lun.

19

juil.

2010

Fanadinana CEPE: Ny sekoly katôlika no loha-laharana

100 % n’ny mpianatra 7ème nanala CEPE tao amin’ny sekoly St Michel, Ste Antoine ary Esca no afaka. Manodidina ny 16 sy 15 % eo ny salan’isan’izy ireo. Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Julien Razafimanazato no nilaza izany omaly tetsy amin’ny Lycée moderne Ampef i loha, nanaovana ny délibération ho an’ny mpiadina teto Analamanga. Andriamparany Caroline, avy ao amin’ny Ecole l’Eveil II, Andrianirina Tiantsoa avy ao amin’ny Providance, ary Rakotomiandra Tiavina avy ao amin’ny Ste Thérèse Ilanivato no nahazo salan’ i sa be indrindra teto Analamanga: 19,50/20. Omaly moa dia efa nivoaka ny valim-panadianana CEPE. «Tanteraka izao noho ny fampiasana ny solosaina isaky ny Cisco 114 manerana an’i Madagasikara.....

Misaotra ny mpanabe malagasy koa ny tenako fa manana ny fahaiza-manao izy. Tsy maintsy omena ny vacationnareo atsy ho atsy. Raha ny taham-pahafahana tamin’ireo distrika hafa ankoatra an’Analamanga dia 85 % eo ho eo. Ny tamin’ny taona 2008 dia teo ho eo amin’ny 77% teo, 91 % tamin’ny 2009 ary nidina eo amin’ny 84 na 85 % izany tamin’ity. Ny antony dia tamin’ny 2009 dia nahatratra 23 % ny ankizy namerina ny 7ème ary nisy koa ny cours maimaimpoana», hoy ny minisitra. Nokianiny ny mpiombona antoka iray nilaza fa nihena ny isan’ny mpanala fanadinana CEPE tamin’ity. Diso izany hoy izy fa 8% ny fitomboan’ny mpiadina tamin’ity, izay marihina fa nisy teo amin’ny 500 000 teo ho eo manerana ny Nosy. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Dénise Rabe (lundi, 19 juillet 2010 13:50)

    Fa mba nanahoana ny antsika protestanta no dia anjakan'ny katolika ny fanabeazana e! Fa nankaiza daholo ireny tombotsoa mihoapampana natobak'i dadaValo ireny no toa mbola ny katôlika foana no voalohany e! Aiza moa ka ny antsika ry Pasitera ilaozany manao hetsika pôlitika ahazoana saosy kely avy any Afrika atsimo no androatokon'androny. Tena mila fihavaozana mihitsy isika protestanta fa tsy mety ity. Aiza moa ka ny an-dry pastiora Rasendrahasina, tsy ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra no ilofosana fa ny ady lahy pôlitika. Mariana aloha fa very saosy be isika protestanta nefa na izany aza tokony mba hiveriana amin'i Jesôsy amin'izay isika e!

  • #2

    Isaka (lundi, 19 juillet 2010 14:51)

    Ny an'ny ankamaroan'ny olona anie na pasitera aza izy efa "ny vola no Andriamanitra e".Porofon'izany pasitera ve ianao hilingilingitra any amin'ny fanaovana politika?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra