mer.

21

juil.

2010

Raikitra ve sa tsia ?

« Raikitra ve sa tsia ? Raikitra ! », hoy ny tonon-kirana mpanakanto malaza iray. Toa nanaraka an’io ankehitriny ny fiainantsika andavanandro. Mipetraka ho azy ny fanontaniana. Betsaka ary toa mihamitombo isan’andro mantsy ireo zavatra tokony hatao kanefa tsy mbola tanteraka, sy ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ny maro. Ho raikitra ve sa tsia ny dinika santatra sy dinika nasionaly ary ny fihaonambem-pirenena? Ilay tena izy no tiana resahina etoana fa tsy sarintsariny entina hanakonana ny tsy mety sy hikarohana ny fankatoavana iraisampirenena. Miezaka mikarakara mafy ireo tomponandraikitra nanankinana izany. Tsy mikely soroka ihany koa anefa ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo mitonona ho tsy momba ny atsy sy tsy miandany amin’izaroa. Samy manana ny fanambarany ihany koa etsy andaniny ireo tokony handray anjara amin’izany. Ao ireo efa nilaza ny fahavononany handray anjara. Ao ihany koa anefa ireo mbola mila vaniny aloha na mametraka fepetra mialoha ny hiatrehana izany. Ho raikitra ve sa tsia ireo fifidianana isan-karazany? Efa imbetsaka no nanambaran’ny mpitondra ankehitriny ireo fifidianana hatao sy ny datin’izany. Mandrak’ankehitriny anefa dia tsy mbola nisy na dia didim-panjakana iray niantsoana mpifidy hanefa izany adidy masina izany. Toa mihemotra lava izany. Misy manakana ve sa..? Ho raikitra ve sa tsia ny famoahana ireo gadra politika sy famerenana an-tanindrazana ireo olom-panjakana teo aloha izay lasa nanao sesitany? Lalana iray hahatongavana amin’ny fampihavanam-pirenena izany. Ilaina tokoa izy io, satria raha tsy mihavana tsy hisy hanjary intsony eto amin’ity nosy malalantsika ity. Tsy hionona amin’izao mantsy ireo efa naongana fa tsy maintsy mbola hiverina hanongana. Tsy hipetra-potsiny ihany koa ireo efa niharan’ny tsy nety toy ny fanagadrana fa tsy maintsy hitady hirika hamelezana izay namely azy. Tsy ho tanteraka mihitsy izany ilay vavaka hoe : “mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay”.

écrire commentaire

Commentaires: 6

  • #1

    Dénise Rabe (mercredi, 21 juillet 2010 05:37)

    Efa tsy mahatanty tsikera intsony koa izao ny Basy Vava ka manaisotra ny hevitra manatsikafona ny zava-tsy mety ataony an!

  • #2

    rabe fika (mercredi, 21 juillet 2010 09:53)

    tsy mahatanty ahoana ra-denise? sao adala iabnao ka ho tezi-dresaka indray. mazotoa atrny fa tsy mifendro izany ny ato ary tsy manavakavaka e!

  • #3

    Ralay (mercredi, 21 juillet 2010 11:45)

    HAT no tsy mahatanty demokrasia sy tsikera fa aza mitapy ry Denise a!

  • #4

    rajery (mercredi, 21 juillet 2010 17:07)

    Ilay raharaham-pirenena anie ry zareo tsy hisy zavatra antenaina izany raha tsy mahay mifanaraka sy mifampidinika ary miray hina tanteraka isika rehetra e,tsy misy fandrosoana raha tsy misy firaisankina fa ny maha voa dia ity isika mizaraza momba olona na io Rajoelina na io Ratsiraka na io Ravalo na io Zafy.Tsy izany toe tsaina izany intsony no zavatra takian'ny Firenena amin'izao fa ny FIRAISAN_KINA ny MALAGASY hahombiazan'ny atao rehetra.

  • #5

    NY HENDRY (mercredi, 21 juillet 2010 19:39)

    Eto M/kara dia tsy ho tafavoaka raha mbola izao ihany no entina atao amboletra eto NY ZAVATRA NANANKIHANANA NY TEO ALOHA IHANY NO MBOLA AVERINA (tena tsy mahay maka lesona mihintsy ny milaza ho mpitondra @izao) EFA HOE ATAOVY NY FAMPIHAVANANA(izay notabatabain'i Zafy);efa hoe aza tapenana ny vavan'ny tsy mitovy hevitra @nao(VIVA;RADIO FAHAZAVANA);efa hoe ataovy mazava ny fomba fitrandrahana KA EEEE

  • #6

    tsy aritra (mercredi, 28 juillet 2010 19:05)

    O ry Hendry a,henon-dry zalahy daholo izany sy fantany tsara saingy izay ilay politika malagasy ny "tena" aloha.Ny tombotsoa manokana ho azy anie no mahatonga azy hifanongana eo fa tsy"tombotsoam-pirenena"izany e!Izany no antony tsy hisian'ny dinika mibahana loatra ilay tombotsoa manokanan'ny tsirairay dia raha vao voatohina ny anjaran'ny iray dia tsy manaiky ny ilany.Dia toy izany hatrany ireo....mila olona ohatra anao ny Firenena ry Hendry.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra