tsara ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fivavahana na mpisorona e!Efa miova koa moa ny zava-drehetra tsy mba hiova ve ry Maihol?
lasako io refa kelikely eo ka.Tsisy adihevitra ny amin'io.
Raha io Pasitera io marina angamba no lasa president de la republique , tonga dia mamonjy olona torana foana ny AMBULANCES miasa mafy , ary be ny ministra amin izay fotoana izay no hivoahan ny fanahy maloto amin ny alalan ny fitiavam-bola sy voninahitra . Ny Tafika moa ny akamaroany dia olona avy amin ny sisiny daholo ary mbola mankafia ny fomban drazana tsy hita izay naharatsy azy , vao tondron ny fanondron i RAZOKY PASITERA tonga dia miatsika devoly eo amin ny fanaovana MATSO , lol . AZA HITAKO AN IZANY RY KAIKY BE !!!!!!!!!!!!!!!!
Io zan r reto az atao oe lasanao io na tsi,fa aleo n tantara no amaritr na iz io na tsia,otrzan fona n famnanin h@ andron testamenta taloh,lé zvtr toherina io tanteraka fona.so d arar fo @zan eo,tsialeo v ze aitana iray kapoka no atao e!tahin ntompo daholo
Gaga mintsy za hoe maninona ny olona no miasa saina amin'izany! refa tsy mety aminao le resahina dia aza rarahiana fa tsy zany no andanina andro eto!
hafatra ho anareo izay mbola be vava @ izay tenenen'ny pastera MAILHOL:andraso tapitra ny 23h 59mn le 31 dec 2013 ka tsy lasa president izy ,izay vao be vava ianareo.
