mer.
21
juil.
2010
Ravaky ny tokantrano ny vehivavy raha mitoetra ary ravaky ny lalana raha mandeha. Oha-pitenenantsika Malagasy izany, entina handokafana ny hatsarantarehin’ny andriambavilanitra sy hanentanana azy hikarakara vatana. Navoakan’ny fanadihadiana natao tamina vehivavy 13-65 taona fa in-jato manova ny endriny amin’ny alalan’ny fikitihana ny volony ny vehivavy mandritra ny androm-piainany. Tapahana fohy kely ny volo, halavaina indray, lokoina, hangitaina, tsarina … Toetra hanovan’ny vehivavy ny volony avokoa ireo. In-droa isan-taona raha kely indrindra no manao izany any amin’ny mpanao taovolo ny vehivavy iray, arak’io fanadihadiana io ihany. Voasokajy ho ao antony mitarika azy hanao izany ireto. Ao aloha ireo te hanala rarin-tsaina sy tsy mahita atao......
Ao kosa ireo te hamerina ny fahatokisan-tenany. Tsy vitsy ireo manova ny volony taoriana ratram-po vokatry ny fisarahana tamina olon-tiana. Manova ny volony avokoa ny 16%-n’ireo vehivavy nanaovana fanadihadiana raha hamonjy lanonana, 15% no manao izany rehefa avy niteraka, ny ¾ kosa no milaza ho manova rehefa hitany fa tsy ao amin’ny ilany azy intsony ny taovolony. Tohin’ity fanadihadiana ity ihany fa ny volo lava misy sanga eo anoloana no be mpitia indrindra amin’izao vaninandro izao. Manaraka azy ao ny “coupe carrée”, ny « coupe dégradée ». Raha ny fomba mahazatra ny ankamaroan’ny olona dia ny fiandohan’ny volana aogositra no voalaza ho fotoana mahamety ny manapaka volo. Mahatsara ny volo hono ny fanaovana izany amin’io fotoana io.