mar.
20
juil.
2010
Samy manana ny teknika fisaritsarihany avokoa ny olombelona tsirairay ary tsy ny vehivavy ihany fa ny lehilahy ihany koa. Ny torohevitra entin’ny manam-pahaizana anio dia ny fampiasana ny tongotra amin’izany resaka « charme » izany. Ataovy izay hanomezana lanja ny tongotra amin’ny alalan’ny kiraro hanaovana, rehefa hi-“charme” izay ianao. Maro azo isafidianana ny endrika sy ny bika ary ny haavon’ny voditongotra amin’izy ireny. Misy ohatra ny kiraro antsoina hoe “mules”, dia ireny tsy avo tsy iva ireny. Mamoaka ny maha-“sexy” ny vehivavy somary lava izy ireny, araka ny voalaza. Mety hanintona ny mena, ny mainty sy ny fotsy. Misy ihany koa ny mivolona lokom-biby izay tena azo antoka fa hanaitaitra......
Eo indray koa ny kapa, na mbola ao anatin’ny fotoan’ny ririnina aza isika eto Madagasikara ankehitriny. Mamoaka ny hakanton’ny bikan’ny andriambavilanitra iray ny kapa avo voditongotra, saingy kendreo hifanentana amin’izay zakan’ny toebatana ihany. An i s a n’ ny l ama o d y amin’izao fotoana ity mikifatopatotra ity. Azo isafidianana izany tsara na ny kiraro na ny kapa. Ao koa ny “compensées”, na ny karazana kiraro avo, saingy mitovy tantana ny faladian- kiraro. Arahana haingony kely manaitaitra dia efa azo antoka ny “charme” aterany. Miankina amin’ny fahefamividin’ny tsirairay ihany koa izay fisaritsarihana amin’ny kiraro izay, saingy na eo aza ny kiraro tsara tarehy sy manaitra, rehefa maloto sy tsy voakarakara ny hohon-tongotra dia tsy hisy “charme” hivoaka velively izany eo.
Ny cheville koa important an! misy sipa tena milay nefa iny tsy mitire dia aleho tsy miditra
ay ve e!iny ndray no tsy itako,nefa za d manana karazana kiraro fa ampiaraako @akanjo ze anaovako fotsiny.
Misaotra lo ry basy Vava fa mety aitana ny maaso a.Maromaroa ny torohevitra
