lun.

19

juil.

2010

Nahazo tombony ny Banky foibe: Ho ela velona anie ny krizy

Vaovao nanaitra ny maro ny nahita tamin’ny gazety mpivoaka isan’andro iray eto an-drenivohitra naneho fa « vao tsy teo Ravalo, dia nahazo tombony ny banky foibe. Izany hoe maty antoka hatrany nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2008 ». Nambaran’ny gazety fa ny fampahalalam-baovao nivoaka taor ian’ny fivorian’ny filan-kevitry ny ministra tamin’iny herinandro nivalona iny no nandany ny didim-panjakana mikasika ny fankatoavana ny kaontimpitantanam- bolan’ny banky foibe ary nahitana amin’ny ambangovany izany vaovao izany, saingy tsy manazava kosa ny anton’izany fahombiazana goavana izany.

Mitohy ny fahagagana

Dia lasa saina ny sarabambem- bahoaka ary miaky tokoa « fa mahavita magie » tsy vitan’ireo mpitondra teo alohany ny fahefana avon’ny tetezamita, ary mitohy sy mbola tsy maintsy hitohy izany fahagagana izany mba ivoahan’i Madagasikara any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, efa nampanantenain’ilay mpitandrina iray izay tamin’ny taona 1991 hitondrana miakatra ny firenena».....

 

Tsy fahagagana tokoa ve no vitan’izy ireo, raha hainy ny nampidina ny vidin’ny solika tao anatin’ny andro vitsy raha efa nampakatra ny vidin’ny entana amidiny ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity ? Dia aza malahelo maty voalavo ary ry vahoaka malagasy fa ny any an-tsaha mbola hiakatra, satria mbola ho tojo fahagagana ianareo atsy ho atsy, ka mety hisy mazia vaovao indray hanatsarana ny fahefa-mividy sy ny fidirambolan’ny isan-tokan-trano. Fa tena mampitanaka vava ny maro ary tsy mampino nefa misy ity hoe : Nahazo tombom-barotra ny Banky foiben’i Madagasikara amin’izao firenena milentika lalina ao anaty krizy politika izao. Ny vola vahiny tsy miditra, ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana ara-bola antsika tapaka. Tsy resahina intsony ny sandan’ny ariary efa midina andro aman’alina, ny fikatonana sy faharavana orinasa mamokatra fototry ny fidiram-bola amin’ny fanondranana entana sy ny fitombon’ny vola mihodina ahazoan’ny mponina manjifa.

Tohizo ny krizy fa tsara !

Ka inona indray moa izany no itadiavana ialana amin’izao krizy politika izao, satria efa nahazoan’ny banky foibentsika tombom-barotra ? Ireny ary fony nilamina ny tany sy ny firenena taorian’ny taona 2002 hatramin’ny 2008, tonga ny mpamatsy vola, niroborobo ny fananganana orinasa, maro ny tanora no tafiditra teo amin’ny tsenan’ny asa, nandroso ny famokarana ambanivohitra, nisy ny fandriam- pahalemana,… lazaina fa maty antoka ny banky foibe, koa tsy aleo hitohy lavareny any io krizy politika io satria efa ny Banky foibe itarafana ny fandrosoana aratoe- karena sy manaporofo fa manam-bola ny Malagasy no nahazo tombom-barotra ? Tsy mahay sy tsy mahafantatra izay pitsopitsony amin’ny kajikajy avo lenta hanaporofoana izany tombom- barotra navoakan’ireo manam-pahaizana mitondra ny firenena ankehitriny ireo ny vahoaka Malagasy. Ny miditra any am-bilaniny no hikajiany ny tombombarotra azo’ny banky foiben’i Madagasikara ka izy migoka izany tombony izany no itsarany ny zava-misy. Minoa iska fa hivoaka indray atsy ho atsy ny kajy milaza fa tafakatra 12% ny harin-karena faobe nandritra izao krizy izao, satria mahay anie ity fitondrana tetezamita ity e. Rakoto

écrire commentaire

Commentaires: 12

  • #1

    Ralay (lundi, 19 juillet 2010 08:46)

    Mazava be anie fa raha marina izany dia volan'ny Lafrantsa na vola azo t@ "boi de rose" sy ny fandrobana no ampiasaina ao @ io banky foibe io. Izany no mahatonga an'ireo FAT tsy hanaiky mihitsy ny "accord de Maputo" satria fantany ho fantatra ny ratsy nataony.

