mar.
20
juil.
2010
Tontosa ny dia niarahan’ny parlemantera malagasy telo tany Seychelles, dia ny filohan’ny faritra Analanjirofo Saina Michel; ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fanapariaham-pahefana, Raharison Liva ary ny mpikambana ao amin’ny Fat, Rasolofo René. “Tsy hifandresy lahatra no naleha tany” hoy ny fanazavan’izy ireo. Na izany aza, nanana fotoana nanomezana fanazavana momba ny fandehan- draharaha aty an-toerana izy ireo.
Fanasana mazava
Satria efa foana ny Antenimieram-bahoaka, dia ny governemanta no nanoloran’ny Vondrona Eropeanina ny fanasana hiatrika ny “Assemblée parlementaire paritaire” –APP- iarahan’ny Vondrona Eropeanina sy ny vondron’ny tany ACP. “Izahay no nisolo tena an’i Madagasikara, nalefan’ny governemantahisolo tena ireo parlementera teo aloha.” .....
Araka izany, nandray anjara feno tamin’ny fivoriana ireo Malagasy, toy ny adihevitra mikasika ny varotra hosoka, ny fanaraha-maso eo amin’ny sehatry ny jono. Ny tena goavana dia ny fiatrehany ny lanonana nokarakarain’ny masoivoho frantsay miasa any Seychelles manodidina ny 14 jolay.
Efa ao ny vaha olana
Mikasika ny krizy eto Madagasikara, dia tsotra ny valin-tenin’ireto parlemantera: efa manana ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ny Fat. Mazava ny lalan-kizorana, hoy ny fanazavana: ny fikarakarana ny dinika eo amin’ny samy Malagasy, ny famolavolana lalàm-panorenana hatolotra eo amin’ny fitsapankevim- bahoaka ary ny fanomanana ireo fifidianana isankazarany hidirana amin’ny Repoblika fahefatra.” Raivobe
Aza atao resaka "aller-retour" ilay raharaha fa atombohy amin'izay ho hitan'ny rehetra e,na tena hanao na tsia fa tsy ny olona no hanaovana fampandriana adrisa lava izao.Io anie tsy misy zavatra sarotra fa "FINIAVANA" dia vita sy mandeha e!Iza moa no tsy nahalala fa efa hatramin'izay no hoe "mahaiza mifampidinika ianareo samy Malagasy,sns..."fa ny tsy fisian'ilay FINIAVANA hifampidinika no maha mafy sy tsy mampivaha ny krizy toy izao.Alefaso amin'izay ny asa fa ny resabe efa fantatray hatramin'izay 16 volana izay e!
O Rajery a! Mba sokafy ny maso e! Efa nanomboka ela ny asa sy ny ezaky ny HAT amin'ny famahana ny olana. Fotoana vitsy sisa dia ho tontosa antsakany sy andavany izany. Ny ananreo mpanohitra ireo manko dia tsy mba ny maso intsony no mijery, ary tsy ny saina intsony no isainana fa ny...(tsy azo tononona eto), ka izany no mahatonga anareo sy ry Basy Vava hiteniteny foana!
O ry Denise Rabe a,izahay vahoaka mijaly fa tsy mahazaka ilay krizy intsony ka mila vahaolana maika dia maika fa mihantra aman'aina izy ity koa,rehefa tsy hanao i Andry kely asaivo ianarany ny fomban'i dadan'i Dénise Rabe ilay mba mametra-pialana e!Lazaina foana fa fotoana vitsy sisa dia hivaha ny krizy nefa toa kobaka ambava fotsiny ihany izany.
Izay mintsy tokony hametra-pialana any Rajoelina dia omeny an'Andriamatoa Raymond RANJEVA ny fitantanana ny tetezamita mba ahaingana ny raharaha.
I Andry indray dia tsy hametra-pialana, satria ny vahoaka mihitsy no tsy mamela azy hanao izany satria mamim-bahoaka loatra manko izy! Koa raha izany no andrasanareo dia harary fo amin'izany eo ianareo!
Ka rehefa malaina hiala eo ataovy izay handehanan'ny raharaha sy tanteraho ny fampanantenana ny vahoaka fa raha tsy mahavita mialà e!Tsotra anie ny miala manao taratasy dia manolotra izany amin'Andriamatoa Ranjeva dia mahazo mandeha any Frantsa avy eo na tsy hiverina intsony koa aza tsy olana amin'ny Malagasy.
