sam.

17

juil.

2010

Masoivoho Frantsay: Ho samborina sa horoahina ?

Mi f a n a k i a n a s amy ho tompon’ny marina ny masoivoho Frantsay Jean Marc Chataigner sy ny lehiben’ny FIS Lt-Cl Lylison René. Taorian’ny kabary nataon’ity masoivoho Frantsay ity ny tokony hanafoanana ny FIS, dia namaly avy hatrany koa ny lehiben’ny FIS fa tsy anjaran’ny vahiny no mitsabaka amin’ny asan’ny fanjakana malagasy. Nandritra ny kabary ny 14 Jolay teny amin’ny trano fonenan’ingahy masoivoho no namakiany bantsilana ny tokony hanafoanana ny FIS noho ireo fomba fiasa izay miendrika tsy fanarahan- dalàna maro. Zary biby fampitahorana mihitsy ity sokajin’andian-miaramila ity, raha ireo tranga notanisain’ingahy masoivoho Frantsay no asian-dresaka. Maro no nankasitraka ny handravana ny FIS, saingy saro-piaro amin’ny hery eo am-pelantanany ny lehibeny. Ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita no nanangana ity sehatra ity, ary izy no tompon’ny teny farany, sady tsy nisy rahateo lalàna velona nametraka azy ho rafitra eo anivon’ny mpitandro filaminana, araka ny voalazan’ny lietnà kolonely Randrianasoavina Charles, volana vitsy lasa izay. Dia niely ny resaka omaly, raha nahita ny valin-kafatra an-gazety nataon’ny lehiben’ny FIS iny, ary tsy vitsy no nanontany fa ho samborina ve sa horoahina ity masoivoho vahiny ity, satria sahy nanatsikafona ny heveriny fa tsy mety eto amin’ny firenena? Izay maneho hevitra tsy mitovy fijery amin’izao tetezamita izao mantsy, hoy ireo feo teny andalam-be rehetra teny, dia voasambotra avokoa, na migadra mihitsy? Dia ho hita eo ny tohiny, fa ny hitsikitsika hono tsy mandihy foana fa ao raha.

écrire commentaire

Commentaires: 7

  • #1

    Lal (samedi, 17 juillet 2010 07:27)

    Fa inona no tena andraikitriny FIS ? Fa lasa mpanjakazaka ve izany ny eto amintsika e ? Mila fanampiana isika Malagasy amin'izao fotoana izao sady mila olona milaza ny zava-misy marina.Mazotoa daholo fa efa ho tafavoaka ny tunnel

  • #2

    Dénise Rabe (samedi, 17 juillet 2010 10:08)

    Hita fa tsy mahalala ny atao hoe diplomasia sy ny hoe demokrasia ianareo Basy Vava sy ireo Tim mpanara-dia aminareo. Na ny Ambasadaoro na ny lehiben'ny FIS dia samy naneho hevitra ha malalaka izy ireo amin'izany! Ianareop Basy Vava sy ny TIM forongonareo manko dia efa zatra ny fomba amam-panao tamin'ny andron'i Valomanana, izany hoe izay manohitra sy maneho hevitra tsy mitovy amin'ny an'i Valo dia voaroaka na voagadra. Ankehitriny dia tsy izany intsony e! Im-piry moa ry Zafy sy ry Fatsoralahy Fetison no manompa ny Filoha ambony Andry, kanefa tsy nisy hoe nosamborina izy ireo. Ny mpanamboatra baomba sy ny mpankorontana, ireny no tsy maintsy samborina. Azonareoi ve zany ry Basy Vava sy ry TIM forongonareo?

  • #3

    salanga (samedi, 17 juillet 2010 12:08)

    Ntsoooh........Mampalahelo ianao ry Rabe Denise...

  • #4

    Dénise Rabe (samedi, 17 juillet 2010 13:20)

    Tsy mahita havaly indray aloha ry Basy Vava sy ry Salanga tamin'iny an, ka eo no mody mitsetsetra eo! Efa KO tanteraka hoa ianareo sy ry Valomanana.

  • #5

    Vava basy (samedi, 17 juillet 2010 18:37)

    fa iz aaloha no mila za hoe GTT na TIm na Ravalo
    Basyvava e? Zà tsy dia maharaka mantsy

  • #6

    Dénise Rabe (samedi, 17 juillet 2010 21:13)

    Fa ny anareo ny inona mamaky teny ry Vava basy a no mbola tsy mahalala hoe iza no manhana an'i Basy Vava sy ny hoe iza no tohanan'i Basy Vasy Vava?

  • #7

    Vava Basy (dimanche, 18 juillet 2010 09:09)

    Tena tsy arakay ry Dénizy a! Tara train zahay!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra