lun.

19

juil.

2010

Ravalo ihany io e !

Hatairana sy hagagana ny an’ny vahoaka Malagasy marobe raha nahita indray iny vaovao lehibe mikasika ny nahatratrarana ireny bolabolan-kazo sarobidy (bois de rose) tany amin’ny sampan’asam-pandrafetana (menuiserie) tany amin’ny sampan’ny orinasa Tiko any Sambaina ny talata lasa teo. Ankoatra ireo bolabolana hazo sarobidy dia nisy ihany koa ireo sary sokitra efa vita sy vararan-kely maro tratra tao. Talanjona ny rehetra sady velom-panontaniana hoe : f ’angaha moa nandrafitra sa nanao sary sokitra ny orinasa Tiko teto amintsika tao anatin’izay telopolo taona mahery nijoroany izay ? Nisy sampan-draharaha ho an’ny fandrafetana taiza tao amin’ny Tiko SA hatrizay ? Nisy mihitsy aza ireo olona no tezitra mafy sady nahavita niloa-bolana hoe : « sao dia mihevitra ny Malagasy ho kentrina aza izy ireo, ka tsy hahay hanavaka ny setroka sy ny tomany ? ». .....

Volana maromaro, mba tsy hilazana hoe an-taonany no tsy nisy mpiahy intsony, tsy nisy mpiambina ary tsy nisy nandalo nivoaka sy niditra tao amin’io sampan’ny Tiko ao Sambaina io, koa ahoana no fomba nahatongavan’ireo bolabolan-kazo sarobidy ireo tao ? Raha efa nisy hatry ny ela ihany koa izany dia nahoana no ny talata lasa teo vao namohana didy fisavana, izay niainga avy tany amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mihitsy. Tsy nahita izany mihitsy ve ireo mpanao gazety mahay mpanohana ity fitondrana ity hatrizay ? Tena mahay tokoa raha izany iny filohantsika teo aloha iny, fa avy any Afrika Atsimo izy no mibaiko ireo hazo sarobidy mba hiditra ao amin’ny Tiko Sambaina ary misy mandrafitra tena mihitsy. Ho an’ny mpanao politika aloha dia betsaka no nahatsapa fa paikady politika entina hamotehana ny mpifaninana sady fahavalo izany. Sady tsy vao izao akory no nisian’izany. Nanomboka tamin’ny fanimbana sy fandrobana ary fandoroana izay mety ho fananan’ny filoha teo aloha izany ny 26 janoary 2009. Rehefa tsy teto an‑tanindrazana intsony fa voatery nitsoaka noho ny tahotry ny ainy ity farany dia nitohy sy nisesisesy hatrany izany. Nitohy hatrany ny fandrobana sy fanaovana antsonjay ny vary sy menaka an’ny orinasa Tiko tany Toamasina sy Antsirabe. Tsy hay lazaina intsony ny fanaratsiana sy fitoriana ary fanasaziana tamin’ny alalan’ireo zava-niseho sy nitranga teto amin’ny firenena nandritra ireny krizin’ny taona 2009 ireny. Fehiny, tsy mbola mitsahatra hatrany ny fanaratsiana ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc ary mbola hisy tohiny sy fanampiny izany aoriana kely ao fa mahandrasa e! Ny tantara dia mbola hitohy e !

écrire commentaire

Commentaires: 15

  • #1

    rambelo (lundi, 19 juillet 2010 10:35)

    Aiza ianao ravalo a! Miandry anao anie zah sy Deniz Rabe e! aiza koa re i denizi-ko zay e?

  • #2

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 10:51)

    Valomanana anie no tena rangory fototry ny fahantran'ny malagasy ankehitriny e! Nataony tantely afa-drakotra ny harem-pirenena! Mendrika ho gadraina tsy misy hatak'andro ilay iny ka!

  • #3

    aiza (lundi, 19 juillet 2010 10:54)

    ny mpanenjika aoriana foane itadiavo zavatra hafa indray refa kelikey de mazotoa manenjika fa aza kivy

  • #4

    Ralay (lundi, 19 juillet 2010 10:57)

    Ianareo manaratsy olona io mba manahoana ry rambelo sy Denise Rabe ?? Volam bahoaka anie io andovanareo connection io fa inareo tsy manana velively

  • #5

    rajery (lundi, 19 juillet 2010 12:59)

    Ny mahagaga eto amin'ity Firenena ity dia ny "Fiheveran'ny mpitondra ny Malagasy ho babakoto".Nifandimby nandova io fisainana io daholo rehefa mpitondra nifandimby teto.Tsy babakoto araka ny fihevitrareo ny Malagasy ry mpitondra fa ianareo no tena BABAKOTO vao nahita mamy ka manao ampihimamba ny fananam-pirenena.Tsy aleo ve ny asa tokony atao ho an'ny vahoaka no imasoana toy izay ho lany andro sy vola manao cinema eran'ny tanàna etsy sy eroa,sa amin'izay cinéma izay dia tiana ho tsarain'ny vahoaka hoe tena miasa mihintsy.Hita mihintsy fa ny toe-tsain'ny mpitondra no mampilentika ity Firenena ity.Tsy izay mampandroso vahoaka no hatao fa variana manao sarin'ady politika...film efa nandeha zany ry ireto a.

