mar.

20

juil.

2010

Fanatsarana ny tanana: Tsy misy asa mivaingana

Tsy hita intsony ireo asa vaventy fanao eto amin’ity renivohitra ity, toy ny hita hatramin’izay. Zary fampandehanana ny asa andavan’andro sisa no atao. Eo ohatra ny fandraofana ny fako sy ny fandaminana ny tsena. Fanampin’io ny fandokoana ny arabe sy ny fanadiovana ny tatatra. Tsy asa mora ireo, fa ny tena goavana toy ny fanitarana ny renivohitra sy ny asa fanaovan-dalana, sekoly sy trano toy ny teny Analamahitsy, dia zary nofinofy sisa ireny. Ny fitondrana nifandimby, dia saika ny fanaovana zaridaina miampy ny fanotofana ny lalana loaka no natao.....

Teo ihany ireny fanitarana ny lalana manodidina ny renivohitra sy ny fanaovana ny tsena toy ny etsy Anosibe, saingy tsy nisy asa toy ireny intsony ankehitriny. Marina fa eo ny fananganana indray ny lapan’ny tanana, saingy ny hitan’ny maso no mahazo fanafinaretana, fa raha mitsofoka any amin’ny faritra iva, dia toy ny toerana lavitra andriana. Ny rano fisotro madio, dia hilaharana manomboka maraina, hatramin’ny hariva. Isika eto ampovoan- tanana aza mijaly rano toy izao, koa maika fa ny any ambanivolo any? Izay no hilazana, fa ny tena fanitarana sy ny fanatsarana ny renivohitra, dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Ny vola ve no tsy misy, sa ny finiavana no mbola miandry kely? Raleva zokiny

écrire commentaire

Commentaires: 6

  • #1

    jacta (mardi, 20 juillet 2010 09:02)

    Any amin'ny KAOMININA anie no tena misy ny fampandrosoana e! NY zamisy eto amintsika hatrizay dia ny MANGALATRA mameno ny paosy no masaka ao anaty loha , raha vao mahazo toerana. Ny fitohizan'ny ASA tsy misy fa lany ny vola hanaovana ilay ASA;Iza intsony no olona hanome vola anao eo! vola adala tompo angamba?Izay no antony tsy mampandroso ny firenena mihitsy.

  • #2

    deba (mardi, 20 juillet 2010 17:05)

    "Ny vola be dia be fa ny hanaovana azy no tsy hita","isika Malagasy Firenena niangaran'ny vintana fa manana harena ankibon'ny tany tsy toko tsy forohana",izany hoe tokony ho tafavoaka mintsy izany ny Firenena e,saingy ilay FITANTANANA sy ilay MPITANTANA no VOMANGA MASISO tsy misy ilana azy fa sendra olona mpandroba Firenena foana ny Malagasy hatramin'izay ka hatramin'izao.

  • #3

    Dénise Rabe (mardi, 20 juillet 2010 17:15)

    Raha ny fahitan'ny malagasy maro an'isa azy kosa aloha dia tena miha mandroso ny tananan'Antananarivo ankehitriny, ary betsaka ny asa mivaingana sy hita etsy sy eroa. Ny Hotel de Ville aloha dia mampihaiky ny maro ny hatsarany. Ingahy Ratsiraka tsy nahavita, inaghy Zafy tsy nahavita, ingahy Valomanana moa dia tsy hita izay vitany, ny délestage no nampalaza azy. Nony tonga i Andry kely mahavita azy dia vita daholo izay rehetra nirin'ny vahoaka, eny fa na dia ny Rova aza dia vitany. Ny katedraly katolika etsy Andohalo, dia lasa toa an'ny Notre-Dame de Paris. Sns ... e! Ka hoy izahay hoe: Vive Rajoelina, Vive Madagascar!

  • #4

    anileojar (mardi, 20 juillet 2010 19:44)

    Fahefana jiolahim-boto no misy eto hoy ny avara-pianarana Ranjeva. Tsy misy fanantenana intsony. Ilaina ny fananganana tetezamita tena izy amin'izay. Efa elaela ihany anefa no nandrandraina azy saingy mbola ny mpanongam-panjakana aloha no mibahana.

  • #5

    Dénise Rabe (mardi, 20 juillet 2010 21:24)

    Tsy misy mpanongam-panjakana izany eo ry anileojar a! I Valomanana no las anitsaoka nandositra adidy, dia ny olona mamim-bahoaka no napetraky ny vahoaka hitondra ary hita fa tsara sy mahay tokoa ny lehilahy. Ingahy Ranjeva indray dia aoka izy aloha hanolotra eo amin'ny fitsarana ilay rahalahiny atao hoe Louis Ranjeva tamin'ilay halatra be vava nataony tany Manakara e!

  • #6

    tsy aritra (mardi, 27 juillet 2010 20:16)

    Ilay tanàna feno fako etsy sy eroa,ilay zaridaina potika nohosihosena,ny arabe feno maloto ve no lazain'ilay olona iray fa tanàna miha-mandroso?Ny rova,ny Hotel de Ville anie vita foana ireny na iza na iza maire teo e!Ny vidim-bary 500 Ar nampanantenaina avoaka raha te atao hoe mahavita azy ry Andry a?Rehefa tsy izay dia mialà eo fa voafitaka i Denise Rabe sy Lalatiana ary ny forongony!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra