mar.
20
juil.
2010
Te-hampihatra ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny mpitondra manana ny fahefana ankehitriny, saingy sarotra ny fampiharana izay firain’ny vavany rehefa tonga eny amin’ny tokony hizorany ny fanapahan-kevitra. Izay rehetra atao tokoa tsinona toa hananan-doza avokoa, ny rehetra nofaritana mialoha toa mihemo-dava tsy hita fiafaràna, izay mba tetik’asa vinavinaina tsy misy tanteraka fa very an-javony. Ilay fanantenana tamin’ny fankatoavan’ireo sehatra iraisam-pirenena dia mbola any an-kibon’ny omby. Ny nambolena tsy naniry e ! Ny nasosoka maty maso ! Ny nantenain-kanirina no nampivandravandra. Mitogaigy sy midongizina fotsiny re ! Miraviravy tanana daholo, na kely na lehibe…Kanefa tsy misy miala izany eo ry akama, fa samy tary amin’ny tanàna e ! Raha ny ozona sy ny ompa tokoa no mampadio sy mety hahombiazan’ireo manao azy dia efa lasa lavitra isika sy ity tetezamita mitsingevana ity. Nolazaina daholo izay ratsy rehetra mety ho nataon’ilay teo aloha : mpanompo sampy e! niompy saka mainty sy osilahy maintibe, hono, ts’inona k’ah ! Mpanao varo-maizina sy mpangorona ny harem-pirenena e ! sns......
Rehefa mandre ireny honohonom-bahoaka tsy hita fototra ireny dia tena mihamaimbo sy tsy misy ilàna azy intsony ny olona voatondrotondro amin’ireny. Izany fanapotehana sy fanapempoana izany dia tetika politika hanimbana ny mety ho mpifaninana amin’ireo mpifanandrina isanisany. Fa tsy midika akory izany fa rehefa maimbo ny mpifanandrina dia tonga madio sy mangatsakatsaka ireo mpanao ny honohono sy ny mpanoso-potaka. F’angaha moa tsy efa niala nenina nanazava hatrany Whasington mihitsy fa dia mbola io eny ihany e! Raha mbola fifanaratsiana ihany no asesika ao an-dohan’ny besinimaro dia ho lany tetika am-pandehanana fotsiny isika e! Ahoana moa no ahafahana mampihatra ilay “ara-dalàna” dradradradraina etsy sy eroa kanefa ny “ara- drariny” sy ny “tokony ho izy” aza, tsy mbola voavorinao akory? Efa mahazo ny “ara-drariny” ve ny fijoroan’ny mpikarakara ny dinika santatra? Tsy misy ilàna izay ara-dalana akory rehefa mba tsy manitsaka ilay rariny tena ifanarahana ny hevitra tiana hajoro. Ny ara-dalàna, hono, mantsy dia fanamafisana ilay rariny sy hitsiny…Ny marina itompoana koa mody heloka, ary ny fanosoram-potaka tsy ahafahana manamarintena velively. Aza manararaotra miampanga olona sy mandrora tsy maimbo fa manjary mandentika ny firenena ho any amin’ny fisavoritahina hatrany. Ary rehefa tsy hanao dia akombony ny vava fa aza variana manakotaba. Aza manambanambana fotsiny rehefa tena manana ny marina fa tsy misy antony hanaovana ampamoaka raha toa hifanafin-dravina sy hifampiharo amin’ny tsy antony. Rehefa vandana, hono, dia kary e! ary raha izy ireo no mangala-pihinana, aoka tsy ny saka no tapahi-drambo ary raha saka manafin-koho alefaso any an’ala sao mandrangotra sy hitondra haromontana. Izany hono ka mba hoe ray aman-dreny! Hay manao toetran-jaza maroroka. Ony RAMBELO
Tsy mora ny manao zavatra fa ilay finiavana mintsy koa no tsy misy eo amin'ireo mpitondra hany ka ny hevitra novolavolaina rehetra dia mihemodava tsy hita fiafarana.Raha atao hoe tsy mahay politika ilay teo aloha,ity mpandimby indray efa zatra miolakolaka politika ka tsy matotra ny fanapaha-keviny fa mitranga miemotra toa lelon-jaza.Rehefa tsy hay sy tsy zakan'ny loha ilay Fitondrana boay kely dia mialà eo fa mijaly izahay vahoaka madinika a!Aiza zao ilay vary Ar 500 ny iray kilao,ilay menaka Ar 2500 ny iray litatra,f'angaha isika hifamitapitaka sy hifandaingalainga eto fa izay lazainareo dia tanteraho aloha hiadananay ambanilanitra fa raha tsy tafapetraka ireo aza manantena ho lany prezdà eo na vidian'ialahy daholo aza ny prefet eran'i Madagasikara an!Ny anay vahoaka ny hanina sy ny asa sy ny trano onenana iany no mba faniriana fa izahay tsy mahay izay bois de rose sy Soalala sy Ambatovy an'ialahy isany any ka atombohy amin'izay izay nampanantenaina fa ela e!!!!!
Ka ianareo ato amin'ny Basy Vava ry Ony Rambelo no tena manao teotran-jaza maroroka a! Raha ny fijery ny fomba firesakareo ato manko dia hita fa mbola lavitra anareo mihitsy izany atao hoe fahamatorana izany. Lasa ny fanontaniako manao hoe mba olona nianatra izany fanaovan-gazety izany ve ireto Basy Vava ireto sa kosa nahita ny vola narantirantin'i dada dia roboka namelona ilay gazety efa maty fahiny, mba hisaosiana kely aloha sitran'ny ahay. Mahamenatra ihany aloha ny tsy fahaizanareo manao gazety, fa soa ihany fa teny gasy ka tsy hain-dry zareo vahiny vakiana, fa raha tsy izany dia fahafaham-baraka no azonreo miseho ho basy vava.
tsy mbola fantatra izay nohanin'ny voalavo na ny mipetraka ,na ny mihantona. Diso be ianao raha mihevitra fa tsy hain'ny vahiny ny zavatra soratana amin'ny teny gasy.Matoa taraiky ny hat dia fantatry ny olona ny hagegenareo mananty ràn-kena. Na tsy nianatra aza anie ny tena mahafantatra ny zava-maha-faty sy ny tsy rariny e. Ngah mo ilana fahaizana tapitr'ohatra ny filazana ny tsy mety eto. Raha nahay niteny ny alika dia efa mba naneho ny tsy fankasitrahany koa ireny. ary aza mihevitra fa izay rehetra miteny dia noho ny vola no antony.
fa inona no atao hoe mpanao gazety?
toa an'iza?
toa an'i Rabe Deniz?
Za aloha tsy mahay e! tena mianatra ary azo lazaina hoe vendrana.
saingy zaha tsy handokandoka fahatany olona mihitsy
tsy ny mpanao gazety no hanao ny asan'ny mpanao politika
tsy ny mpanao gazety no hitsikera sy hanao adim-borontsiloza amin'ny hadalan'ny hafa
tadidio fa tsy izay rehetra mahay manoratra dia mahay gazety.
tsy ny be vava sy belazao no tonga lafatra
manentana an'i rabe deniz ,hamaky tsara fa tsy haneho hevitra bontolo. Tsy diso ianao fa tsy ampy fihainoana ny hevitry ny hafa fotsiny. Tsy tokony ho tsikera no hanamarinana ny hadalan'ny sasany.