  • #6

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 13:40)

    Ny zavatra soratanay eto dia zavatra mahasoa ny vahoaka maro an'isa satria manambara ny zava-misy marina izahay fa tsy tahaka an-dry pasitera kaly very saosy!

  • #7

    farpait (lundi, 19 juillet 2010 13:53)

    Ary le cargaiason tratra tany Comores ? mbola RAVALO fôna oo ? De miandry ny anaran' ireo tompon' andraikitra , izay any @ filou radomelina zany .
    Hay va re betsaka zany no miray tsikombakomba @ Ravalo @ le Bois de rozy ??
    I VITAL ary no nanome Autorisation knoo !! Sa Vital sy RAVALO no miara miasa , fa RADOMELINA le VENDRANA eny fôna ee !!
    INY LALANA INY EE !

  • #8

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 15:20)

    Rehefa tena natao famakafana lalina mikasika ity bois de rose ity dia voaporofo fa hay Ravalomanana no tena rangory fototry ny afo mikasika azy ity, ary nedala no tena ati-doha mikotrika ireny fanondranana antsokosoko ny bois de rose ireny.

  • #9

    zama (lundi, 19 juillet 2010 16:06)

    tsy mahagaga ny olona sans qualité e!

  • #10

    aina (lundi, 19 juillet 2010 16:36)

    Mba tsy hitodihan'ny sain'ny olona amin'ilay resaka bois de rose tratra tany comore dia atsipy any amin-dravalo indray aloha ny rihatra maloto.Tena mampihomehy sady mampalahelo ilay toe-tsain'ny mpitondra satria dia mihevitra ny olona ho tsy misy saina daholo ry zareo.Dia inona indray ny film manaraka ? Mba ovay indray fa izay atao efa araka ny olona daholo ka tsy mahataitra azy intsony.Ireo fouza voatarika tamin'iny lalana iny no voarebirebin'izany fa raha ny hafa dia tsy gaga intsony.

  • #11

    blablabla (lundi, 19 juillet 2010 16:44)

    dénise rabe > depuis 1987 teo eo no nanomboka ny trafic bois de rose ary ny famille ratsiraka no nanomboka izany ary nolovain'ny mpitondra nifadimby indrindra fa ireo mpitondra HATay 2009.

  • #12

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 18:22)

    Ka io moa dia ry zareo mouvances telo: Ratsiraka, Zafy, Valomanana no tena ratsy tamin'ity Bois de rose ity, fa nony tonga teo amin'ny fitondrana ny Filoha mahay mitantana Andry Rajoelina dia notsikafoniny daholo ireny rehetra ireny ka izao fantatra miharihary izao fa hay ireto trois mouvances ireto no tena niray tsikombakomba tamin'ity affaires maizina ity, ka izao mifampiaro izao ry zareo.

  • #13

    NY HENDRY (lundi, 19 juillet 2010 20:01)

    Miala tsiny raha miteny sy mamerina ny tantara:tadidio fa NITRANGANY crise dia ny FIFANOLANANA TEO @Andry(+Ratsiraka+Zafy+AVI+RPSD+Lahiniriko sns)#R8;nandeha ny tantara TSY NAHAZO RIRANY Zafy+Ratsiraka dia nipitika nakany @R8 ANKEHITRIANY TSY MBOLA METY VOAVAHA NY CRISE satria TSY METY HIFANANTONA NY ANKOLAFY Andry Mahita HANAOVANA" CINEMA" FOANA HIALANA PA fa araky ny fahafantarako azy dia NALAINAT@ BASY NY FITONDRANA KA MATAHOTRA NY HOTSARAINA @FIFIDIANANA ireo AO ANATY ANKOLAFY Andry VOKANY dia izao MANAONAO FOANA izao satria samy may ny hanankarena vetivety daholo ny ao anaty HAT dia MANAO TANTELY AFA-DRAKOTRA ny harempirenena izy MIANAKAVY MBA RAHOVIANA NY MBA HO MPITONDRA RE!!!!!! dia atolaka @teo ALOHA FOANA NY TSY FAHOMBIAZANA ----vahaholana mba tsy hiverenan'ny CRISE intsony dia ny FIARAHAMITANTANA NYTETEZAMITA KA ATAO FOTAONA FOHY(R8+ANDRY) ATAO NY FAMPIHAVANANA;vitaina haingana ny fifidianana filohampirenena DIA ZAY RESY MAHANDRY NY FITOAMPIFIDIANANA MANARAKA

  • #14

    Matthieu (mardi, 20 juillet 2010 08:40)

    mba tiako ho fantatra mits hoe hatraiza aza ny fianarana vitan'i Denise Rabe ... ^^???

  • #15

    rambelo (mardi, 20 juillet 2010 17:11)

    nokitihiko kely de nanitsa tay deniz-zay no porofo fa tsy nahavita afatsy taona dimy tany amin'ny fototra izy? sa aon ra-matio?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra