mar.
20
juil.
2010
Hanome tosika mavesatra ny fanabeazana. Iray amin’ireo tanjon’ny tetikasa Ambatovy izany, ka nitarika azy hiantsoroka ny fananganana ny trano sekoly vaovao Soamahatsinjo ao Tanandava, distrikan’i Toamasina II, notokanana ny zoma faran’ny herinandro teo. Fiaraha-miasan’ny tetikasa Ambatovy sy ny vondron’olona ifotony, ny kaominina ary ny fari-piadidiam- pampianarana any an-toerana no nahazoana ity sekoly vaovao ity. Natao indrindra hanalana fahasahiranana ireo ankizy monina manodidina ny trano fitahirizan’ny tetikasa Ambatovy ny sekoly Soamahatsinjo. Orinasa iray any an-toerana ihany no niandraikitra ny asa fananganana. Manana efitrano fianarana roa, trano fonenan’ny mpampianatra ary toeram-pidiovana ny sekoly Soamahatsinjo......
Miisa 135 mianadahy ireo kilonga manovo fahalalana ao, nanomboka ny volana janoary teo hatramin’izao. Mbola hojerena akaiky ihany koa ny fomba hoentina manatsara bebe kokoa ny toerana, toy ny fametrahana rano fisotro madio, ny fanampiana ara-tsakafo ny mpianatra. Marihina fa ny tany mirefy telo hektara sy ny fanamboarana ny efitrano fianarana ary ny toeram-pidiovana no nataon’ny tetikasa Ambatovy. An’ny vondron’olona ifotony kosa ny nanangana ny trano fonenan’ny mpampianatra. Niantoka ny dabilio miisa 45 ny fari-piadidiam-pampianarana. Latabatra telo sy seza telo an’ny mpampianatra kosa no avy amin’ny kaominina. Porofon’ny fahavononan’ny tetikasa Ambatovy hanabe voho ny fanabeazana ny kilonga amin’ireo toerana iasany izao fananganana sekoly ao Tanandava izao. Nanangona : Harimbola M.
Isaorana manokana eto ny Tetezamita nanampy tamin'ny fanafainganana ny asa sy ny taratasy rehetra nahafahana namita ny asa rehetra taminity sekoly ity. Fisaorana mitafotafo no atolotra an'Andriamatoa Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny izay nanaraka akaiky izany.
