mar.
20
juil.
2010
Any Nigeria ny 03 septambra ho avy izao no ho lalao voalohany hatrehin’ny Barean’ny Madagasikara amin’ny fifanintsanana isambondrona hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika taona 2012. Mazava ho azy fa ny Super Eagles Nizerianina izay vao avy niatr ika ny mondial 2010 farany teo tatsy Afrika Atsimo no hifandona amintsika amin’izany. Sarotsarotra ihany ny ady ho an’ny Barea. Na izany aza dia nanambara ny hanao ezaka mafy Ingahy Jean Paul Rabier mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ka hitana sahala an-dry zareo Nizerianina amin’io mialoha ny hifandonana amin’ny Etiopianina sy Guineanina ao anatin’ny vondrona B misy antsika. Nanomboka omaly ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao nantsoina hanatevin- daharana ny Barean’ny Madagasikara.....
Saika ireo mpilalao avy eto an-toerana ihany aloha no tena betsaka amin’ireo namonjy ity fampivondronana faharoa ity niampy ireo mpilalao sasany mila ravinahitra atsy La Réunion. Ankoatra ireo moa dia nanambara ihany koa Ingahy Rabier fa handeha hihaza mpilalao Malagasy mila ravinahitra atsy Maorisy sy any Frantsa ary hanaraka akaiky ny fiadiana izay ho tompondaka rezionaly atao any SAVA ny volana aogositra ho avy izao. Zaka Fils
zao e , hevitra hono tera-bary ka raha mahasoa dia mba raiso e ! olona 1.75 cm aloha ataho farany fohy amin'ndry zalah barea reo poids 70 kg ny maivana indrindra ! dia olona manana bal au pieds fa tsy zahay mandaka sy mamita dia alaina avokoa , olona mahay passe à dix , olona technicien , olona nianatra e zay ô
ireo mpilalao ireo dia misy fa aty europa avokoa ireo gasy ireo no milalao ka ho tantin ny mpijery ve raha mpilalao gasy avy aty europa daholo ny milalao ao mahamasina,asa aloha e