  • #2

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 10:55)

    Rehefa mangarahara ny fitantanana dia hita ny tombotsoa. Tamin'ny andron'i Valomanana dia tsy mba nisy izany ka ny fahantran'ny vahoaka no nihoapampana. Tena mahay i Andry Rajoelina ka. Misaotra leisy a! Manohana an'ialahy hatramin'ny farany ny vahoaka maro an'isa!

  • #3

    jacta (lundi, 19 juillet 2010 11:46)

    Marina fa tena henjana tsy zaka ny aina intsony ny fahantrana izay mitombo andro sy alina kanefa raha hifanenjika sy hifanaratsy eto isika mianakavy dia tadidio fa vao maika hiharatsy hatrany ny fiainantsika malagasy ;satria tsy hisy zavatra mandeha aminy laoniny dieny izao dia efa miomana sahady izay te ho filohampirenena eo fa dia tsy maintsy ho votsikera foana ; koa fifamelana no ilaina ,fifankatiavana tsy misy fihatsaram-belatsihy mba hiadanany vahoaka fa dia mampalahelo ny malagasy!

  • #4

    Ralay (lundi, 19 juillet 2010 11:47)

    Aiza koa misy FAT mahay mitantana izany fa ny fasana ilevenany karakaraina ry Dénise a! Maninona raha any @ Gazety la vérité sy ny gazetinareo mpamafy lainga no manao commentaire. Anga tsy manakambo. Efa tofoka anreo anie ny Vahoaka malagasy é!

  • #5

    rajery (lundi, 19 juillet 2010 13:45)

    Tsy vao izao vao nisy mpitondra nampanan-tena ho any Kanana fa aza gaga amin'izay lazainy.Ny volandry zalahy any amin'ny Banky foibeNY no nahazo tombony fa tsy ny an'ny Firenena.Io fahaizana mikabary tsara lahatra nefa pok'aty io anie eo amin'ny politika efa hatramin'izay e!Aza dia sodoka loatra amin'izay zavatra lazain'ny mpitondra ianareo vahoaka fa jereo ny ataony dia ho hita fa mpamitaka sy mpandainga izy ireo e!

  • #6

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 13:45)

    Izahay vahoaka maro an'isa mpandala ny marina miaraka amin'i Andry Rajoelina, Filoha mamim-bahoaka, dia samy manana sehatra hanehoanay ny hevitray. Ny an'i Dénise Rabe aloha dia ny manamontsamontsana ireo tsy tia tanindrazana eto amin'ny Basy Vava no andraikiny. Koa mahatatesa ry Ralav sy ry forongon-dRavalo!

  • #7

    tsy aritra (lundi, 19 juillet 2010 14:36)

