sam.
17
juil.
2010
Raha misy ny toe-javatra atahoran’ny mpifankatia, (tsy ny mpivady ihany), dia iray amin’ireny ny fampirafesana. Tsy mifidy ny fampirafesana fa rehefa te hiditra izy dia mahazo laka. Azo atao tsara kosa anefa ny misoroka ny fahatongavany. Ireto ny paikady mahomby, izay mitarika sy manesika anao tsy hampirafy velively ny olon-tianao.
Laharana voalohany: Ny olon-tianao no tokony hataonao laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana. Avela any aoriany any avokoa na ny asa, ny ankizy, ny adidy isan-karazany. Mety ho betsaka ny trangan-javatra manan-danja eo amin’ny fiainana, saingy tokony ho ny olon-tianao no omenao ny laharana voalohany. Rehefa nanapa-kevitra ny hiaraka honina aminy izay moa ianao vao mainka tokony hampanjaka ny hoe “izahay roa”, fa tsy ny “izaho” samirery intsony.......
Tsiambaratelo: Samy manana ny tsiambaratelony manokana ihany koa ny mpifankatia. Tsy tokony hozarazaraina na horesahana amin’olon-kafa ireo tsiambaratelo ireo fa hotazonina ho azy roa ihany. Voasokajy anatin’ireo olon-kafa ireo avokoa hatramin’ny namana, ny havana akaiky. Ny ratsy tsy kely lalana. Mety hisy hanararaotra hamadika izany ho fanakorontanana indray. Mifampiresaka: Zava-dehibe anatin’ny fiarahan’olon-droa ny mifampiresaka. Ataovy izay hanokanana fotoana ifampiresahana isan’andro. Tsy mahasolo velively ny resaka ifanatrehana, ifampibanjinan’ny maso velively ny resaka an-tariby izay efa zary mahazatra ny maro. Vao mainka aza mety hanimba ny fitiavana io, raha tsy hay ny mifehy azy.
Manalavitra: Paikady farany dia ataovy mihitsy izay hanalavirana ny trangan-javatra mety hitarika ho amin’ny fakam-panahy. Olombelona ihany mantsy ianao, mitafy nofo sy ra, mety ho tratry ny fakam-panahy. Iray ihany ny fomba tsotra tsy haharoboka anao amin’izany, dia ny fitsoahana azy. Azo raisina ohatra amin’izany ny fandavana fanasana ataon’ny namana iray hiara-hisakafo, raha hita fa hiafara amin’ny zavatra hafa ny resaka ifanaovana ao. Tsy mifidy olona asiana ny fampirafesana. Miteraka korontana sy fifandirana ary mety hiafara amin’ny faharavan’ny fitiavana mihitsy anefa izy io. Koa mba tsy hahatongavana amin’izany dia aleo ihany aloha misoroka toy izay mitsabo.