mer.
21
juil.
2010
Akaiky ny dinika santatra. Tsy mbola hita veroka izay handray anjara, satria rakofan’ny ahiahy ny ankolafin’olona sasany amin’ny fahitana ireo mpitarika izay manana loko politika. Niala bala ny ankolafy telo, ary tsy te-hijabaka amin’izay hetsika karakarain’ireto ray aman-dreny mijoro ireto. Nahitsy ny fanakianan’ny Profesora Zafy Albert, fa ny antoko AVI no mitarika ity ambara ho ray aman-dreny ity. Hiarahan’ny rehetra mahita tokoa ny toerana misy ity antoko ity hatramin’izay ka hatramin’izao. Na eo aza ireny loko omen’ny hery samihafa ireto mpikarakara ireto, dia miezaka ny handresy lahatra azy ireo ireto ray aman-dreny mijoro ireto. Ny filoha teo aloha Ravalomanana, dia efa nametraka fepetra hentitra momba ity fikaonandohamparitra izay tokony hanomboka amin’ny herinandro ity......
Hatreto, dia tsy voadion’ny “klin” ny fanazavan-kevitra ataon’ny ray aman-dreny mijoro, matoa mbola misy ny misalasala. Ny tsy azo lavina kosa, dia maro no vonona hiady hevitra, ary ao no manitsy izay hevitra tiany havoitra. Raha hifampihantsy lava eto isika mianakavy, dia hilona hatrany ao anaty krizy ny vahoaka malagasy. Raha tsy handray anjara ireo ekipan’ny filoha telolahy teo aloha, inona no mety hiafaran’ity dinika santatra ity? Mbola ilaina ve no hifampiandany lava eto, nefa ny toe-karena sy ny sosialy efa potika tanteraka. Tsy aleo ve midinika toa izay hiandry ny vahiny lava eto amin’ny fandaminana ny fiainam-pirenentsika? Sa efa leon’ny fitaka lava ny mpanohitra, ka tsy hanamafy ny sezan’ny mpitondra hambara fa nandromba-pahefana. Ny samy mpanao politika aza tsy mifampatoky intsony, koa ny vahoaka indray ve no terena hino azy ireo? Samia mandinika, fa ny ora sy fotoana mandeha ihany, ary raha samy hiziriziry amin’ny heviny ny ankolafy tsirairay, moa hisy filaminana ho vanona ve eto ? Vainafo zanany
Tsy hisy intsony ny fifam-pitokisana eo amin'ny samy mpanao politika satria samy te ho fatsora daholo ary samy mikendry ny tombotsoa manokany avy ka adino tanteraka ny Firenena sy ny vahoaka maro an'isa.Ilay fanaovana politika eto Madagasikara mihintsy no tsy misy ilana azy,ary ny toe-tsaina hananan'ny mpanao politika koa mirefarefa amin'ny tany satria fantam-poko fantam-pirenena fa miady tombotsoa ny mpanao politika nifandimby teto dia ny Firenena sy ny vahoaka no atao sorona.Samy te hihinan-drery izay tafakatra eo amin'io Fitondrana io fa tsy hizara sy handamina izay mahasoa ny vahoaka sy ny ambanilanitra.Ry zareo efa voky sy miadana no miady dia izahay vahoaka mitrongy vao homana aty no mibaby ny tsy eran'ny ainay nefa Madagasikara mba anay koa fa tsy an'ny mpanao politika irery akory.Mba jereo amin'izay ilay ho an'ny vahoaka e!!!!
Inona izao no mba zavatra mivaingana vitan'io olona amin'ny sary io tamin'ny naha depiote azy?Misehoseho ho lohany eto indray fa mitady"manger"e!Mody hoe fitiavana Firenena no dradradradraina etsy sy eroa nefa naman'nyu mpandroba Firenena koa ireny fa raha hendry tsy mipetraka amin'ny maha pasitera fa eo no be politika eo.Ary mba nankaiza ilay zanany lahitokana namono olona iny?