    Fa iza moa no mpitandrina nanandratra ny hoe:"ento miakatra ity Firenena ity tamin'ny 1991"?Hay:ilay olona iny!!!Ary mba nankaiza tokoa ary ilay olona iny?Raha fampanantenana pok'aty tokoa aloha dia hain'ilay olona iny e,mbola nolazainy aza fa io vidin'ny kapoaky ny vary ankehitriny io(Ar 30 tamin'izay)no lasa vidin'ny iray kilao(Ar 120/kg tamin'izay) raha izahay hoy ilay olona iny no tafakatra eo amin'io Fitondrana io.Dia sodoka tokoa ra-Malagasy fa tsy misy mahavita fahagagana toa an'ilay olona iny fa izay vao hiadana ny vahoaka hividy vary Ar 30 ny iray kilao...Ndrisy anefa fa ny an'ilay olona iny sy ny zanany no programa efa maty paika dia ny hirodanan'ny"mandan'i Jericho"mba hananganany ilay mandan'i Jerosalema dia ny hahatonga Minisitra ny zanak'ilay olona iny ary hipetrahany eo amin'ny sezan'ny filohan'andrim-panjakana na tsy haninontsy haninona aza fa mba voninahitra e!Dia nihodina ary ity repoblika faha 3 nolazaina fa "Firenena entina miakatra e",eh,dia tena ny andry zareo tokoa no nentin'ilay olona iny sy ny forongony niakatra fa ny vahoaka navelany hitrongy vao homana teo.Dia rava antenantenany ary ity Fitondrana nohon'ny nataon'ilay olona iny sy ny forongony ihany.Dia niverina ilay "iraikalahy taloha"izay naongan'ilay olona iny fa hoe "nampahantra ny vahoaka".Dia nanontaniana ilay olona iny:"Tafaverina hitondra Radidy(1996),ny fahitan'ilay olona iny azy?"dia namaly ilay olona iny:"Radidy vaovao io fa tsy ilay taloha!".Inona no antony?Efa vita resaka tany ambadika tany fa "mbola atao Minisitra hatrany ny zanak'ilay olona iny amin'izay governemanta mijoro eo".Dia nitohy ny tantara niongana Radidy,niongana ihany koa ny zanak'ilay olona iny.Dia tonga Ravalo nanao izay "Zé tiko ian io" tamin'ny lafiny rehetra teto amin'ny Firenena.Tsy tafiditra tao amin'ny Fitondrana intsony ry ilay olona iny sy ny forongony.Nikaroka hevitra ry ilay olona iny ka zara aza nisy an'i boay kely ahafahana hiverina eo amin'ny Fitondrana,dia nisodisody sy naneho hevitra tetsy sy teroa ilay olona iny amin'ny maha savony vava azy na tsy hiditra intsony aza fa ilay zanaka no asisika.Dia tafiditra tokoa ary ny zanak'ilay olona iny ary nahagaga fa niala antenatenany satria efa tsinjon'ilay olona iny fa tsy mandeha ny raharaha dia mialà anaka sao maimbo ao.Fehiny:Tsy misy fijerevana tombotsoam-pirenena izany ny an'ilay olona iny sy ny taranany fa "tombotsoa manokana"hatramin'izay ka hatramin'izao ary ho mandrakizay.Ho ela velona anie izay tena mijery ny tombotsoa avon'ity Firenena malalan-tsika ity.

  • #8

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 15:21)

    Ny olona iray izay tena tokony ho fongorina dia i Valomanana!

  • #9

    Isaka (mardi, 20 juillet 2010 17:25)

    Rehefa fanetriben'ny Firenena na iza na iza dia tokony ho fongorina...raha te handroso isika Malagasy!

  • #10

    Ty mitsitsy (mercredi, 21 juillet 2010 11:23)

    Ny mahagaga ange ry Denise dia ny fatahoranareo, foza, karana, frantsay an-dRavalomanana e, natao ny coup d'etat, izay fady @ tany aamamonina...hita izao ny fahantrana mahazo ny vahoaka amin'izao fotoana, izay nolazaina tsy misy tanteraka, ity lainaga sy cinema isan'andro.
    Avelao Ravalomanana hilatsaka ho fidiana raha maha sahy hifaninana aminy ianareo.
    Raha mahay ianareo foza ireo maninona no tsy mahazo reconnaissance internationale???
    Asa i Denise raha mba mandinika fa fakofakon'olona daholo no miaraka aminareo TGV, tsy mahagaga satraia ity filohanareo ary moa inona ny fianarana nataony? orin'asan'iza no niasany? ny ray amandreniny mpiloka tao besarety ka rehefa banky dia mivaro body ny renin'ny Andry...marina izany lazaiko izany fa tsy lainga sahala amin'ny fafy lainga fanaonareo...izany hoe mpivaro body ny renin'ny rajoelina, ianao io koa raha ny fomba firesakao tsy dia lavitra an'izany, ka na ny alika aza tsy tia fa maimbo sy marikoriko

  • #11

    sareraka (jeudi, 22 juillet 2010 21:08)

    Nahazo tombony hono ny banky foibe hoy ny fanambaran'ny iraky ny FATn'olona!Dia vahoaka efa tsy mahita izay tena anjara masoandrony izao intsony ve dia mbola resaka toy izany foana no dradradradraina e,ka maninona tsy atao Ar 500 amin'izay ny kilaon'ny vary sy avoaka amin'izay ilay menaka Ar 2500 dia tena miaiky izahay vahoaka.Sa inona no tena ilazana izany?Asehoy amin'ny asa fanasoavam-bahoaka raha nahazo tombony fa aza giazanareo FATn'olona irery ao e!

  • #12

    bogosy (mercredi, 22 février 2012 19:45)

    mety wawawa daholo nareo fa mba manaova daolo ijerevana az e! le mpjer ko nge tena wawawa manov nareo mba mlatsa folou mpokoitany e

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra