jeu.

22

juil.

2010

Mahamenatra e !

Asa indray izay zava-miseho any Kampala Ouganda any! Raikitra indray mantsy ny fivoriana fanao isan-taona fanaon’ny Firaisam-be Afrikana. Ny mety hampiavaka azy ity dia ny mety ho fahafaham-barakan’ity tanindrazantsika ity any. Niainga namonjy an’i Kampala ny “solon-tenam-panjakana” malagasy miasa sy monina ao Etiopia ao, ary izy no hisolo tena ny fahefana avo mitondra an’I Madagasikara ankehitriny. Ramose koa dia voaasa hanatrika io fivoriana io, efa nandao an’i Afrika Atsimo izy ankehitriny. Ny anjaran’ny mpiandry tanàna eto an-toerana dia ny maka an-tsaina izay mety ho zavamiseho any. Tsy voalohany anie no nisy fifandrohitana politika nitarika henatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena e. Fa isika tsy mety fay! Vaha-olana samy malagasy ihany, hono, no tena azo antoka sy mety hivoahana amin’ny kizo manjo antsika... Kanefa dia andiana-malagasy roa samy hafa firehana no hifanasa vangy any an-tanin’olona any. Menatra aho ry fireneko! Amin’ny fomba ahoana no haneken’izao fivoriam-be Afrikana izao fa Rakoto, na Rabe no hahasolo tena marina ny vahoaka malagasy? Tsy afa-bela amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy isika na hihodin-kavia na hihodin-kavanana.....

Kanefa aoka tsy adika vilana izany ho fibaikon’ireo Fivondronam-be isan-karazany. Ny lalampanorenantsika tamin’ity repoblika fahatelo ity ao amin’ny andininy faha-6 dia milaza fa tsy misy antokon’olona afaka hampiasa sy hisalotra ny hevitry ny vahoaka na amin’ny ampahany ihany aza. Ny fifidianana no hamaritana izay fahefana omen’ny vahoaka izay. Niala sy nivoaka “ny lalàna velona” ny firenena nanomboka ny 17 Martsa 2009, ary io mitsingevaheva io hatramin’izao. Na ny ady lehibe roa teto amin’izao tontolo izao aza, tsy maintsy nifarana tamin’ny alalan’ny fifanarahana. Resy anefa ny Aléma tamin’izany rehefa nanaovana ady farimbona. Resy fa mbola nanaovana fifanarahana ihany. Ny antsika eto dia bodongerona no manjaka. Tsy misy na ravintaratasy iray aza milaza fa ny fifandrohitana politika nitranga teto dia manome rariny an-dRanona, na i Ranona. Ny olona nahazo ny an-tsasa-manila tamin’ny fifidianana no nahilik’ilay nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin’ny kaominina iray monja. Dia mino ianao fa hilamina amin’izany ny tany sy ny fanjakana? Raha mijery sy mandinika tsara ny rehetra dia mbola mampiseho ny heriny hatrany ireo kamboty nilaozandrainy ireo hatramin’izao. Dia aza gaga raha hihomehezan’ny olona fotsiny rehefa any amin’ny sehatra iraisam-pirenena any ka hihambo fa mahasolo tena ny vahoaka malagasy. Tery omby ririnina izy ity ka tsy maintsy hisy ny fitsinjovana manokana. Nahoana no mangina sy tsy te-hivolana intsony ny mpanelanelana vahiny? Satria mihamazava ankehitriny fa mbola ho lany fotoana sy vola indray ny rehetra. Na ho ela na ho haingana dia hiverina hanao fifanarahana politika ihany ny mpifanandrina rehetra. Amin’izay fotoana izay dia mety ho hafa mihitsy ny toe-draharaha sy ny tanjaky ny tsirairay. Mahaiza manetsa, hono, Ravaly fa hafa ny anio sy ny omaly. Aza mitaintaina homa-menaka fa ho lanoka ihany amin’ny farany. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    jacta (jeudi, 22 juillet 2010 09:03)

    Ahoana kosa moa no ilazan'i ONY RAMBELO fa hihomezan'ny olona fotsiny rehefa any amin'ny sehatra iraisam-pirenena;ireo no solotenan'ny gasy any. Hevitra no ampiadiana any! ny olana dia ny samy gasy ihany no mifanaratsy,dikany samy eto isika, isika aza tsy mifanaraka...

  • #2

    rajery (jeudi, 22 juillet 2010 14:12)

    Hilamina amin'izay io tany sy fanjakana io atsy ho atsy fa aza manahy na kely aza e!Efa manomboka mianatra FAHENDRENA mantsy ny sokajin'olona rehetra izao ary samy hanatanteraka izany eo amin'ny fiainany sy ny ataony.Isaorana Andriamanitra.

  • #3

    rabary (jeudi, 22 juillet 2010 17:55)

    Ngah mou tsika malagasy mahalala menatra intsony é mati_kambo sy miseho ho mahavita kanefa ny mandrava no hay fa ny manangana dia ééé.Ny mifamely an_toerana toy ny mpamosavy malemy fa rehefa tena asaina manao kay tsy mahavita inn akory efa ho 16 mois tsy mahavita miroso nefa raha tenenina hiala zao dia tsy hiala aho no tsinjery fa manam-basy sy tohanan'ny Frantsay etc... fantatra ngeh fa tsy hisy afaka ho aiza eto raha mihevitra ny hanilika an-dRamosé é??? tohano foana ny soavaly be tongotra fa ry zareo teny @13 Mai ôôô

  • #4

    beloha (vendredi, 23 juillet 2010 11:22)

    ihomehezan'ny olona ra-jacta rehefa manasa lamba any ampivoriam-bahoaka any a! nga moa ferana tsy hivanitika ny olna rehefa tojo zavatra hafahafa. Iza moa no tsy efa nahita adala nianjka teny an'arabe? mahamenatra ireny, ary avy eo mihome anaty ianao na tsy hivanitika be eo aza. Matahotra ho darohany tsinona. Ireny ary dia adala manary lamba anie e:

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra