mer.

21

juil.

2010

Madagasikara anivon-driaka: Lakan-drafitra very fivoy

Lakana iray ihany no voizin’ireo mpanao politika samihafa mitana ny fivoy eny an-tanany amin’izao tsy maintsy hiampi tana ny r ian-drano mafy t s y maintsy sedraina nandritra ny 16 volana izao. Lakana iray, dia i Madagasikara izay foin-janahary iondranan’ny vahoaka miisa 20 tapitrisa eo ho eo izay tsy maintsy miaramonina ao anatiny mba ho tody ka hivoaka amin’ny tafiotry ny krizy politika mbola mampihitsoka azy ankehitriny, satria tsy misy azo avarina velona any ivelany ny olom-pirenena manan-jo rehetra hiriaria ao anatiny na sorohina miala eto ka avarina an-dr iaka, raha sanatr ia tsy maintsy ho rendrika ny lakan-drafitra.

Vitan’ny hafa ve …

Raha alaina sary an-tsaina, dia sady tsy mandroso no tsy mihemotra ny toe-draharaha politika eto amintsika fa mbola mihodinkodina sy tavela eny afovoan-driaka eny hat ramin’ i z ao i l ay lakana, satria samy mivoy mankany amin’izay tanjona tiany hotratrarina avokoa ireo mpanao politika mpifanandrina mitana ny fivoy......

Efa maro ny malagasy tsy nanan-tsafidy fa tsy maintsy mpiondrana ao an-dakana no tsy mahazaka intsony izany sangodim-panina aterak’izany voy lakana mifanohitra izany, saingy tsy re feo fa takon’ireo avo vava sy tompon’ny « hery ». Raha ny resaka heno etsy sy eroa dia mirona mankany amin’ny tokony hisian’ny olona sahy mandray andraikitra ho fifanavotana sy hanavotana an’i Madagasikara, fa efa ampy izay volana maro nihodinkodinana izay, ary efa nihoaran’ny fivoatran’ny zava-misy ara-politika ankehitriny ny miandry izay higadonany toa ilay « rafotsibe very laona ». Ny azo tsindriana fotsiny, na dia voalaza aza fa manana izay mampiavaka sy mahahafakely azy ny Nosintsika, dia tsy misy mahasamy hafa azy loatra tamin’izay efa niseho tany amin’ny firenen-kafa ny zava-misy eto Madagasikara amin’ny raharaha nilana fifampidinihana sy fifandaminana politika nenti-nametraka fitondrana demokratika neken’ny mponina tao aminy sady nankatoavin’izao tontolo izao.

… tsy ho vitantsika ?

Ka ireo mpanao politika samy manana ny fironany sy ny firehany noho ny fitsitokotokoany, na noho izy mitamba-dratsy toy ny boka (sanatria !) mbola variana amin’ny tombon-tsoany manokana avy ve no avela hampanjaka ny fombaratsiny, ka haha-faraidiny sy hampitain- kidin-trano antsika toy izao ? Toa zary lasa fihomehezan’ny olona isika, fa ny tafrikana nitsiriritra ny fananantsika olomanga fahiny no lasa mpitsetra sy hianteherana hitondra vahaolana ho an’ny firenentsika, na dia tsy levon’ny vavonin’ny mpanao politika sasany mbola rotsirotsian’ny hambom-pony fahiny aza izany. Mb o l a h i a n t e h i t r a amin’ireo efa very fivoy ireo ve isika ka hihodinkodina eto foana ? Ary hatraiza no fara-fiaretana izany ? Aiza ireo kintana mpialoha johary hanarin-dia ny lakan-drafitsika ? Fa tsy fahendren-drazana ny mandraiki-dresy, satria ny hery tsy mahaleo ny fanahy!

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    sareraka (mercredi, 21 juillet 2010 17:30)

    Raha izao trangan-javatra misy eto amin'ny Firenena izao no mitohy(samy mandrirotra amin'izay tombotsoany avy ny mpitondra ara-politika fa tsy ny tombotsoa ambonin'ny Firenena no banjinina sy iarahana mitady vaha-olana) dia toa marina ihany ny an'ilay pasitera tsy miankina iray izay hoe:"izy no hantsoin'ny Malagasy hanavotra an'i Madagasikara ahatafavoahana amin'izao krizy politika misy izao".Dia efa miomana ianao dadapasy fa maika izahay vahoaka liam-pivoarana a!

  • #2

    jacta (mercredi, 21 juillet 2010 19:47)

    Mba fidinyho an'ny vahoaka tsy manan-tsiny moa no toaizao mahazo azy izao;sendra mpitondra sy mpanao politika tsy misy ilaina azy ! Ny miditra amposiny ihany no fantany.Aleo tsimisy fanjakana toa izay izao misy izao, ny sasany mitomany seza ,izay vao manaiky ny tokony atao, NY VAHOAKA MIHINANA NY ALEAKO MATY(ho maty tokoa raha izao no mitohy).

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra