jeu.

22

juil.

2010

Charles Randriamahefa: Tsy Zafy, tsy Ratsiraka no olana eto

Mikasika ity krizy lavareny tsy ahitam-panafana ity dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny solombavam- bahoaka taloha, izay marihina fa lany in-droa nisesy tao Moramanga, i Charles Randriamahefa, Arema izy fahiny fa MTS na Malagasy Tonga Saina ankehitriny. Aminy dia “ t sy Zafy, t sy Rat s i rak a no olana e t o Ma d a g a s i k a r a f a Ravalomanana sy Andr y Rajoelina. Izy ireo no nifanehatra teto. Tokony hatsahatra amin’izay ity resaka ankolafy ity fa efa an’ny Malagasy ny raharaha ankehitriny, izay tokony atao eo ambany fiahian’Andriamanitra. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tokony ho jerena. Mila mihavana aloha vao mankany amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Hivaha ny olana amin’izay ary hifamela sy hifankatia ny Malagasy, ho soa ny firenena”. Amin’ity olom-boafidy fahiny ity dia tena teknisianina tokoa ny mpikambana ao amin’ny governemanta ankehitriny. Nefa aorian’ny fahatongavan’i Chissano, mpanelanelan’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina eto amintsika, dia tsara raha misy ny fanovana ny mpikambana sasany hanatsarana zavatra, hampilamina ny firenena. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Dénise Rabe (jeudi, 22 juillet 2010 13:04)

    Mba hevitra ataingina koa anie zany an-dry Charles Andriamahefa izany e!

  • #2

    rajery (jeudi, 22 juillet 2010 14:23)

    Te hiditra mpikambana ao amin'ny governemanta angaha ianao aorian'ny fahatongavan'i Chissano?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra