jeu.

22

juil.

2010

Any Suède: Saziana izay mitifitra mpivaro-tena

Mety hosaziana 15 taona an-tranomaizina ny mpivarotena any amin’ny firenena sasany. Mety hahazo vola manokana avy amin’ny fiahiana ara-tsosialy kosa izy any amin’ny hafa. Samy manana ny fiainany ny mpivaro-tena any anivon’ireo firenena tsirairay. Samihafa tahaka izay ihany koa ny lalàna ampiharina amin’izy ireny.

Fifanarahana iraisam-pirenena

Nisy fifanarahana iraisampirenena nivoaka tamin’ny taona 1949, mifehy ny fivarotana olona sy ny fitrandrahana atao amin’ny asa fivarotan- tena. Firenena miisa 72 ao anatin’ireo 189 mivondrona ao amin’ny firenena mikambana no nanasonia izany. Voarakitra tao ihany koa ny « tsy fampifanarahana ny asa fivarotan-tena amin’ny hasina sy ny lanja maha-olombelona ». Tokony ho samy namaritra izay politikany mifanitsy amin’izany ireo firenena ireo, araka izany....

Zava-misy

Tsy voatery ho izay anefa ny zava-misy iainan’ny mpivaro- tena. Misy ireo miafina, matahotra ny manam-pahefana any aminy. Misy kosa ireo manao ny asany aminkahalalahana. Voararan’ny lalàna, ohatra, ny fakana mpivaro- tena sy ny fandoavana vola aminy, any anivon’ireo firenena maro any Amerika. Any Eoropa Andrefana indray dia ny fitadiavana tombombarotra vokatry ny fitrandrahana mpivaro-tena no voararan’ny lalàna. Toy izany koa ny any Inde, any Asie Atsimo Atsinanana, any Canada. Omena fahalalahana kosa ny mpivaro-tena hitady vola araka ny fombany any amina firenena hafa, saingy hentitra ny fanaraha-maso. Zahana ara-pahasalamana in-droa isan-kerinandro, ohatra, ny mpivaro-tena any Grèce sy Turquie. Misy ny sekoly ambony natokana ho an’ny mpivaro-tena any Pays Bas, hahamatihanina azy. Ny fitondram-panjakana ihany koa no miantoka ny vola aloa amin’ny mpivaro-tena izay entina manokana hojifain’ny olona manana fahasembanana. Mifanohitra amin’izany ny any Suède. Saziana hatramin’ny olona tratra manjifa mpivaro-tena. Zon’ny olona kosa ny mivaro-tena any Frantsa. Nofaritan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa ho anton’asa ny fivarotan-tena tamin’ny taona 1998. Mandraka ankehitriny kosa anefa dia tsy mbola nahitam-bahaolana hentitra ny fitrandrahana antsokosoko ireny mpivaro-tena ireny.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra